Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 8:21 - DIEM PROTESTANTA

21 Nandio ny tenany ary nanasa ny fitafiany ny Levita ka naterin’i Aharôna ho toy ny fanatitra ahevaheva atolotra ny TOMPO izy ireo sady nanaovany ny fombam-pivavahana famelan-keloka mba hanadiovany azy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

21 Dia nanadio ny tenany ny levita sady nosasany ny fitafiany; ary i Arona dia nanao azy ireo ho fanatitra asandratra eo anatrehan’NY TOMPO sady nanao fanavotana hanadiovana azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

21 Nandio ny tenany ary nanasa ny fitafiany ny Levita ka naterin’i Aharôna ho toy ny fanatitra ahevaheva atolotra ny TOMPO izy ireo sady nanaovany ny fombam-pivavahana famelan-keloka mba hanadiovany azy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

21 Nandio tena sy nanasa ny fitafiany ny Levita, ary i Aarôna nanolotra azy ho fanatitra ahevaheva teo anatrehan’i Iaveh sy nanao ny fanonerana ho azy ireo, mba hanadio azy;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

21 Dia nodiovin’ny Levita ny tenany ho afaka ota, ary nosasany ny fitafiany; ary Arona nanatitra azy ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’i Jehovah sady nanao fanavotana ho azy hanadiovana azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

21 Dia nodiovin'ny Levita ny tenany ho afaka ota, ary nosasany ny fitafiany; ary Arona nanatitra azy ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah sady nanao fanavotana ho azy hanadiovana azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

21 Dia nanadio ny tenany ny levita sady nosasany ny fitafiany; ary i Arona dia nanao azy ireo ho fanatitra asandratra eo anatrehan’NY TOMPO sady nanao fanavotana hanadiovana azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 8:21
10 Rohy Ifampitohizana  

Hoy indray ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Miverena any amin’ny vahoaka, ka ilazao izy mba hanoman-tena anio sy rahampitso; ary ampanasao azy koa ny fitafiany.


Ny mpisorona, izay mitarika ny fombam-pivavahana fidiovana, dia hametraka ilay olona sy ireo zavatra ireo eo anatrehan’ny TOMPO, izany hoe eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana.


Amin’ny andro fahatelo sy fahafito izy no hanadio ny tenany amin’ny rano fanadiovana, dia hadio; fa raha tsy manadio ny tenany amin’ny andro fahatelo sy fahafito kosa izy, dia tsy hadio.


Hofafazan-drano toy izany ilay olona maloto amin’ny andro fahatelo sy fahafito, ka hadio amin’ny otany izy amin’ny andro fahafito. Hanasa ny fitafiany sy hampandro ny tenany izy aorian’izany, dia hadio rehefa hariva.


–Indro Aho efa nifidy ny Levita tamin’ny Israelita rehetra ho solon’ny lahimatoa rehetra voalohan-teraka aminy; koa dia Ahy ny Levita,


Rehefa afaka izany, dia hiroso ny asa fanompoana ao amin’ny Tranolay fihaonana ny Levita. «Hodiovina sy hataonao ho toy ny fanatitra ahevaheva voatolotra ho Ahy àry ny Levita,


Dia notanterahin’i Mosesy sy i Aharôna mbamin’ny Fiangonan’ny Israelita rehetra tamin’ny Levita izany; dia araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy ny amin’ny Levita no nataon’ny Israelita taminy.


Rehefa izany vao afaka nandeha nanao ny asa fanompoany tao amin’ny Tranolay fihaonana teo anatrehan’i Aharôna sy ny zanany ny Levita. Araka izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy momba ny Levita no natao taminy.


Izao no hataonao hanadiovana azy: fafazo rano fanadiovana izy, asaovy haratany ny tenany iray manontolo ary aoka hosasany ny fitafiany, dia hadio izy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra