Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 23:15 - DIEM PROTESTANTA

15 Ary hoy i Balahama tamin’i Balàka: –Mijanòna eto akaikin’ny sorona dorana manontolo natolotrao, fa izaho hankerỳ hihaona amin’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Dia hoy i Balama tamin’i Balaka: Mijoroa eto anilan’ny fanatitra dorana manontolo atolotrao, fa izaho dia hankerỳ hihaona amin’NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Ary hoy i Balahama tamin’i Balàka: –Mijanòna eto akaikin’ny sorona dorana manontolo natolotrao, fa izaho hankerỳ hihaona amin’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

15 Ary hoy i Balaama tamin’i Balàka: «Mitoera ianao eto anilan’ny sorona doranao; fa izaho handeha arỳ hihaona amin’i Iaveh.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Dia hoy izy tamin’i Balaka: Mitoera eto anilan’ny fanatitra doranao, fa izaho hankerỳ hihaona amin’i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Dia hoy izy tamin'i Balaka: Mitoera eto anilan'ny fanatitra doranao, fa izaho hankerỳ hihaona amin'i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

15 Dia hoy i Balama tamin’i Balaka: Mijoroa eto anilan’ny fanatitra dorana manontolo atolotrao, fa izaho dia hankerỳ hihaona amin’NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 23:15
5 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy i Balahama tamin’ny iraka: –Mandria eto anio alina ianareo fa homeko valin-teny araka izay holazain’ny TOMPO amiko. Dia nijanona tao amin’i Balahama ireo olo-manan-kajan’i Môaba.


Dia nentin’i Balàka teo amin’ny saha Tsôfima tao an-tampon’i Pisgà i Balahama; nanorina alitara fito teo ny mpanjakan’i Môaba ka nanatitra vantotr’ombilahy iray sy ondrilahy iray isan’alitara.


Nisehoan’ny TOMPO i Balahama ka nilazany izay teny hampitainy amin’i Balàka; ary nasainy hiverina any amin’ny mpanjaka izy mba hanambara izany aminy.


Dia hoy i Balahama tamin’i Balàka: –Mijanòna ihany eto akaikin’ny sorona dorana manontolo natolotrao, fa izaho kosa hihataka kely hijery raha ho avy hihaona amiko ny TOMPO na tsia; koa izay hasehony amiko dia hambarako anao. Ary lasa i Balahama nankany amin’ny tendrombohitra anankiray mangadihady.


nefa tsy nanaiky hihaino an’i Bilehama Aho, ka voatery nitsodrano anareo i Bilehama ary nafahako tsy ho azon’ny tanan’i Balàka ianareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra