«Hisy koa fitoeran-jiro volamena madio hamboarina; voasana no hanaovana azy, ka ny faladiany sy ny tahony, ny raviny sy ny bokony ary ny voniny dia hitambatra ho tena iray ihany.
Nomery 4:10 - DIEM PROTESTANTA Hataony ao anaty saronan-koditra mafy izany ka hapetrany amin’ny filanjana azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ireo sy ny fanaka rehetra momba azy dia hataony ao anatin’ny sarona hoditra trozona ka hapetrany eo ambonin’ny filanjana azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hataony ao anaty saronan-koditra mafy izany ka hapetrany amin’ny filanjana azy. Baiboly Katolika ary hataony ao anatin’ny firakotra hodi-dogaona izy mbamin’ny fanaka rehetra momba azy, vao hapetrany eo ambonin’ny filanjana izy. Baiboly Protestanta Malagasy ary ireo sy ny fanaka rehetra momba azy dia hataony eo anatin’ny sarona hodi-takasy ka hatainginy eo ambonin’ny filanjana azy. Malagasy Bible ary ireo sy ny fanaka rehetra momba azy dia hataony ao anatin'ny sarona hodi-takasy ka hatainginy eo ambonin'ny filanjana azy. La Bible en Malgache ireo sy ny fanaka rehetra momba azy dia hataony ao anatin’ny sarona hoditra trozona ka hapetrany eo ambonin’ny filanjana azy. |
«Hisy koa fitoeran-jiro volamena madio hamboarina; voasana no hanaovana azy, ka ny faladiany sy ny tahony, ny raviny sy ny bokony ary ny voniny dia hitambatra ho tena iray ihany.
Hamelatra lamba volomparasy eo amin’ny alitara volamena izy, ka handrakotra izany amin’ny lamba hoditra mafy, ary izay vao hapetrany ny bao.
Haka ny fanaka litorjika rehetra fampiasa amin’ny fanompoam-pivavahana ao amin’ny Toeramasina izy, ka hofonosiny lamba volomparasy sady horakofany lamba hoditra mafy, ary dia hapetrany amin’ny filanjana azy.
hasiany lamba hoditra manify eo ambonin’izany, dia hamelarany lamba volomparasy indray eo ambonin’io, vao hapetrany ny bao filanjana azy.
Haka lamba volomparasy izy handrakofany ny fitoeran-jiro mbamin’ny jiro sy ny kojakojany rehetra: dia ny hetin-jiro sy ny fitoeran-davenona ary ny tavoaran-diloilo.