Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 8:12 - DIEM PROTESTANTA

12 Ary nandrotsahany menaka fanosorana teo amin’ny lohan’i Aharôna; ka nohosorany i Aharôna mba ho voatokana ho an’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Nandrarahany teo amin’ny lohan’i Arona avy eo ny diloilo fanosorana ka nanosotra azy izy mba hanamasinana azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Ary nandrotsahany menaka fanosorana teo amin’ny lohan’i Aharôna; ka nohosorany i Aharôna mba ho voatokana ho an’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 Dia norotsahany diloilo fanosorana ny lohan’i Aarôna, ka nohosorana izy, mba hahamasina azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Ary nanidinany teo amin’ny lohan’i Arona ny diloilo fanosorana, ka nanosotra azy izy hahamasina azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Ary nanidinany teo amin'ny lohan'i Arona ny diloilo fanosorana, ka nanosotra azy izy hahamasina azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

12 Nandrarahany teo amin’ny lohan’i Arona avy eo ny diloilo fanosorana ka nanosotra azy izy mba hanamasinana azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 8:12
9 Rohy Ifampitohizana  

Toy ny ilomanitra mby an-dohan’olona nasaina ka mitsororoka hatreny amin’ny somotra. Toy ny somotr’i Aharôna mpisorombe ka midina hatreny amin’ny vozon’akanjony.


«Ry Mosesy, hampiakanjoinao ireo fanamiana ireo i Aharôna zokinao sy ny zanany lahy ary hohosoranao diloilo ny lohany, dia hapetrakao amin’ny toerany izy; toy izany no hanokananao azy hanompo Ahy amin’ny maha mpisorona azy.


Dia alao ny ilomasina fanokanana ka araraho eo an-dohany, ary atokany izy.


Horarahanao ilomasina koa i Aharôna sy ny zanany lahy ho fanokanana azy mba hanompo Ahy amin’ny maha mpisorona.


Ianareo kosa aza miala eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana, fandrao maty ianareo; satria voatokana ho an’ny TOMPO ianareo noho ny menaka nanosorana anareo. Dia nanao araka ny tenin’i Mosesy izy telo mianaka.


«Rehefa ilay mpisorombe no manota, dia mahameloka ny vahoaka rehetra izy; ka noho ny ota vitany, dia ombilahy tsy misy kilema no aoka hatolony amin’ny TOMPO mba ho sorona fanalana ny ota.


Nodidian’ny TOMPO mihitsy izany mba homen’ny Israelita azy ireo, manomboka amin’ny andro nanokanana azy ho mpisorona.


Ary nangalan’i Mosesy ny menaka fanosorana sy ny ra izay teo ambonin’ny alitara, dia nafafiny tamin’i Aharôna sy ny zanany ary koa tamin’ny fanamiany ka samy voatokana ho an’Andriamanitra i Aharôna sy ny zanany mbamin’ny fanamiany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra