Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 8:11 - DIEM PROTESTANTA

11 Hanolotra ny Levita eo anatrehako i Aharôna ho toy ny fanatitra ahevaheva, mba hanao ny asa fanompoana AHY.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 ary i Arona dia hanao ny levita ho fanatitra asandratra eo anatrehan’NY TOMPO avy amin’ny Zanak’Israely, mba hanaovan’izy ireo ny fanompoana NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Hanolotra ny Levita eo anatrehako i Aharôna ho toy ny fanatitra ahevaheva, mba hanao ny asa fanompoana AHY.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 I Aarôna hanolotra ny Levita ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’i Iaveh, avy amin’ny zanak’i Israely, mba ho voatokana hanao ny fanompoan’i Iaveh izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 ary Arona dia hanatitra ny Levita eo anatrehan’i Jehovah ho fanatitra ahevaheva avy amin’ny Zanak’Isiraely, mba hanao ny fanompoana an’i Jehovah izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 ary Arona dia hanatitra ny Levita eo anatrehan'i Jehovah ho fanatitra ahevaheva avy amin'ny Zanak'Isiraely, mba hanao ny fanompoana an'i Jehovah izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 ary i Arona dia hanao ny levita ho fanatitra asandratra eo anatrehan’NY TOMPO avy amin’ny Zanak’Israely, mba hanaovan’izy ireo ny fanompoana NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 8:11
9 Rohy Ifampitohizana  

Hapetrakao eo am-pelatanan’i Aharôna sy ny zanany ireo, ka hasainao ahevahevany eo anatrehako ho fanatitra ahevaheva.


Ny tanany ihany no hitondra ny zavatra holevonina amin’ny afo ho an’ny TOMPO, dia ny tavin-kenan’ilay biby mbamin’ny tratrany; ka io tratrany io dia hahevaheva eo anatrehan’ny TOMPO no fomba fanolotra azy.


satria alain’ny TOMPO avy amin’ny sorom-pihavanan’ny Israelita ny tratrany nahevaheva sy ny feny navahana, ka nomeny an’i Aharôna sy ireo taranany, mba ho anjara raikitra ho azy hatrany hatrany avy amin’ny Israelita.»


Dia napetrak’i Mosesy teo an-tanan’i Aharôna sy ny zanany ireo rehetra ireo ary nasainy hatolony amin’ny TOMPO ka hahevaheva eo anatrehany no fomba fanolotra azy.


Dia nalain’i Mosesy koa ny tratran’ilay ondrilahy ary natolony tamin’ny TOMPO ka nahevahevany teo anatrehany no fomba fanolotra azy: anjaran’i Mosesy, avy amin’ilay ondrilahy nanaovana ny sorona fanokanana, io tratran-kena io araka izay efa nandidian’ny TOMPO azy.


Dia hasehon’ny mpisorona amin’ny TOMPO ireo sady hahevahevany ho fanolorana azy; zava-masina miverina amin’ny mpisorona ihany izany, fanampin’ny tratra nahevahevany sy ny fen’ondry navahany. Rehefa izany vao mahazo misotro divay indray ilay nazirita afa-boady.


Tamin’izay ny fokon’i Levỳ no natokan’ny TOMPO hanao ireto raharaha ireto: hitondra ny vata mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO; hitoetra eo anatrehan’ny TOMPO; hanao fanompoam-pivavahana aminy; hanome tsodrano amin’ny anarany. Mbola ataon’ny levîta ireo raharaha ireo mandraka androany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra