Tamin’ny alina, dia nankao amin’i Balahama Andriamanitra ka nanao taminy hoe: –Raha haka anao no nahatongavan’ireo olona ireo, dia mandehana miaraka aminy; kanefa izay holazaiko aminao ihany no hataonao.
Nomery 23:16 - DIEM PROTESTANTA Nisehoan’ny TOMPO i Balahama ka nilazany izay teny hampitainy amin’i Balàka; ary nasainy hiverina any amin’ny mpanjaka izy mba hanambara izany aminy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary NY TOMPO nitsena an’i Balama dia nanisy teny teo am-bavany hoe: Miverena mankeo amin’i Balaka ary izany no holazainao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nisehoan’ny TOMPO i Balahama ka nilazany izay teny hampitainy amin’i Balàka; ary nasainy hiverina any amin’ny mpanjaka izy mba hanambara izany aminy. Baiboly Katolika Dia tonga nihaona tamin’i Balaama i Iaveh ka nanisy teny tao am-bavany, ary nilaza hoe: «Miverena any amin’i Balàka, ka izao sy izao no holazainao.» Baiboly Protestanta Malagasy Ary Jehovah nihaona tamin’i Balama, dia nanisy teny teo am-bavany ka nanao hoe: Miverena mankeo amin’i Balaka, ary izany no holazainao. Malagasy Bible Ary Jehovah nihaona tamin'i Balama, dia nanisy teny teo am-bavany ka nanao hoe: Miverena mankeo amin'i Balaka ary izany no holazainao. La Bible en Malgache Ary NY TOMPO nitsena an’i Balama dia nanisy teny teo am-bavany hoe: Miverena mankeo amin’i Balaka ary izany no holazainao. |
Tamin’ny alina, dia nankao amin’i Balahama Andriamanitra ka nanao taminy hoe: –Raha haka anao no nahatongavan’ireo olona ireo, dia mandehana miaraka aminy; kanefa izay holazaiko aminao ihany no hataonao.
Fa hoy ny navalin’ilay anjelin’ny TOMPO azy: –Tsia! Mandehana ihany miaraka amin’ireo olona ireo, saingy izay teny asaiko lazainao ihany no holazainao. Dia nanohy ny diany niaraka tamin’ireo irak’i Balàka i Balahama.
Ary hoy i Balahama tamin’i Balàka: –Mijanòna eto akaikin’ny sorona dorana manontolo natolotrao, fa izaho hankerỳ hihaona amin’Andriamanitra.
Dia lasa izy niverina tany amin’i Balàka izay mbola teo anilan’ny sorona nataony sady tafaraka tamin’ny olo-manan-kaja môabita. Ary hoy i Balàka taminy: –Inona no nolazain’ny TOMPO?
Nanisy teny tao am-bavan’i Balahama ny TOMPO, ary dia nanasa azy hiverina any amin’ny mpanjaka mba hilaza izany aminy.
Hitan’i Balahama fa sitraky ny TOMPO ny hitsodrano an’ireo Israelita, dia tsy nandeha nisikidy toy ny teo aloha intsony izy, fa nitodika kosa nanatrika ny tany taniefitra fotsiny.
Mpaminany anankiray tahaka anao izao, mpaminany hipoitra avy amin’ny mpiray firenena aminy, no hatsangako ho azy; hataoko eo am-bavan’io mpaminany io ny teniko, ka izay rehetra hasaiko hambarany no holazainy amin’ireo mpiray firenena aminy.