Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 22:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Koa mba tongava atỳ re ianao hanozona io vahoaka io, fa mahery noho izaho izy; angamba haharesy azy aho amin’izay ka haharoaka azy hiala amin’ny tany. Satria fantatro fa izay tsofinao rano dia voatsodrano ary izay ozoninao dia voaozona.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Koa ankehitriny, mba mankanesa atỳ ka ozòny io firenena io, fa mahery noho izaho izy; asa angamba mba hahazo hamely azy isika ka handroaka azy hiala amin’ny tany aho; satria fantatro fa izay tsofinao rano dia voatahy ary izay ozoninao dia voaozona.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Koa mba tongava atỳ re ianao hanozona io vahoaka io, fa mahery noho izaho izy; angamba haharesy azy aho amin’izay ka haharoaka azy hiala amin’ny tany. Satria fantatro fa izay tsofinao rano dia voatsodrano ary izay ozoninao dia voaozona.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Koa mihanta aminao aho, tongava atỳ amiko ianao, hanozona io vahoaka io fa mahery noho izaho izy; angamba izany no hahazoako mandresy azy sy mandroaka azy hiala amin’ny tany; satria fantatro fa izay tsofinao rano dia voatso-drano ary izay ozoninao dia voaozona.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 koa ankehitriny mba mankanesa atỳ, ka ozòny ho ahy ity firenena ity, fa mahery noho izaho izy; angamba hahazo mamely azy isika, ka handroaka azy hiala amin’ny tany aho; satria fantatro fa izay tsofinao rano dia voatahy, ary izay ozoninao dia voaozona.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 koa ankehitriny mba mankanesa atỳ, ka ozòny ho ahy ity firenena ity, fa mahery noho izaho izy; angamba hahazo mamely azy isika, ka handroaka azy hiala amin'ny tany aho; satria fantatro fa izay tsofinao rano dia voatahy, ary izay ozoninao dia voaozona.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

6 Koa ankehitriny, mba mankanesa atỳ ka ozòny io firenena io, fa mahery noho izaho izy; asa angamba mba hahazo hamely azy isika ka handroaka azy hiala amin’ny tany aho; satria fantatro fa izay tsofinao rano dia voatahy ary izay ozoninao dia voaozona.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 22:6
23 Rohy Ifampitohizana  

Hotahîko izay mitahy anao, fa hozoniko kosa izay manozona anao. Amin’ny alalanao no hitahiana ny firenena rehetra eran-tany.


Hanompo anao anie ireo firenena ary hiankohoka eo anatrehanao ny vahoaka maro! Ho tompon’ny rahalahinao anie ianao ka hiankohoka eo anoloanao ireo zanaky ny reninao! Ho voaozona anie izay manozona anao ary hohasoavina izay manisy soa anao!


Ilay iraka izay nandeha naka an’i Mikaià kosa dia niteny taminy hoe: –Indro efa iray teny avokoa izao ireo mpaminany, ka milaza soa ho an’ny mpanjaka; enga anie ny teninao mba ho tahaka ny azy, ka hilaza soa ihany koa.


Ary novorin’ny mpanjakan’i Israely ny mpaminaniny tokony ho efajato ka nanontaniany hoe: –Handeha hanafika an’i Ramôta-Gilehada ve aho, sa tsia? Dia novalian’ireo hoe: –Mandehana fa hatolotry ny Tompo eo an-tananao ny tanàna.


Dia novalian’ny mpanjakan’i Israely hoe: –Mbola misy lehilahy iray ahazoantsika manontany ny TOMPO ao, dia i Mikaià zanakalahin’i Jimlà; saingy halako izy, satria tsy mba maminany soa ho ahy fa loza hatrany. Ka hoy i Jôsafata: –Aza miteny izany ianao, ry mpanjaka.


Tsy mba nitsena sakafo sy rano ny Israelita manko ry zareo, fa nanamby an’i Balahama hanozona azy; kanjo nampodîn’Andriamanitsika ho fitahiana kosa ny fanozonana.


Izy manozona ahy, Ianao kosa mitsodrano; ka ny mpamely ahy ho menatra, izaho mpanomponao kosa hifaly.


Manidina tsy tafapetraka ny fody sy ny sindintsidina; toy izany koa ny fanozonam-poana: tsy mba hihatra akory izany.


Fa nilaza fahitana manodoka sy fanambaràna mamitaka izy, ka nanao hoe: ‹Izao no teny hentitra avy amin’ny TOMPO›; nefa Izaho TOMPO tsy naniraka azy akory! Saingy manantena ny hanamafisako ny teniny izy.


Ry vahoakako, mba tsarovy izay nokasain’i Balàka mpanjakan’i Môaba hatao sy ny navalin’i Bilehama zanakalahin’i Behôra azy, ary izay niseho hatreo Sitima ka hatrany Gilgala, mba hahafantaranareo asa nanasoavako anareo.»


Ary hoy i Andriamanitra tamin’i Balahama: –Tsy handeha hiaraka aminy ianao ary tsy hanozona koa io vahoaka izay efa notahîko io.


Fa hitafotafo mihitsy ny voninahitra izay homeko anao, ary hataoko avokoa izay holazainao amiko rehetra. Koa mba tongava atỳ re ianao hanozona io vahoaka io.»


Dia hoy indray i Balàka tamin’i Balahama: –Andeha hiaraka amiko any amin’ny toeran-kafa izay hahitanao ny Israelita rehetra. Ampahany ihany mantsy no hitanao teto fa tsy ny vahoaka manontolo. Ka avy eo amin’izany toerana izany no hanozonanao azy.


Dia hoy koa i Balàka tamin’i Balahama: –Andao fa hoentiko any amin’ny toeran-kafa indray ianao; angamba hoeken’Andriamanitra amin’izay ny hanozonanao io vahoaka io any.


Mamita-mandry toy ny liona na tahakan’ny bibidia masiaka izy, koa zovy no sahy hanaitra azy? «Eny hotahîna anie izay hitsodrano anao, ry Israely, ary ho voaozona kosa anie izay hanozona anao!»


Raha nandeha nankeny amin’ilay toeram-pivavahana izahay indray andro, dia notsenain’ity zazavavy anankiray mpanompon’olona. Azona fanahy atao hoe Pitôna razazavavy; ary asesik’io fanahy io hanambara zavatra izy ka nampahazo vola be ireo tompony noho ny fanambaràna nataony.


Ny Hamônita sy ny Môabita dia tsy mahazo miditra na oviana na oviana ho anisan’ny fiangonan’ireo mpivavaka amin’ny TOMPO; na ny taranany fahafolo aza, dia tsy mahazo miditra ho anisan’ny fiangonan’ireo mpivavaka amin’ny TOMPO.


Nitsangana koa i Balàka, zanakalahin’i Tsipôra sady mpanjakan’i Môaba, ka niady taminareo. Nampiantso an’i Bilehama zanakalahin’i Behôra izy hanozona anareo;


Ary hoy i Gôliata tamin’i Davida: –Alika angaha aho no hatonin’ialahy amin’ny tehina? Ho voaozona anie ialahy amin’ny alalan’ireo andriamanitray!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra