Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 8:20 - DIEM PROTESTANTA

20 Dia notanterahin’i Mosesy sy i Aharôna mbamin’ny Fiangonan’ny Israelita rehetra tamin’ny Levita izany; dia araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy ny amin’ny Levita no nataon’ny Israelita taminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

20 Ary i Mosesy sy i Arona mbamin’ny fiangonan’ny Zanak’Israely manontolo dia nanatanteraka tamin’ny levita izay rehetra nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy ny amin’ny levita. Araka izany no nataon’ny Zanak’Israely taminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

20 Dia notanterahin’i Mosesy sy i Aharôna mbamin’ny Fiangonan’ny Israelita rehetra tamin’ny Levita izany; dia araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy ny amin’ny Levita no nataon’ny Israelita taminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

20 Dia nataon’i Môizy sy i Aarôna mbamin’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra tamin’ny Levita, izay rehetra nandidian’i Iaveh an’i Môizy momba ny Levita; izany no nataon’ny zanak’i Israely tamin’izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

20 Dia nataon’i Mosesy sy Arona mbamin’ny fiangonana, dia ny Zanak’Isiraely rehetra, tamin’ny Levita izany; araka izay rehetra efa nandidian’i Jehovah an’i Mosesy ny amin’ny Levita no nataon’ny Zanak’Isiraely taminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

20 Dia nataon'i Mosesy sy Arona mbamin'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, tamin'ny Levita izany; araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ny amin'ny Levita no nataon'ny Zanak'Isiraely taminy.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 8:20
7 Rohy Ifampitohizana  

Dia nanatanteraka araka izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy sy i Aharôna ny Israelita rehetra.


Fa ampiandraiketo azy kosa ny fitandremana ny Fonena-masina izay nametrahana ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana ary koa ny fanaka sy ny kojakoja rehetra momba azy. Ireo no hitondra ny Fonena-masina mbamin’ny fanaka rehetra momba azy sy hanao fanompoam-pivavahana ao aminy ary hitoby manodidina azy.


Notanterahin’ny Israelita avokoa izany, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.


Ary natolotro an’i Aharôna sy ny zanany ny Levita hisolo ny Israelita mba hanao ny fanompoana ao amin’ny Tranolay fihaonana sy hanao ny fombam-pivavahana famelan-keloka azy ireo; dia tsy hisy loza hanjo ny Israelita intsony raha manakaiky ny Toeramasina izy ireo.»


Nandio ny tenany ary nanasa ny fitafiany ny Levita ka naterin’i Aharôna ho toy ny fanatitra ahevaheva atolotra ny TOMPO izy ireo sady nanaovany ny fombam-pivavahana famelan-keloka mba hanadiovany azy ireo.


Eny, fa na mijanona maharitra roa andro na iray volana na ela noho izany eo ambonin’ny Fonena-masina aza ny rahona, dia mitoby hatrany ny Israelita fa tsy mandeha; rehefa miakatra ny rahona, vao izay izy no miainga.


dia nankalaza ny Paska tany an-taniefitr’i Sinay ireo ny harivan’ny andro faha-14 tamin’ny volana voalohany. Nataon’ny Israelita araka izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy izany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra