Tao amin’ny tany iray manontolo dia tsy nisy vehivavy tsara tarehy tahaka ireo zanakavavin’i Jôba. Ary samy nomen-drainy ny anjara lovany tahaka ireo anadahiny avy izy.
Nomery 27:7 - DIEM PROTESTANTA –Marina ny an’ireo zanakavavin’i Tselôfehada, koa omeo zaratany ho fananany tahaka ireo rahalahin-drainy tokoa izy ka afindrao aminy ny anjaran-drainy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Marina ny tenin’ny zanakavavin’i Zelofada: Omeo zaratany eo amin’ny rahalahin-drainy tokoa izy; dia ampandovay ny zaratanin’ny rainy izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara –Marina ny an’ireo zanakavavin’i Tselôfehada, koa omeo zaratany ho fananany tahaka ireo rahalahin-drainy tokoa izy ka afindrao aminy ny anjaran-drainy. Baiboly Katolika «Zavatra araka ny rariny tsara ny nolazain’ny zanaka vavin’i Salfaada, ka omeo zaratany ho lovany eo amin’ny rahalahin-drainy izy, dia ny anjaran-drainy no atolory ho lovany. Baiboly Protestanta Malagasy Marina ny tenin’ny zanakavavin’i Zelofada: omeo zara-tany eo amin’ny rahalahin-drainy tokoa izy; dia ampandovay ny zara-tanin-drainy izy. Malagasy Bible Marina ny tenin'ny zanakavavin'i Zelofada: omeo zara-tany eo amin'ny rahalahin-drainy tokoa izy; dia ampandovay ny zara-tanin-drainy izy. La Bible en Malgache Marina ny tenin’ny zanakavavin’i Zelofada: Omeo zaratany eo amin’ny rahalahin-drainy tokoa izy; dia ampandovay ny zaratanin’ny rainy izy. |
Tao amin’ny tany iray manontolo dia tsy nisy vehivavy tsara tarehy tahaka ireo zanakavavin’i Jôba. Ary samy nomen-drainy ny anjara lovany tahaka ireo anadahiny avy izy.
Mihirà ho fanajana an’Andriamanitra, mankalazà ny anarany amin’ny salamo mba hanoman-dalana ho fandraisana an’ilay mpitaingin-drahona ho kalesy. Ny Tompo no anarany ka mifalia eo anoloany.
«Ankino amiko ny kambotinareo fa izaho no hamelona azy; ary mahazo matoky ahy ny mpitondratenanareo.»
Ary hiteny amin’ny Israelita ianao ka hanao hoe: Raha misy lehilahy maty ka tsy nanan-janakalahy, dia ny zanany vavy no hamindranareo ny zara taniny.
Dia nanome izao didy izao araka ny tenin’ny TOMPO i Mosesy ka nanao hoe: –Marina ny an’ireto taranak’i Jôsefa ireto.
Izao no teny izay nandidian’ny TOMPO momba ny zanakavavin’i Tselôfehada: aoka izy hanambady izay tiany, nefa lehilahy ao amin’ny tarika nisy an-drainy ihany no hovadîny.
Koa tsy misy intsony ny hoe Jiosy na hafa firenena, tsy misy intsony ny hoe mpanompo na tsy mpanompo, tsy misy intsony ny hoe lehilahy na vehivavy; fa olona iray ihany ianareo rehetra, noho ianareo tafaray amin’i Kristy Jesoa.
Nanatona an’i Elehazara mpisorona sy i Josoa zanakalahin’i Nona ary ireo loholom-bahoaka izy dimy mirahavavy ka nanao hoe: –Ny TOMPO efa nandidy an’i Mosesy mba hanome anay zaratany eo anivon’ireo lehilahy mpiray foko aminay. Dia nisy zaratany nomena azy teo anivon’ireo lehilahy mpiray foko aminy araka ny didin’ny TOMPO.