Nomery 8:12 - DIEM PROTESTANTA12 Dia hametra-tanana amin’ny lohan’ny vantotr’ombilahy roa ny Levita, ka ny iray hataonao sorona fanalana ny ota ary ny iray ho sorona dorana manontolo ho Ahy TOMPO, alohan’ny hanaovana amin’ny Levita ny fombam-pivavahana famelan-keloka. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201112 Ary hametraka ny tanany amin’ny lohan’ireo vantotra ombilahy ny levita; dia atolory ny iray ho fanatitra noho ny ota, ary ny iray kosa ho fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO, hanaovana fanavotana ho an’ny levita. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara12 Dia hametra-tanana amin’ny lohan’ny vantotr’ombilahy roa ny Levita, ka ny iray hataonao sorona fanalana ny ota ary ny iray ho sorona dorana manontolo ho Ahy TOMPO, alohan’ny hanaovana amin’ny Levita ny fombam-pivavahana famelan-keloka. Jereo ny tokoBaiboly Katolika12 Ny Levita hametra-tanana amin’ny lohan’ny ombalahy, ka ny iray hatolotrao ho sorona noho ny ota, ary ny iray ho sorona dorana ho an’i Iaveh, mba hanaovana ny fanonerana ho an’ny Levita. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy12 Ary ny Levita hametraka ny tànany amin’ny lohan’ny vantotr’ombilahy roa; dia atero ny anankiray ho fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa ho fanatitra dorana ho an’i Jehovah, hanaovana fanavotana ho an’ny Levita. Jereo ny tokoMalagasy Bible12 Ary ny Levita hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny vantotr'ombilahy roa; dia atero ny anankiray ho fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah, hanaovana fanavotana ho an'ny Levita. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache12 Ary hametraka ny tanany amin’ny lohan’ireo vantotra ombilahy ny levita; dia atolory ny iray ho fanatitra noho ny ota, ary ny iray kosa ho fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO, hanaovana fanavotana ho an’ny levita. Jereo ny toko |
Hapetrany amin’ny lohan’io osilahy io ny tanany roa, ary hotanisainy eo amboniny avokoa ny heloka amam-pahadisoan’ny Israelita, araka ny fahotana rehetra vitany. Hatambesatr’i Aharôna amin’ilay osilahy ireo fahotana rehetra ireo; izay izy vao hampandroaka azy hankany an-taniefitra, hoentina lehilahy anankiray voatendry.
Hoesoriny avokoa ny tavin-kena rehetra toy ny fanesorana azy amin’ny ondry atao sorom-pihavanana; dia hodorany hanetona eo ambonin’ny alitara izany, miaraka amin’ny sorona levonina amin’ny afo mba ho an’ny TOMPO. Ary rehefa nataon’ny mpisorona tamin’ilay olona ny fombam-pivavahana famelana, dia voavela ny otany.
Novonoin’i Mosesy io ary nangalany ny ra ka notentenany tamin’ny fanondro ny tandroky ny alitara mba ho fanadiovana ny alitara manontolo; ary ny ra sisa dia naidiny teo am-pototry ny alitara: toy izany no nanokanan’i Mosesy ny alitara mba hahazoana manao fombam-pivavahana famelan-keloka eo amboniny.
Avy eo i Mosesy nilaza tamin’i Aharôna hoe: –Manatona ny alitara, dia atolory ny anao ny sorona fanalana ny ota sy ny sorona dorana manontolo, ka ataovy ny fombam-pivavahana famelan-keloka ho an’ny tenanao sy ho an’ny vahoaka: atolory koa ny soron’ny vahoaka ary anaovy ny fombam-pivavahana famelan-keloka izy, araka izay nandidian’ny TOMPO.