Taorian’ny safo-drano dia niteraka zanakalahy maro i Sema sy i Hama ary i Jafeta zanak’i Noà. Ireto no lisitry ny taranany:
Nomery 3:1 - DIEM PROTESTANTA Ireto avy ny taranak’i Aharôna sy i Mosesy tamin’ny andro nitenenan’ny TOMPO tamin’i Mosesy teo an-tendrombohitra Sinay. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izao no taranak’i Arona sy i Mosesy tamin’ny andro nitenenan’NY TOMPO tamin’i Mosesy teo amin’ny tendrombohitra Sinay. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ireto avy ny taranak’i Aharôna sy i Mosesy tamin’ny andro nitenenan’ny TOMPO tamin’i Mosesy teo an-tendrombohitra Sinay. Baiboly Katolika Izao no taranak’i Arôna sy i Môizy, tamin’ny andro nitenenan’i Iaveh tamin’i Môizy, teny an-tendrombohitra Sinaia. Baiboly Protestanta Malagasy ARY izao no taranak’i Arona sy Mosesy tamin’ny andro nitenenan’i Jehovah tamin’i Mosesy teo an-tendrombohitra Sinay. Malagasy Bible Ary izao no taranak'i Arona sy Mosesy tamin'ny andro nitenenan'i Jehovah tamin'i Mosesy teo an-tendrombohitra Sinay. La Bible en Malgache Izao no taranak’i Arona sy i Mosesy tamin’ny andro nitenenan’NY TOMPO tamin’i Mosesy teo amin’ny tendrombohitra Sinay. |
Taorian’ny safo-drano dia niteraka zanakalahy maro i Sema sy i Hama ary i Jafeta zanak’i Noà. Ireto no lisitry ny taranany:
Izany no tantaran’ny lanitra sy ny tany tamin’ny naharian’Andriamanitra azy. Fony nanao ny tany sy ny lanitra ny TOMPO Andriamanitra,
Ity no lisitry ny taranak’i Adama: Tamin’ny andro naharian’Andriamanitra ny olombelona, dia nataon’Andriamanitra manahaka Azy ny olombelona.
Ary ireto kosa no anaran’ny taranak’i Levỳ, tao amin’ny taranaka maro nifandimby: Telo no zanakalahin’i Levỳ, dia i Gersôna sy i Kehata ary i Merarỳ. Naharitra fito amby telopolo amby zato taona ny andro niainan’i Levỳ.
I Hamrana dia nanambady an’i Jôkebeda anabavin-drainy ka niteraka an’i Aharôna sy i Mosesy. Naharitra fito amby telopolo amby zato taona ny andro niainan’i Hamrama.
Koa nandeha niteny tany amin’ny Farao, mpanjakan’i Ejipta, i Mosesy sy i Aharôna mba handefasany ny Israelita hiala amin’ny taniny.
Ireo no didy nampitain’ny TOMPO tamin’i Mosesy ho an’ny Israelita, teo an-tendrombohitra Sinay.
Notanterahin’ny Israelita izany, araka ny nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy; ka araka ny fanevany avy no nitobiany ary araka ny foko sy ny tarika nisy azy avy no niaingany.
Fitanisana ny razan’i Jesoa Kristy, taranak’i Davida, dia i Davida taranak’i Abrahama.