Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 22:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Dia naniraka olona i Balàka hankany amin’i Balahama zanakalahin’i Behôra any Petôra amoron’ny ony Eofrata, any amin’ny tanin’ny Hamavita; ka izao no teny nampitondrainy ho an’i Balahama: «Misy vahoaka niala tany Ejipta tonga eto amiko, ary mandrakotra ny taniko sady mitoby eto anatrehako.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Dia nandefa iraka izy ho any amin’i Balama, zanak’i Beora, any Petora, izay eo amoron’ny ony Eofrata, dia eo amin’ny tanin’ny fireneny, mba hiantso azy ka hilaza hoe: Indro, misy firenena nivoaka avy tany Ejipta; ary indro, mandrakotra ny tany rehetra izy ka mitoby mifanandrify amiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Dia naniraka olona i Balàka hankany amin’i Balahama zanakalahin’i Behôra any Petôra amoron’ny ony Eofrata, any amin’ny tanin’ny Hamavita; ka izao no teny nampitondrainy ho an’i Balahama: «Misy vahoaka niala tany Ejipta tonga eto amiko, ary mandrakotra ny taniko sady mitoby eto anatrehako.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 Ka naniraka olona izy ho any amin’i Balaama, zanak’i Beôra, any Petôra, izay eo amoron’ny ony, eo amin’ny tanin’ny zanaky ny vahoakany, mba hiantso azy sy hanao aminy hoe: «Indro misy vahoaka nivoaka avy any Ejipta, rakotra azy ny tany, ary tandrify ahy no itobiany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Dia naniraka olona izy ho any amin’i Balama, zanak’i Beora, any Petora, izay eo amoron’ny Ony, dia eo amin’ny tanin’ny fireneny, mba hampaka azy, ka nanao hoe: Indro, misy firenena nivoaka avy tany Egypta; ary indro, mandrakotra ny tany rehetra izy ka mitoby tandrifiko;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Dia naniraka olona izy ho any amin'i Balama, zanak'i Beora, any Petora, izay eo amoron'ny Ony, dia eo amin'ny tanin'ny fireneny, mba hampaka azy, ka nanao hoe: Indro, misy firenena nivoaka avy tany Egypta; ary indro, mandrakotra ny tany rehetra izy ka mitoby tandrifiko;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Dia nandefa iraka izy ho any amin’i Balama, zanak’i Beora, any Petora, izay eo amoron’ny ony Eofrata, dia eo amin’ny tanin’ny fireneny, mba hiantso azy ka hilaza hoe: Indro, misy firenena nivoaka avy tany Ejipta; ary indro, mandrakotra ny tany rehetra izy ka mitoby mifanandrify amiko.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 22:5
15 Rohy Ifampitohizana  

Hohamaroiko tahaka ny vovo-tany ny taranakao ka tsy ho hita isa, tahaka ny tsy ahazoan’ny olona manisa ny vovo-tany.


Nohamaroin’Andriamanitra tokoa ny vahoakany ary nataony mahery noho ny mpampahory azy.


Nandrakotra ny tany manontolo ireny ka maizina ny tany. Nohanin’ny valala ny ahitra rehetra tamin’ny tany sy ny voankazo rehetra sisan’ny havandra, koa tsy nisy zava-maitso tavela intsony nanerana an’i Ejipta manontolo na tamin’ny hazo na tamin’ny zava-maniry eny an-tsaha.


Ry vahoakako, mba tsarovy izay nokasain’i Balàka mpanjakan’i Môaba hatao sy ny navalin’i Bilehama zanakalahin’i Behôra azy, ary izay niseho hatreo Sitima ka hatrany Gilgala, mba hahafantaranareo asa nanasoavako anareo.»


Dia nanao izao tononkalo manaraka izao i Balahama: «I Balàka, mpanjakan’i Môaba, dia nampaka ahy avy any Siria, avy any amin’ny tendrombohitra amin’ny ilany atsinanan’izany tany izany. Avia, hoy izy tamiko, hanozona ny taranak’i Jakôba; avia handrahona ny Israelita.


Matin’ny Israelita koa ny mpanjaka midianita dimy lahy, dia i Evỳ sy i Rekema, i Tsoro sy i Hora ary i Reba. Novonoiny ho faty tamin’ny sabatra ihany koa i Balahama zanakalahin’i Behôra.


Ny Hamônita sy ny Môabita dia tsy mahazo miditra na oviana na oviana ho anisan’ny fiangonan’ireo mpivavaka amin’ny TOMPO; na ny taranany fahafolo aza, dia tsy mahazo miditra ho anisan’ny fiangonan’ireo mpivavaka amin’ny TOMPO.


Tsy nitsena sakafo sy rano anareo teny an-dalana manko ny Hamônita sy ny Môabita fony ianareo niala tany Ejipta; sady ry zareo Môabita koa no nampaka an’i Balahàma, zanakalahin’i Behôra, avy tany Petôra any Mezôpôtamia, ary nanamby vola azy mba hanozona anareo.


I Balahama mpimasy, ilay zanakalahin’i Behôra, dia isan’ireo novonoin’ny Israelita tamin’izay.


Nitsangana koa i Balàka, zanakalahin’i Tsipôra sady mpanjakan’i Môaba, ka niady taminareo. Nampiantso an’i Bilehama zanakalahin’i Behôra izy hanozona anareo;


Hahita loza ireo, fa nizotra tamin’ny lalana efa nizoran’i Kaina, nihitsoka tamin’ny hadisoana efa nahavoa an’i Balahàma mba hahazoana tamby, ary efa ringana tamin’ny fikomiana nataony toy ny naharingana an’i Kôrà.


Saingy izao no zavatra kely anomezako tsiny anao: misy eo aminao izay mifikitra amin’ny fampianaran’i Balahàma, ilay nanome fo an’i Balàka hanisy fandrika mitaona ny Israelita amin’ny fahotana; ary dia voatarika tokoa ireo Israelita hihinan-kena natao fanatitra tamin’ny sampy sy hijangajanga.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra