Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 9:12 - DIEM PROTESTANTA

Tsy hasiany sisa ho tra-maraina izany, ary tsy hotapahiny ny taolany; araka ny lalàna rehetra momba ny Paska no hankalazany izany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Aza avela hasiany sisa ho tra-maraina, ary aza avela hisy hotapahiny ny taolany; araka ny lalàna rehetra ny amin’ny Paska ihany koa no hitandremany azy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Tsy hasiany sisa ho tra-maraina izany, ary tsy hotapahiny ny taolany; araka ny lalàna rehetra momba ny Paska no hankalazany izany.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Tsy hamelany hisy tra-maraina izy, ary tsy hotapahiny ny taolany. Ho araka ny fitsipika rehetra momba ny Paka no hankalazany azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Aza avela hasiany sisa ho tra-maraina, ary aza avela hisy hotapahiny ny taolany; araka ny lalàna rehetra ny amin’ny Paska ihany koa no hitandremany azy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Aza avela hasiany sisa ho tra-maraina, ary aza avela hisy hotapahiny ny taolany; araka ny lalàna rehetra ny amin'ny Paska ihany koa no hitandremany azy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Aza avela hasiany sisa ho tra-maraina, ary aza avela hisy hotapahiny ny taolany; araka ny lalàna rehetra ny amin’ny Paska ihany koa no hitandremany azy.

Jereo ny toko



Nomery 9:12
7 Rohy Ifampitohizana  

Aza asiana sisa ho tra-maraina; fa raha misy sisa tavela, dia dory amin’ny afo.


Ary hoy koa ny TOMPO tamin’i Mosesy sy i Aharôna: –Izao no fepetra momba ny fetin’ny Paska: «Tsy misy vahiny mahazo mihinana amin’ny sakafo.


«Ao an-trano iray ihany no hihinana ny hena fa tsy azo avoaka any ivelany. «Tsy hisy hotapahinareo ny taolan’ilay biby.


Atsatsiho amin’ny afo ny hena, ary hano amin’io alina io miaraka amin’ny mofo tsy misy leviora sy ny anamafaitra.


Nandritra ny dia rehetra nataon’ny Israelita, dia nandrakotra ny fonena-masina ilay rahona nony antoandro ary nisy afo mazava teo aminy nony alina; izany no nanehoan’ny TOMPO fa teo anatrehan’ny Israelita rehetra hatrany Izy.


dia ny harivan’ny andro faha-14 amin’ity volana ity no hankalazanareo azy, araka ny lalàna sy ny fanao rehetra momba azy.


Eny, tonga izany mba hahatanteraka ny Soratra Masina hoe: «Tsy hisy hotapahina ny taolany.»