Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 23:14 - DIEM PROTESTANTA

14 Dia nentin’i Balàka teo amin’ny saha Tsôfima tao an-tampon’i Pisgà i Balahama; nanorina alitara fito teo ny mpanjakan’i Môaba ka nanatitra vantotr’ombilahy iray sy ondrilahy iray isan’alitara.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Dia nitondra azy tao an-tsaha Zofima, tao an-tampon’i Pisga izy; ary nanorina alitara fito izy ka nanatitra vantotra ombilahy iray sy ondrilahy iray teo ambonin’ny alitara tsirairay.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Dia nentin’i Balàka teo amin’ny saha Tsôfima tao an-tampon’i Pisgà i Balahama; nanorina alitara fito teo ny mpanjakan’i Môaba ka nanatitra vantotr’ombilahy iray sy ondrilahy iray isan’alitara.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 Dia nentiny nankany an-tsahan’ny Tily, an-tampon’i Fasgà izy, ka nony efa nanangana ôtely fito, dia nanatitra vantotr’ombalahy iray sy ondralahy iray avy isan’ôtely izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Dia nitondra azy tao an-tsaha Zofima izy, tao an-tampon’i Pisga; ary nanorina alitara fito izy ka nanatitra vantotr’ombilahy sy ondrilahy iray avy teo ambonin’ny isan-alitara.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Dia nitondra azy tao an-tsaha Zofima izy, tao an-tampon'i Pisga; ary nanorina alitara fito izy ka nanatitra vantotr'ombilahy sy ondrilahy iray avy teo ambonin'ny isan'alitara.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 23:14
11 Rohy Ifampitohizana  

Misy olona mandanilany foana ny volany; mandanja volamena sy volafotsy amin’ny mizana izy, dia manarama olona mpanefy firavaka mba hamboatra ireny ho andriamanitra izay hivavahany sady hiankohofany tokoa.


Niteny tamin’ireo mpaminany Aho fahizay ka nampitombo ny fahitana; ary tamin’ny alalan’ny mpaminany koa no nanaovako fanoharana.


ary farany, rehefa niala tao Bamôta izy, dia nankany an-dohasaha mamaky ny tanin’i Môaba, ka tafapaka hatrany an-tampon’i Pisgà izay ahatazanana ny taniefitra.


Dia hoy indray i Balàka tamin’i Balahama: –Andeha hiaraka amiko any amin’ny toeran-kafa izay hahitanao ny Israelita rehetra. Ampahany ihany mantsy no hitanao teto fa tsy ny vahoaka manontolo. Ka avy eo amin’izany toerana izany no hanozonanao azy.


Ary hoy i Balahama tamin’i Balàka: –Mijanòna eto akaikin’ny sorona dorana manontolo natolotrao, fa izaho hankerỳ hihaona amin’Andriamanitra.


Ary hoy i Balahama tamin’i Balàka: –Manangana alitara fito eto ho ahy ary manomàna vantotr’ombilahy fito sy ondrilahy fito eo.


Miakara eo an-tampon’i Pisgà ianao ary atopazy miankandrefana sy mianavaratra ary mianatsimo sy miantsinanana ny masonao, dia aoka hijery; satria tsy hahazo mita izany Jôrdàna izany ianao.


Dia niainga avy teo amin’ny lemak’i Môaba i Mosesy ka niakatra nankany amin’ny tendrombohitra Nebao, eo an-tampon’i Pisgà, izay tandrifin’i Jerikao. Ary nasehon’ny TOMPO azy avokoa ilay tany: dia ny faritr’i Gilehada tafapaka hatrany Dana;


ary mahafaoka ny faritany Harabà manontolo atsinanan’i Jôrdàna ka tafapaka hatrany amin’ny Ranomasina Maty eo am-bodin’ny tendrombohitra Pisgà.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra