Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 3:3 - DIEM PROTESTANTA

Ireo no anaran’ny zanakalahin’i Aharôna izay samy mpisorona voahosotra sy voatokana hanao ny fisoronana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ireo no anaran’ny zanakalahin’i Arona, dia ny mpisorona voahosotra, izay natokana hanao fisoronana.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ireo no anaran’ny zanakalahin’i Aharôna izay samy mpisorona voahosotra sy voatokana hanao ny fisoronana.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ireo no anaran’ny zanak’i Aarôna, dia ireo mpisorona nandray ny fanosorana, voatokana hanao ny fisoronana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ireo no anaran’ny zanakalahin’i Arona, dia ny mpisorona voahosotra, izay natokana hanao fisoronana.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ireo no anaran'ny zanakalahin'i Arona, dia ny mpisorona voahosotra, izay natokana hanao fisoronana.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ireo no anaran’ny zanakalahin’i Arona, dia ny mpisorona voahosotra, izay natokana hanao fisoronana.

Jereo ny toko



Nomery 3:3
10 Rohy Ifampitohizana  

Natsitokotokon’i Davida koa ny levita, araka ny ifandraisany amin’ireo zanakalahin’i Levỳ: dia i Gersôna sy i Kehata ary i Merarỳ.


«Ry Mosesy, hampiakanjoinao ireo fanamiana ireo i Aharôna zokinao sy ny zanany lahy ary hohosoranao diloilo ny lohany, dia hapetrakao amin’ny toerany izy; toy izany no hanokananao azy hanompo Ahy amin’ny maha mpisorona azy.


Avy eo dia hampiakanjoinao an’i Aharôna ireo fanamiana voatokana, ka hohosoranao ilomasina izy mba ho voatokana ho mpisorona ho Ahy.


dia hohosoranao ilomasina toa an-drainy izy mba hanompo Ahy amin’ny maha mpisorona azy. Noho izany hosotra izany, dia ho voatokana ho mpisorona raikitra ho Ahy izy sy ny taranany mifandimby.»


Ary nandrotsahany menaka fanosorana teo amin’ny lohan’i Aharôna; ka nohosorany i Aharôna mba ho voatokana ho an’Andriamanitra.


Ary nangalan’i Mosesy ny menaka fanosorana sy ny ra izay teo ambonin’ny alitara, dia nafafiny tamin’i Aharôna sy ny zanany ary koa tamin’ny fanamiany ka samy voatokana ho an’Andriamanitra i Aharôna sy ny zanany mbamin’ny fanamiany.


Maty teo anatrehan’ny TOMPO anefa i Nadaba sy Abihò fony nandoro vovo-javamanitra tsy sahaza Azy tany an-taniefitr’i Sinay. Samy tsy niteraka izy mirahalahy, koa dia i Elehazara sy i Itamara ihany no sisa nanao ny fisoronana teo anatrehan’i Aharôna rainy.


Olona zoim-pahalemena no voatendrin’ny lalànan’i Mosesy ho mpisorombe; fa ny teny ombàm-pianianana, izay notononin’Andriamanitra tatỳ aorian’ny lalàna, no nanendry ny Zanany ho Mpisorombe, dia ilay Zanany efa tonga amin’ny fanaperana mandrakizay.