Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 22:8 - DIEM PROTESTANTA

8 Ary hoy i Balahama tamin’ny iraka: –Mandria eto anio alina ianareo fa homeko valin-teny araka izay holazain’ny TOMPO amiko. Dia nijanona tao amin’i Balahama ireo olo-manan-kajan’i Môaba.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Ary hoy i Balama taminy: Mandria atỳ anio alina, dia hamaly ny teninareo aho, araka izay holazain’NY TOMPO amiko. Dia nitoetra tao amin’i Balama ireo andriandahin’i Moaba.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Ary hoy i Balahama tamin’ny iraka: –Mandria eto anio alina ianareo fa homeko valin-teny araka izay holazain’ny TOMPO amiko. Dia nijanona tao amin’i Balahama ireo olo-manan-kajan’i Môaba.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 ary hoy i Balaama taminy: «Mandria atỳ anio alina, fa omeko valiny, araka izay hambaran’i Iaveh amiko ianareo.» Dia tafajanona tao amin’i Balaama ireo andriandahin’i Moaba.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Ary hoy Balama taminy: Mandria atỳ anio alina, dia hamaly ny teninareo aho, araka izay holazain’i Jehovah amiko. Dia nitoetra tao amin’i Balama ireo andriandahin’i Moaba.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Ary hoy Balama taminy: Mandria atỳ anio alina, dia hamaly ny teninareo aho, araka izay holazain'i Jehovah amiko. Dia nitoetra tao amin'i Balama ireo andrian-dahin'i Moaba.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Ary hoy i Balama taminy: Mandria atỳ anio alina, dia hamaly ny teninareo aho, araka izay holazain’NY TOMPO amiko. Dia nitoetra tao amin’i Balama ireo andriandahin’i Moaba.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 22:8
13 Rohy Ifampitohizana  

Fa hoy ny navalin’ilay olon’Andriamanitra azy hoe: –Na homenao ahy aza ny antsasaky ny fanananao, dia tsy hankany an-tranonao aho, ary tsy hihinan-kanina na hisotro rano atỳ;


Fa hoy i Mikaià hoe: –Velona ny TOMPO, ka mianiana aho fa izay lazain’ny TOMPO amiko ihany no hambarako.


Nambolenao izy dia niorim-paka, ka nitombo sy namoa. Tononin’ny vavany Ianao, fa ataony lavitry ny fony.


Dia mivory eo aminao ireo olona anisan’ny vahoakako ka mipetraka eo anatrehanao mba hihaino anao. Mihaino ny teninao izy, fa tsy manatanteraka azy. Izay rendrarendra tiany hatao ihany no eo am-bavany; ary ny filan-dratsiny no ironan’ny fony.


ka hoy ny TOMPO taminy: –Henoy tsara ny teniko: Raha misy mpaminany eo aminareo, dia amin’ny fahitana no isehoako aminy, ary amin’ny nofy no itenenako aminy.


Fa hoy i Balahama namaly ireo mpanompon’i Balàka: –Na dia homen’i Balàka volafotsy sy volamena mahafeno ny tranony aza aho, dia tsy afaka hanao zavatra na kely na lehibe izay mifanohitra amin’ny tenin’ny TOMPO Andriamanitro.


Dia hoy i Balahàma tamin’i Balàka: –Indro aho efa tonga eto aminao ankehitriny. Nefa inona moa no azoko lazaina aminao afa-tsy izay teny hataon’Andriamanitra ao am-bavako ihany?


Dia lasa ireo loholona môabita sy midianita nitondra izay hanakaramana ilay mpanao fankatoavana. Rehefa tonga tany amin’i Balahama ireo, dia nilaza ny tenin’i Balàka.


Ary nankao amin’i Balahama kosa Andriamanitra ka nanontany azy hoe: –Iza moa ireo lehilahy tonga ato aminao ireo?


Fa novalian’i Balahama hoe: –Moa tsy ny hilaza izay teny nataon’ny TOMPO tao am-bavako ihany ve no andraikitro.


Dia hoy i Balahama tamin’i Balàka: –Mijanòna ihany eto akaikin’ny sorona dorana manontolo natolotrao, fa izaho kosa hihataka kely hijery raha ho avy hihaona amiko ny TOMPO na tsia; koa izay hasehony amiko dia hambarako anao. Ary lasa i Balahama nankany amin’ny tendrombohitra anankiray mangadihady.


fa na dia homenao volafotsy sy volamena mahafeno ny tranonao aza aho, dia tsy afaka handika ny didin’ny TOMPO ka hitondra soa na loza araka izay nahim-poko; fa izay holazain’ny TOMPO ihany no holazaiko.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra