Indro efa nofidiko tamin’ny Israelita ny Levita mpiray foko aminareo; koa dia Ahy TOMPO izy ireo ka hatolotro anareo mba hanao ny fanompoana ao amin’ny Tranolay fihaonana.
Nomery 8:13 - DIEM PROTESTANTA Ajoroy eo anatrehan’i Aharôna sy ny zanany ny Levita, ka ataovy toy ny fanatitra ahevaheva atolotra AHY. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ampijoroy eo anatrehan’i Arona sy ireo zanany ny levita ka ataovy fanatitra asandratra ho an’NY TOMPO izy ireo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ajoroy eo anatrehan’i Aharôna sy ny zanany ny Levita, ka ataovy toy ny fanatitra ahevaheva atolotra AHY. Baiboly Katolika Dia asaovy mijoro eo anatrehan’i Aarôna sy ny zanany ny Levita, ka atolory ho fanatitra ahevaheva ho an’i Iaveh. Baiboly Protestanta Malagasy Ary apetraho eo anatrehan’i Arona sy ny zanany ny Levita, ka atero ho fanatitra ahevaheva ho an’i Jehovah izy. Malagasy Bible Ary apetraho eo anatrehan'i Arona sy ny zanany ny Levita, ka atero ho fanatitra ahevaheva ho an'i Jehovah izy. La Bible en Malgache Ary ampijoroy eo anatrehan’i Arona sy ireo zanany ny levita ka ataovy fanatitra asandratra ho an’NY TOMPO izy ireo. |
Indro efa nofidiko tamin’ny Israelita ny Levita mpiray foko aminareo; koa dia Ahy TOMPO izy ireo ka hatolotro anareo mba hanao ny fanompoana ao amin’ny Tranolay fihaonana.
Hanolotra ny Levita eo anatrehako i Aharôna ho toy ny fanatitra ahevaheva, mba hanao ny asa fanompoana AHY.
Dia hametra-tanana amin’ny lohan’ny vantotr’ombilahy roa ny Levita, ka ny iray hataonao sorona fanalana ny ota ary ny iray ho sorona dorana manontolo ho Ahy TOMPO, alohan’ny hanaovana amin’ny Levita ny fombam-pivavahana famelan-keloka.
Nandio ny tenany ary nanasa ny fitafiany ny Levita ka naterin’i Aharôna ho toy ny fanatitra ahevaheva atolotra ny TOMPO izy ireo sady nanaovany ny fombam-pivavahana famelan-keloka mba hanadiovany azy ireo.
Ry havana, satria efa nanehoan’Andriamanitra ny hatsaram-pony isika, dia manainga anareo aho, mba samy hanolotra ny tenanareo ho sorona velona, voatokana ho an’Andriamanitra sady ankasitrahany. Izany no fanompoam-pivavahana tokony hataonareo.
fa izaho dia natokan’Andriamanitra ho mpanompon’i Kristy Jesoa eo amin’ny hafa firenena. Manatontosa fanompoana toy ny mpisorona aho, amin’ny itoriako ny Vaovao mahafaly avy amin’Andriamanitra, mba ho zary fanatitra ankasitrahin’Andriamanitra ireo hafa firenena, rehefa voatokana ho azy noho ny asan’ny Fanahy Masina.