Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Nomery 23:17 - DIEM PROTESTANTA

17 Dia lasa izy niverina tany amin’i Balàka izay mbola teo anilan’ny sorona nataony sady tafaraka tamin’ny olo-manan-kaja môabita. Ary hoy i Balàka taminy: –Inona no nolazain’ny TOMPO?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 Nony tonga tany aminy izy dia indreo, teo anilan’ny fanatitra dorana manontolo izay nateriny izy sy ireo andriandahin’i Moaba izay teo aminy. Dia hoy i Balaka taminy: Ahoana no nolazain’NY TOMPO?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 Dia lasa izy niverina tany amin’i Balàka izay mbola teo anilan’ny sorona nataony sady tafaraka tamin’ny olo-manan-kaja môabita. Ary hoy i Balàka taminy: –Inona no nolazain’ny TOMPO?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

17 Niverina tany amin’i Balàka izy, ary indro nitoetra teo anilan’ny sorona dorany izy mbamin’ny andriandahin’i Moaba. Dia hoy i Balàka taminy: «Inona no lazain’i Iaveh?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 Ary nony tonga tany aminy izy, dia, indreo, teo anilan’ny fanatitra dorany izy sy ireo andriandahin’i Moaba izay teo aminy. Dia hoy Balaka taminy: Ahoana no nolazain’i Jehovah?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 Ary nony tonga tany aminy izy, dia, indreo, teo anilan'ny fanatitra dorany izy sy ireo andriandahin'i Moaba izay teo aminy. Dia hoy Balaka taminy: Ahoana no nolazain'i Jehovah?

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 23:17
5 Rohy Ifampitohizana  

no nanirahan’i Tsedekià olona haka azy mba hanontaniany mangina tao an-dapany hoe: –Moa misy hafatry ny TOMPO tokoa va ho ahy? Ka novalian’i Jeremià hoe: –Eny, dia inty: «Hatolotra eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna ianao.»


Nisehoan’ny TOMPO i Balahama ka nilazany izay teny hampitainy amin’i Balàka; ary nasainy hiverina any amin’ny mpanjaka izy mba hanambara izany aminy.


Dia nanao izao tononkalo manaraka izao indray i Balahama: «Mitsangàna, ry Balàka zanakalahin’i Tsipôra, atongilano amiko ny sofinao, ka mihainoa.


Fa hoy ny navalin’i Balahama azy: –Moa tsy efa niteny taminao ve aho fa izay rehetra holazain’ny TOMPO ihany no hataoko?


–Ahoana, hoy ny TOMPO taminao? Aza misy afeninao ahy. Fa raha misy afeninao ahy na dia teny iray fotsiny amin’izay nambarany taminao aza ianao, dia hosazîn’Andriamanitra mafy tokoa anie ianao!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra