Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 22:2 - DIEM PROTESTANTA

2-4 I Balàka, zanakalahin’i Tsipôra, no mpanjakan’i Môaba tamin’izay fotoana izay. Fantany tsara izay rehetra nataon’ny Israelita tamin’ny Amôrita; ka raiki-tahotra mafy izy sy ny Môabita sady nangorohoro nahita ny Israelita izay vahoaka marobe. Dia hoy ity mpanjaka tamin’ny loholon’ny Midîanîta: –Ankehitriny ireto vahoaka marobe ireto dia hanimba ny faritra rehetra manodidina antsika, toy ny firaokan’ny omby ny ahitra eny an-tsaha!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Ary i Balaka, zanak’i Zipora, dia nahita izay rehetra nataon’ny Israely tamin’ny Amorita.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2-4 I Balàka, zanakalahin’i Tsipôra, no mpanjakan’i Môaba tamin’izay fotoana izay. Fantany tsara izay rehetra nataon’ny Israelita tamin’ny Amôrita; ka raiki-tahotra mafy izy sy ny Môabita sady nangorohoro nahita ny Israelita izay vahoaka marobe. Dia hoy ity mpanjaka tamin’ny loholon’ny Midîanîta: –Ankehitriny ireto vahoaka marobe ireto dia hanimba ny faritra rehetra manodidina antsika, toy ny firaokan’ny omby ny ahitra eny an-tsaha!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 Hitan’i Balàka zanak’i Sefôra, izay rehetra nataon’i Israely tamin’ny Amôreana,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 ARY Balaka, zanak’i Zipora, nahita izay rehetra efa nataon’ny Isiraely tamin’ny Amorita.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Ary Balaka, zanak'i Zipora, nahita izay rehetra efa nataon'ny Isiraely tamin'ny Amorita.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Ary i Balaka, zanak’i Zipora, dia nahita izay rehetra nataon’ny Israely tamin’ny Amorita.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 22:2
4 Rohy Ifampitohizana  

Nohenoin’ny TOMPO ny voadin’ny Israelita ka natolony azy ny Kanahanita. Dia nataon’ny Israelita levona izy ireo mbamin’ny tanànany; ary ny anaran’izany toerana izany dia natao hoe Hôrmà.


Nitsangana koa i Balàka, zanakalahin’i Tsipôra sady mpanjakan’i Môaba, ka niady taminareo. Nampiantso an’i Bilehama zanakalahin’i Behôra izy hanozona anareo;


Moa mihevi-tena ho tsara lavitra noho i Balàka zanakalahin’i Tsipôra sady mpanjakan’i Môaba ve ianao? Izy anefa tsy mba nila ady tamin’ny vahoaka Israely sady tsy nanafika azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra