Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 23:16 - DIEM PROTESTANTA

16 Nisehoan’ny TOMPO i Balahama ka nilazany izay teny hampitainy amin’i Balàka; ary nasainy hiverina any amin’ny mpanjaka izy mba hanambara izany aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Ary NY TOMPO nitsena an’i Balama dia nanisy teny teo am-bavany hoe: Miverena mankeo amin’i Balaka ary izany no holazainao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Nisehoan’ny TOMPO i Balahama ka nilazany izay teny hampitainy amin’i Balàka; ary nasainy hiverina any amin’ny mpanjaka izy mba hanambara izany aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

16 Dia tonga nihaona tamin’i Balaama i Iaveh ka nanisy teny tao am-bavany, ary nilaza hoe: «Miverena any amin’i Balàka, ka izao sy izao no holazainao.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Ary Jehovah nihaona tamin’i Balama, dia nanisy teny teo am-bavany ka nanao hoe: Miverena mankeo amin’i Balaka, ary izany no holazainao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Ary Jehovah nihaona tamin'i Balama, dia nanisy teny teo am-bavany ka nanao hoe: Miverena mankeo amin'i Balaka ary izany no holazainao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

16 Ary NY TOMPO nitsena an’i Balama dia nanisy teny teo am-bavany hoe: Miverena mankeo amin’i Balaka ary izany no holazainao.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 23:16
7 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’ny alina, dia nankao amin’i Balahama Andriamanitra ka nanao taminy hoe: –Raha haka anao no nahatongavan’ireo olona ireo, dia mandehana miaraka aminy; kanefa izay holazaiko aminao ihany no hataonao.


Fa hoy ny navalin’ilay anjelin’ny TOMPO azy: –Tsia! Mandehana ihany miaraka amin’ireo olona ireo, saingy izay teny asaiko lazainao ihany no holazainao. Dia nanohy ny diany niaraka tamin’ireo irak’i Balàka i Balahama.


Ary hoy i Balahama tamin’i Balàka: –Mijanòna eto akaikin’ny sorona dorana manontolo natolotrao, fa izaho hankerỳ hihaona amin’Andriamanitra.


Dia lasa izy niverina tany amin’i Balàka izay mbola teo anilan’ny sorona nataony sady tafaraka tamin’ny olo-manan-kaja môabita. Ary hoy i Balàka taminy: –Inona no nolazain’ny TOMPO?


Nanisy teny tao am-bavan’i Balahama ny TOMPO, ary dia nanasa azy hiverina any amin’ny mpanjaka mba hilaza izany aminy.


Hitan’i Balahama fa sitraky ny TOMPO ny hitsodrano an’ireo Israelita, dia tsy nandeha nisikidy toy ny teo aloha intsony izy, fa nitodika kosa nanatrika ny tany taniefitra fotsiny.


Mpaminany anankiray tahaka anao izao, mpaminany hipoitra avy amin’ny mpiray firenena aminy, no hatsangako ho azy; hataoko eo am-bavan’io mpaminany io ny teniko, ka izay rehetra hasaiko hambarany no holazainy amin’ireo mpiray firenena aminy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra