Tamin’ny alina, dia nankao amin’i Balahama Andriamanitra ka nanao taminy hoe: –Raha haka anao no nahatongavan’ireo olona ireo, dia mandehana miaraka aminy; kanefa izay holazaiko aminao ihany no hataonao.
Nomery 23:4 - DIEM PROTESTANTA Nisehoan’Andriamanitra teo i Balahama ka nilaza taminy hoe: –Efa voatsangako ireo alitara fito ary efa voaatitro koa ny vantotr’ombilahy sy ny ondrilahy iray avy isan’alitara. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary Andriamanitra nitsena an’i Balama; dia hoy i Balama Taminy: Efa namboariko ny alitara fito ary efa nanolotra vantotra ombilahy iray sy ondrilahy iray teo ambonin’ny alitara tsirairay aho. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nisehoan’Andriamanitra teo i Balahama ka nilaza taminy hoe: –Efa voatsangako ireo alitara fito ary efa voaatitro koa ny vantotr’ombilahy sy ny ondrilahy iray avy isan’alitara. Baiboly Katolika Tonga nihaona tamin’i Balaama tokoa Andriamanitra, ka hoy i Balaama taminy: «Efa nanangana ny ôtely fito aho, ary efa nanatitra vantotr’ombalahy iray sy ondralahy iray avy isan’ôtely.» Baiboly Protestanta Malagasy Ary Andriamanitra dia nihaona tamin’i Balama; ary hoy Balama taminy: Ny alitara fito dia efa namboariko, ary efa nanatitra vantotr’ombilahy sy ondrilahy iray avy teo ambonin’ny isan-alitara aho. Malagasy Bible Ary Andriamanitra dia nihaona tamin'i Balama; ary hoy Balama taminy: Ny alitara fito dia efa namboariko, ary efa nanatitra vantotr'ombilahy sy ondrilahy iray avy teo ambonin'ny isan'alitara aho. La Bible en Malgache Ary Andriamanitra nitsena an’i Balama; dia hoy i Balama Taminy: Efa namboariko ny alitara fito ary efa nanolotra vantotra ombilahy iray sy ondrilahy iray teo ambonin’ny alitara tsirairay aho. |
Tamin’ny alina, dia nankao amin’i Balahama Andriamanitra ka nanao taminy hoe: –Raha haka anao no nahatongavan’ireo olona ireo, dia mandehana miaraka aminy; kanefa izay holazaiko aminao ihany no hataonao.
Ary nankao amin’i Balahama kosa Andriamanitra ka nanontany azy hoe: –Iza moa ireo lehilahy tonga ato aminao ireo?
Ary hoy i Balahama tamin’i Balàka: –Manangàna alitara fito eto ho ahy ary manomàna vantotr’ombilahy fito sy ondrilahy fito eo.
Nisehoan’ny TOMPO i Balahama ka nilazany izay teny hampitainy amin’i Balàka; ary nasainy hiverina any amin’ny mpanjaka izy mba hanambara izany aminy.
Dia hoy i Balahama tamin’i Balàka: –Mijanòna ihany eto akaikin’ny sorona dorana manontolo natolotrao, fa izaho kosa hihataka kely hijery raha ho avy hihaona amiko ny TOMPO na tsia; koa izay hasehony amiko dia hambarako anao. Ary lasa i Balahama nankany amin’ny tendrombohitra anankiray mangadihady.
Nanisy teny tao am-bavan’i Balahama ny TOMPO, ary dia nanasa azy hiverina any amin’ny mpanjaka mba hilaza izany aminy.
nanao hoe: «Ireo nilatsaka farany ireo dia ora iray monja no niasany, kanefa nampitovînao karama aminay nisasatra nandritra ny andro sady niaritra ny hafanana.»
Mifady hanina indroa isan-kerinandro aho ary manolotra ny ampahafolon’izay azoko rehetra.»
Handroaka anareo hiala amin’ny sinagôga ry zareo; eny, ho avy ny andro hiheveran’izay rehetra mamono anareo ho manatitra mari-panajana amin’Andriamanitra.
Koa misy antony hireharehan’ny olona ve? Efa nofoanana izany. Satria nahoana? Noho ny olona manatanteraka ny lalàna ve? Tsia, fa noho ny olona manam-pinoana.