Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 22:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Dia lasa ireo loholona môabita sy midianita nitondra izay hanakaramana ilay mpanao fankatoavana. Rehefa tonga tany amin’i Balahama ireo, dia nilaza ny tenin’i Balàka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Dia nandeha ireo loholon’ny Moabita sy ireo loholon’ny Midianita nitondra ny saran’ny fanaovana sikidy teny an-tanany. Dia nankany amin’i Balama izy ireo ka nilaza taminy ny tenin’i Balaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Dia lasa ireo loholona môabita sy midianita nitondra izay hanakaramana ilay mpanao fankatoavana. Rehefa tonga tany amin’i Balahama ireo, dia nilaza ny tenin’i Balàka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Niainga ny loholon’i Moaba sy ny loholon’i Madiàna, nataony an-tanana ny tambin’ilay mpanandro. Nony tonga tany amin’i Balaama izy ireo, dia nambarany azy ny tenin’i Balàka,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Dia nandeha ny loholon’ny Moabita sy ny loholon’ny Midianita nitondra ny saran’ny fankatovana teny an-tànany; dia nankany amin’i Balama izy ka nilaza taminy izay tenin’i Balaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Dia nandeha ny loholon'ny Moabita sy ny loholon'ny Midianita nitondra ny saran'ny fankatovana teny an-tànany; dia nankany amin'i Balama izy ka nilaza taminy izay tenin'i Balaka.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Dia nandeha ireo loholon’ny Moabita sy ireo loholon’ny Midianita nitondra ny saran’ny fanaovana sikidy teny an-tanany. Dia nankany amin’i Balama izy ireo ka nilaza taminy ny tenin’i Balaka.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 22:7
15 Rohy Ifampitohizana  

Mpikomy ireo mpanapaka anao, sady mpiray tsikombakomba amin’ny mpangalatra. Samy tia tsolotra izy rehetra, ary mpandray kolikoly avokoa. Ny kamboty tsy entiny ara-drariny ary ny adin’ny mpitondratena tsy tsarainy.


Alika tendan-kanina koa ireo ka tsy mahalala voky na oviana na oviana, nefa dia lazaina hoe mpiandry! Tsy mahay mandinika akory ireo fa samy manaraka ny lalany avy ary samy mikendry ny tombontsoany avy.


Manala baràka Ahy eo anatrehan’ny vahoakako ianareo noho izay vary eran’ny tanana ila na izay sombimofo vitsivitsy. Raha andainganareo ny vahoakako mora fahanan-dainga, dia mahafaty izay tsy tokony ho faty ianareo ary mamelona izay tsy tokony ho velona.›


Ry sabatra maranitra ô, kapao mihodin-kavanana sy mihodin-kavia, na aiza na aiza voatendry hamelezanao.


Ny mpitondra azy mitsara mba hahazoana tsolotra; ny mpisorony mampianatra ny lalàna mba hahazoana karama; ary ny mpaminaniny manambara ny ho avy mba hahazoana vola. Kanefa dia mbola miankina amin’ny TOMPO ihany ireo ka miteny hoe: «Tsy eto anivontsika ve ny TOMPO? Tsia, tsy hisy loza hanjo antsika.»


Ary hoy i Balahama tamin’ny iraka: –Mandria eto anio alina ianareo fa homeko valin-teny araka izay holazain’ny TOMPO amiko. Dia nijanona tao amin’i Balahama ireo olo-manan-kajan’i Môaba.


Tsy mba misy fanaovan-tsikidy eo amin’ny taranak’i Jakôba; tsy mba misy fankatovana eo amin’ny vahoaka israelita. Fa amin’izay fotoana sahaza no hampahafantarana azy ny zavatra ataon’Andriamanitra.


Hitan’i Balahama fa sitraky ny TOMPO ny hitsodrano an’ireo Israelita, dia tsy nandeha nisikidy toy ny teo aloha intsony izy, fa nitodika kosa nanatrika ny tany taniefitra fotsiny.


Satria tsy i Kristy Tompontsika no tompoin’ny toy ireny, fa izay danin’ny kibony, ary teny malefaka sy tsara lahatra no amitahany an’ireo tso-po.


Tsy maintsy tampenam-bava ireo fa mampisavorovoro fianakaviana maro, satria mampianatra zavatra tsy tokony hampianarina mba hahazoan-karena amin’ny fomba maloto.


I Balahama mpimasy, ilay zanakalahin’i Behôra, dia isan’ireo novonoin’ny Israelita tamin’izay.


Efa niala tamin’ny lala-mahitsy izy ireo ka nivily nanaraka ny lalana efa nizoran’i Balahàma, zanakalahin’i Behôra: i Balahàma dia nankamamy ny tambin’ny asa ratsiny,


Hahita loza ireo, fa nizotra tamin’ny lalana efa nizoran’i Kaina, nihitsoka tamin’ny hadisoana efa nahavoa an’i Balahàma mba hahazoana tamby, ary efa ringana tamin’ny fikomiana nataony toy ny naharingana an’i Kôrà.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra