Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 23:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Ary hoy i Balahama tamin’i Balàka: –Manangàna alitara fito eto ho ahy ary manomàna vantotr’ombilahy fito sy ondrilahy fito eo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Ary hoy i Balama tamin’i Balaka: Manorena alitara fito eto ho ahy ka manomàna vantotra ombilahy fito sy ondrilahy fito eto.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Ary hoy i Balahama tamin’i Balàka: –Manangàna alitara fito eto ho ahy ary manomàna vantotr’ombilahy fito sy ondrilahy fito eo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Hoy i Balaama tamin’i Balàka: «Anangano ôtely fito eto aho, ary manomàna vantotr’ombalahy fito sy ondralahy fito eo koa.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 Ary hoy Balama tamin’i Balaka: Manorena alitara fito eto ho ahy, ka manamboara vantotr’ombilahy fito sy ondrilahy fito.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Ary hoy Balama tamin'i Balaka: Manorena alitara fito eto ho ahy, ka manamboara vantotr'ombilahy fito sy ondrilahy fito.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Ary hoy i Balama tamin’i Balaka: Manorena alitara fito eto ho ahy ka manomàna vantotra ombilahy fito sy ondrilahy fito eto.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 23:1
19 Rohy Ifampitohizana  

«Angamba ianareo hamaly ahy fa ny TOMPO Andriamanitrareo no itokianareo. Kanefa dia ianao indrindra, ry Hezekià, no nanafoana ireo toeram-pisoronana aman’alitarany, ka nandidy ny mponin’i Joda sy i Jerosalema mba tsy hanao fanompoam-pivavahana afa-tsy eo anoloan’ny alitaran’i Jerosalema ihany.»


Ary mba hanampian’Andriamanitra ny levita izay nitondra ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO, dia notolorana sorona ombilahy fito sy ondrilahy fito Izy.


Ombilahy fito mbamin’ny ondrilahy fito sy zanak’ondry fito no nentina hatao sorona dorana manontolo, ary nisy koa osilahy fito hatao sorona fanalana ny ota ho an’ny ankohonan’ny mpanjaka sy ho an’ny vahoaka jodeanina sady hatao sorona fanadiovana ny tempoly; ka ny mpisorona, taranak’i Aharôna, no nasain’i Hezekià nanolotra ireo teo ambony alitaran’ny TOMPO.


Koa ankehitriny makà ombilahy fito sy ondrilahy fito ianareo, dia mankanesa any amin’ny Jôba mpanompoko. Hatolotrareo ho sorona dorana manontolo noho ny fahotanareo ireo biby ireo; ary hifona ho anareo i Jôba mpanompoko. Fa ho sitrako ny vavak’i Jôba, ka tsy hamaly anareo araka ny hadalànareo Aho na dia tsy marina tahaka izay nolazain’i Jôba mpanompoko aza ny filàzanareo Ahy.


Alitara tany no hataonareo ho Ahy, ary eo amboniny no hanoloranareo ho Ahy ny ondry aman’osinareo sy ny ombinareo ho sorona dorana manontolo sy ho sorom-pihavanana. Ary Izaho dia ho tonga hitahy anareo amin’ny toerana rehetra izay anehoako ny fanatrehako.


Halan’ny TOMPO ny sorona aterin’ny olon-dratsy; fa sitrany kosa ny vavaky ny olo-mahitsy.


Dia mivory eo aminao ireo olona anisan’ny vahoakako ka mipetraka eo anatrehanao mba hihaino anao. Mihaino ny teninao izy, fa tsy manatanteraka azy. Izay rendrarendra tiany hatao ihany no eo am-bavany; ary ny filan-dratsiny no ironan’ny fony.


Ankoatra izany, isan’andro mandritra ny fito andro, dia hanolotra ombilahy fito sy ondrilahy fito tsy misy kilema hatao sorona dorana manontolo amiko TOMPO izy ary koa hanolotra osilahy iray isan’andro hatao sorona fanalana ny ota.


Nony maraina dia nalain’i Balàka i Balahama ka nentiny niakatra ho ao Bamôta-Bahala izay nahatazanana ampahan’ny vahoaka israelita.


Nataon’i Balàka izay nolazain’i Balahama; avy eo izy roa lahy dia niara-nanatitra vantotr’ombilahy sy ondrilahy iray isan’alitara.


Ary hoy i Balahama tamin’i Balàka: –Manangana alitara fito eto ho ahy ary manomàna vantotr’ombilahy fito sy ondrilahy fito eo.


Dia nataon’i Balàka izay nolazain’i Balahama ka nanatitra vantotr’ombilahy iray sy ondrilahy iray isan’alitara izy.


–Mampalahelo ianareo, ry mpahay lalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy! Fa hidianareo eo anoloan’ny olona ny vavahady mankao amin’ny Fanjakàn’ny lanitra; ka ianareo tsy miditra, ary izay te hiditra tsy avelanareo hiditra. [


Hahita loza ireo, fa nizotra tamin’ny lalana efa nizoran’i Kaina, nihitsoka tamin’ny hadisoana efa nahavoa an’i Balahàma mba hahazoana tamby, ary efa ringana tamin’ny fikomiana nataony toy ny naharingana an’i Kôrà.


Dia hoy indray i Samoela hoe: –Moa sitraky ny TOMPO mihoatra noho ny fankatoavana AZY ve ny sorona dorana manontolo sy sorona hafa? Tsia! Fa tsara noho ny sorona rehetra ny fankatoavana AZY ary tsara noho ny jaboran’ondrilahy ny fanekena Azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra