Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 20:12 - DIEM PROTESTANTA

12 nanao hoe: «Ireo nilatsaka farany ireo dia ora iray monja no niasany, kanefa nampitovînao karama aminay nisasatra nandritra ny andro sady niaritra ny hafanana.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Ireo olona farany ireo dia niasa ora iray monja, kanefa nataonao mitovy aminay izay niaritra ny fahatrotrahana sy ny hafanana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 nanao hoe: «Ireo nilatsaka farany ireo dia ora iray monja no niasany, kanefa nampitovînao karama aminay nisasatra nandritra ny andro sady niaritra ny hafanana.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 nanao hoe: Tsy niasa afa-tsy adim-pamantaranandro iray monja ireto farany ireto, kanefa nampitovinao aminay izay niaritra ny hasasarana sy ny hainandro nandritra ny andro.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Ireo olona farany ireo dia niasa ora iray monja, kanefa nataonao mitovy aminay, izay niaritra ny fahatrotrahana sy ny hainandro.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Ireo olona farany ireo dia niasa ora iray monja, kanefa nataonao mitovy aminay, izay niaritra ny fahatrotrahana sy ny hainandro.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

12 Ireo olona farany ireo dia niasa ora iray monja, kanefa nataonao mitovy aminay izay niaritra ny fahatrotrahana sy ny hafanana.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 20:12
20 Rohy Ifampitohizana  

Koa rehefa niposaka ny masoandro, dia nandefa rivotra mahamay avy any atsinanana Andriamanitra. Namely ny lohan’i Jônà ny masoandro ka nila hanafotra azy. Dia naniry ny ho faty izy ka nivavaka hoe: «Aleoko maty toy izay velona.»


Miteny aza ianareo hoe: «Asa mafy re izany!» Dia tsy mba miraharaha Ahy ianareo, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao. Biby nangalarina na mandringa na marary no atolotrareo amiko. Koa ataoko ahoana, hoy AHO, no fankasitraka izany avy amin’ny tananareo.


Izao no nolazainareo: ‹Zava-poana ny manompo an’Andriamanitra. Efa nitandrina izay nasainy notandremana izahay ary efa nisaona araka ny fomba fanao teo anatrehan’ny TOMPOn’izao rehetra izao, nefa tsy nisy soa azonay akory.


Teo am-pandraisana izany, dia nimonomonona tamin’ny tompon’ilay tanimboaloboka ireto mpiasa ireto


Ary raha mitsoka avy any atsimo ny rivotra, dia hoy ianareo hoe: «Hafana ny andro», ary izany tokoa!


Koa misy antony hireharehan’ny olona ve? Efa nofoanana izany. Satria nahoana? Noho ny olona manatanteraka ny lalàna ve? Tsia, fa noho ny olona manam-pinoana.


satria tokana ihany Andriamanitra; ka ny Jiosy dia ekeny ho marina noho izy ireo mino; ary ny hafa firenena dia ekeny ho marina noho izy ireo mino ihany koa.


Mandraka ankehitriny, dia mijalin’ny hanoanana sy hetaheta izahay; tsy manan-kitafy, velesina, tsy manana antom-ponenana.


Izao àry izany tsiambaratelo izany: amin’ny alalan’ny Vaovao Mahafaly, ny hafa firenena dia natao hitambatra amin’ny Jiosy ka hiara-mandova ny zava-tsoa natokan’Andriamanitra ho an’ny vahoakany, sy ho tena iray ihany ary hiombona anjara amin’ny fampanantenàn’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesoa.


Eny, niposaka ny masoandro ombàn’ny hafanana migaingaina, dia nampalazo ny ahitra; ka nihintsana ny voniny ary levona ny hatsaran-tarehiny. Dia toy izany koa ny mpanankarena: ho levona eo anivon’ny lahasany izy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra