Tsy mba nitsena sakafo sy rano ny Israelita manko ry zareo, fa nanamby an’i Balahama hanozona azy; kanjo nampodîn’Andriamanitsika ho fitahiana kosa ny fanozonana.
Nomery 24:10 - DIEM PROTESTANTA Vinitra aoka izany tamin’i Balahama i Balàka ka niteha-tanana handrahona azy sady nanao taminy hoe: –Hanozona ny fahavaloko no niantsoako anao, kanefa fanintelony izao ianao no nitsodrano azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nirehitra tamin’i Balama ny fahatezeran’i Balaka ka niteha-tanana izy sady niteny tamin’i Balama hoe: Hanozona ny fahavaloko no niantsoako anao, kanefa dia efa nitsodrano azy intelo ianao izao! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Vinitra aoka izany tamin’i Balahama i Balàka ka niteha-tanana handrahona azy sady nanao taminy hoe: –Hanozona ny fahavaloko no niantsoako anao, kanefa fanintelony izao ianao no nitsodrano azy. Baiboly Katolika Dia nirehitra tamin’i Balaama ny fahatezeran’i Balàka, ka niteha-tanana izy; ary hoy i Balàka tamin’i Balaama hoe: «Ny hanozona ny fahavaloko no niantsoako anao, kanjo ny mitso-drano azy ihany kosa no nataonao efa intelo izao. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nirehitra tamin’i Balama ny fahatezeran’i Balaka, ka niteha-tànana izy; dia hoy izy tamin’i Balama: Hanozona ny fahavaloko no niantsoako anao, kanjo efa nitso-drano azy intelo hianao izao. Malagasy Bible Dia nirehitra tamin'i Balama ny fahatezeran'i Balaka, ka niteha-tanana izy; dia hoy izy tamin'i Balama: Hanozona ny fahavaloko no niantsoako anao, kanjo efa nitso-drano azy intelo ianao izao. La Bible en Malgache Dia nirehitra tamin’i Balama ny fahatezeran’i Balaka ka niteha-tanana izy sady niteny tamin’i Balama hoe: Hanozona ny fahavaloko no niantsoako anao, kanefa dia efa nitsodrano azy intelo ianao izao! |
Tsy mba nitsena sakafo sy rano ny Israelita manko ry zareo, fa nanamby an’i Balahama hanozona azy; kanjo nampodîn’Andriamanitsika ho fitahiana kosa ny fanozonana.
«Ry ilay taranak’olombelona, ijoroy ny maha-mpaminany anao ka ambarao amin’ny olona fa izao no lazain’ny TOMPO: ‹Indro misy sabatra, dia sabatra voaranitra sady mangirana!
Miantsoa vonjy ianao ary midradradradrà, ry ilay taranak’olombelona, satria izany sabatra izany dia mihatra amin’ny vahoakako; iharan’io sabatra io koa ny mpitondra rehetra eto Israely, ka ho ringan-tsabatra miaraka amin’ny vahoakako ireo. Koa aoka ianao handondon-tratra
«Koa indro Aho hamely mafy anareo, ry mponin’i Jerosalema, noho ireo harena nangoninareo tsy an-drariny sy ireo vonoan’olona nataonareo.
«Ilay vahoaka izay niala tany Ejipta dia mandrakotra ny taniko. Koa mba tongava atỳ re ianao, hanozona azy; angamba haharesy azy aho amin’izay ka haharoaka azy.»
Fa hitafotafo mihitsy ny voninahitra izay homeko anao, ary hataoko avokoa izay holazainao amiko rehetra. Koa mba tongava atỳ re ianao hanozona io vahoaka io.»
Koa mba tongava atỳ re ianao hanozona io vahoaka io, fa mahery noho izaho izy; angamba haharesy azy aho amin’izay ka haharoaka azy hiala amin’ny tany. Satria fantatro fa izay tsofinao rano dia voatsodrano ary izay ozoninao dia voaozona.»
Dia hoy i Balàka tamin’i Balahama: –Fa inona izao nataonao tamiko izao? Hanozona ny fahavaloko no nitondrako anao atỳ, kanefa dia ny nitsodrano azy indray no nataonao!
Noho izany, dia mandehana mody any amin’ny taninao any! Nampanantena aho ny hanome voninahitra mitafotafo anao, nefa indro ny TOMPO fa nisakana ny hahazoanao izany.
Mamita-mandry toy ny liona na tahakan’ny bibidia masiaka izy, koa zovy no sahy hanaitra azy? «Eny hotahîna anie izay hitsodrano anao, ry Israely, ary ho voaozona kosa anie izay hanozona anao!»
Kanefa ny TOMPO Andriamanitrareo tsy nety nihaino an’i Balahàma, fa nampody ny fanozonana ho fitahiana anareo IZY noho ny fitiavany anareo.