Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Zakaria 1:12 - DIEM PROTESTANTA

Dia hoy ilay anjely hoe: «Ry TOMPOn’izao rehetra izao ô, indro fitopolo taona izao no nirehetan’ny fahatezeranao tamin’i Jerosalema sy tamin’ny tanàna hafa ao Joda. Mandra-pahoviana no mbola tsy hamindranao fo amin’izy ireo?»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary hoy ilay Anjelin’NY TOMPO: E, ry Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao ô! Mandra-pahoviana no tsy hamindranao fo amin’i Jerosalema sy amin’ny tanànan’i Joda, izay efa notezeranao fitopolo taona izao?

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia hoy ilay anjely hoe: «Ry TOMPOn’izao rehetra izao ô, indro fitopolo taona izao no nirehetan’ny fahatezeranao tamin’i Jerosalema sy tamin’ny tanàna hafa ao Joda. Mandra-pahoviana no mbola tsy hamindranao fo amin’izy ireo?»

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Dia niteny ilay Anjelin’i Iaveh nanao hoe: Ry Iavehn’ny tafika ô, mandra-pahoviana Ianao no tsy hamindra fo amin’i Jerosalema sy ny tanànan’i Jodà, izay itezeranao efa hatramin’ny fitopolo taona?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Ilay Anjelin’i Jehovah namaly hoe: He, Jehovah, Tompon’ny maro ô! mandra-pahoviana no tsy hamindranao fo amin’i Jerosalema sy amin’ny tanànan’ny Joda, izay efa nahatezitra Anao fito-polo taona izay.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Ilay Anjelin'i Jehovah namaly hoe: He, Jehovah, Tompon'ny maro ô! mandra-pahoviana no tsy hamindranao fo amin'i Jerosalema sy amin'ny tanànan'ny Joda, izay efa nahatezitra Anao fito-polo taona izay.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary hoy ilay Anjelin’NY TOMPO: E, ry Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao ô! Mandra-pahoviana no tsy hamindranao fo amin’i Jerosalema sy amin’ny tanànan’i Joda, izay efa notezeranao fitopolo taona izao?

Jereo ny toko



Zakaria 1:12
24 Rohy Ifampitohizana  

Izany no nahatanterahan’ny teny nampilazain’ny TOMPO an’i Jeremià hoe: «Ity tany ity dia hilaozana mandritra ny fitopolo taona, mandra-pahatapitra ny fe-potoana tokony hitsaharany mba ho onitry ny andro fitsaharana rehetra izay tsy voatandrina.»


Lavenona no toy ny sakafo hohaniko, haroiko ranomaso ny zavatra sotroiko.


Ianao kosa, TOMPO ô, manjaka mandrakizay ary maharitra hatrany hatrany ny lazanao.


Ireo mpankahala ahy tsy amin’antony dia maro kokoa noho ny volon-dohako; mahery ireo mitady hahafaty ahy, dia ireo mpandrafy ahy tsy an-drariny. Zavatra izay tsy nalaiko no indro asainy averiko.


Andriamanitra ô, mandra-pahoviana no hiteny ratsy Anao ny mpandrafy anay? Ary moa ny fahavalonay ve dia tsy hitsahatra hanamavo Anao?


TOMPO ô, mandra-pahoviana izahay no hitananao ny fahatezeranao sy ity fahasarotam-piaronao izay mandoro tahaka ny afo?


misy fotoana amonoana ary misy fotoana itsaboana; misy fotoana andravana ary misy fotoana ananganana.


Tezitra mafy tamin’ny vahoakako Aho, ka navelako hovetavetaina ilay anjara fananako. Natolotro teo an-tananao izy, kanefa tsy mba namindranao fo fa nampitondrainao zioga mavesatra hatramin’ny be antitra aza.


tamin’ny fahoriana rehetra nanjo azy. Tsy solotena na anjely no namonjy azy fa ny tenan’ny Tompo mihitsy. Ny fitiavany sy indrafony no nanavotany azy, ka nivimbinany azy sy nitondrany azy nandritra ny androny rehetra fahiny.


Mandra-pahoviana no hisaona ny tany ary ho maina ny ahitra eny an-tsaha rehetra eny? Ringana avokoa ny biby sy ny voromanidina noho ny faharatsian’ny mponina eo amin’ny tany, satria hoy izy hoe: «Tsy mahita izay ataontsika Andriamanitra.»


Tsy nipetraka hamalifaly ny tenako teo amin’ny fivorian’ny mpikorana aho, fa noteren’ny herinao hitoetra irery satria nofenoinao ny fahatezeranao.


«Izao koa no lazain’ny TOMPO: ‹Rehefa naharitra fitopolo taona ny fanjakan’i Babilôna, dia hirotsaka an-tsehatra Aho noho ny aminareo; ka hotanterahiko ny soa nampantenaiko anareo: haveriko eto Jerosalema ianareo.


Izao no lazain’ny TOMPO: Indro hovako ny anjaranareo, ry fianakavian’i Israely ka hiantrako ny tokantranonareo. Haorina indray eo amin’ny havoany. ireo tanàn-dehibe tsirairay avy ary eo amin’ny toerany taloha ireo trano tsara tarehy.


Ary ny anankiray tamin’ireo no niteny tamin’ilay lehilahy nitafy rongony fotsy teo ambonin’ny ranon’ny ony ka nanao hoe: ‹Rahoviana no hifarana ireo zava-mahagaga ireo?›


izaho Daniela dia nandinika tao amin’ireo boky masina ny hevitr’izay efa nambaran’ny Tompo tamin’i Jeremià mpaminany, dia momba ny fitopolo taona haharetan’ny faharavàn’i Jerosalema.


Mandra-pahoviana, TOMPO ô, no hiantsoako vonjy aminao nefa tsy henoinao aho? Mandra-pahoviana tokoa re no hitarainako ny amin’ny herisetra nefa tsy vonjenao izahay?


Alina no nahitako fa indro nisy lehilahy mitaingin-tsoavaly mena ka nijanona teo anivon’ny hazo mirta teny an-dohasaha lalina; ary teo aoriany nisy soavaly mena sy sadamena ary fotsy sy mainty.


nampitondra ahy ny valin-teniny ho an’ny mpisorona sy ho an’ny mponina rehetra teo amin’ny tany nanao hoe: «Hatramin’izay fitopolo taona izay, raha nifady hanina sy nitomany tamin’ny volana fahadimy sy fahafito ianareo, moa ho Ahy va no nanaovanareo izany?


Noho izany, dia mahavonjy tanteraka ireo manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany Izy, satria velona mandrakizay mba hangataka amin’Andriamanitra ho azy ireo.


Ary niantso tamin’ny feo mahery izy rehetra nanao hoe: «Ry Tompo masina sy marina ô, rahoviana no hotsarainao ny mponina eny ambonin’ny tany ka hovalianao ny ranay nalatsany?»