Rehefa lasa nodimandry any amin’ny razany i Manase, dia nalevina tao an-jaridainan’ny lapa na koa «Zaridainan’i Hozà»; ary i Amôna zanany lahy no nanjaka nandimby azy.
Zefania 1:1 - DIEM PROTESTANTA Izao no teny nomen’ny TOMPO an’i Tsefanià tamin’ny andro nanjakan’i Jôsià zanakalahin’i Amôna sady mpanjakan’i Joda. I Tsefanià dia zanakalahin’i Kosỳ, zafikelin’i Gedalià, zafiafin’i Amarià ary zafindohalik’i Hezekià. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny tenin’NY TOMPO izay tonga tamin’i Zefania, zanak’i Kosy, zanak’i Gedalia, zanak’i Amaria, zanak’i Hezekia, tamin’ny andron’i Josia, zanak’i Amona mpanjakan’ny Joda: Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Izao no teny nomen’ny TOMPO an’i Tsefanià tamin’ny andro nanjakan’i Jôsià zanakalahin’i Amôna sady mpanjakan’i Joda. I Tsefanià dia zanakalahin’i Kosỳ, zafikelin’i Gedalià, zafiafin’i Amarià ary zafindohalik’i Hezekià. Baiboly Katolika Ny tenin’i Iaveh izay natao tamin’i Sôfônia, zanak’i Kozì, zanak’i Godoliasa, zanak’i Amariaza, zanak’i Ezekiasa, tamin’ny andron’i Josiasa, zanak’i Amôna, mpanjakan’i Jodà. Baiboly Protestanta Malagasy NY tenin’i Jehovah, izay tonga tamin’i Zefania, zanak’i Kosy, zanak’i Gedalia, zanak’i Amaria, zanak’i Hezekia, tamin’ny andro nanjakan’i Josia, zanak’i Amona, mpanjakan’ny Joda. Malagasy Bible Ny tenin'i Jehovah, izay tonga tamin'i Zefania, zanak'i Kosy, zanak'i Gedalia, zanak'i Amaria, zanak'i Hezekia, tamin'ny andro nanjakan'i Josia, zanak'i Amona, mpanjakan'ny Joda. La Bible en Malgache Ny tenin’NY TOMPO izay tonga tamin’i Zefania, zanak’i Kosy, zanak’i Gedalia, zanak’i Amaria, zanak’i Hezekia, tamin’ny andron’i Josia, zanak’i Amona mpanjakan’ny Joda: |
Rehefa lasa nodimandry any amin’ny razany i Manase, dia nalevina tao an-jaridainan’ny lapa na koa «Zaridainan’i Hozà»; ary i Amôna zanany lahy no nanjaka nandimby azy.
Dia nalevina tao amin’ny fasany tao an-jaridainan’i Hozà izy; ary i Jôsià zanany lahy no nanjaka handimby azy.
Rehefa lasa nodimandry any amin’ny razany kosa i Manase, dia nalevina tao amin’ny sahany. Ary i Amôna zanany lahy no nanjaka nandimby azy.
Nampitondrain’ny TOMPO an’i Jeremià ireo hafatra ireo, nanomboka ny taona faha-13 nanjakan’i Jôsià, zanakalahin’i Amôna sady mpanjakan’i Joda,
Eny, izao no lazain’ny TOMPO ny amin’i Salòma mpanjakan’i Joda izay nandimby an’i Jôsià rainy ary vao nandao ity toerana ity: «Tsy hiverina intsony izy.
«Manomboka amin’ny taona faha-13 nanjakan’i Jôsià, zanakalahin’i Amôna sady mpanjakan’i Joda, ka mandraka androany, izany hoe efa 23 taona izao, no nanambarako sy namerimberenako taminareo ny hafatra nampitondrain’ny TOMPO ahy, nefa tsy nihaino ianareo.
Ny teny izay nampitain’ny TOMPO tamin’i Hôsea zanakalahin’i Beerỳ tamin’ny andron’i Hozià sy i Jôtama sy i Ahaza ary i Hezekià mpanjakan’i Joda, sy tamin’ny andron’i Jerôbohama zanakalahin’i Jôasy sady mpanjakan’i Israely.
Ny Soratra Masina rehetra dia nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra sady mahasoa hampianarana ny marina, hendresen-dahatra, hanitsiana ny diso, hanabeazana ho tia rariny,
Ary mafy orina kokoa ho antsika ny tenin’ireo mpaminanin’Andriamanitra; ka tsara raha ifantohanareo izany toy ny ifantohanareo amin’ny jiro mamiratra anaty toerana maizimaizina, mandra-pahazàvan’ny andro sy mandra-piposaky ny kintana fitarikandro ao am-ponareo.