Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 24:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Hitan’i Balahama fa sitraky ny TOMPO ny hitsodrano an’ireo Israelita, dia tsy nandeha nisikidy toy ny teo aloha intsony izy, fa nitodika kosa nanatrika ny tany taniefitra fotsiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Rehefa hitan’i Balama fa sitraky NY TOMPO ny hitahy ny Israely dia tsy nandeha hanao sikidy tahaka ny teo aloha intsony izy fa nitodika nanatrika ny tany efitra fotsiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Hitan’i Balahama fa sitraky ny TOMPO ny hitsodrano an’ireo Israelita, dia tsy nandeha nisikidy toy ny teo aloha intsony izy, fa nitodika kosa nanatrika ny tany taniefitra fotsiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Hitan’i Balaama fa ny hitso-drano an’i Israely no sitrak’i Iaveh ka tsy nandeha hizaha famantarana avy amin’ny fanandroana toy ny teo intsony izy, fa natodiny ny tavany hanatrika ny efitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 ARY rehefa hitan’i Balama fa sitrak’i Jehovah ny hitahy ny Isiraely, dia tsy nandeha tahaka ny teo hanao sikidy intsony izy, fa nitodika nanatrika ny efitra fotsiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Ary rehefa hitan'i Balama fa sitrak'i Jehovah ny hitahy ny Isiraely, dia tsy nandeha tahaka ny teo hanao sikidy intsony izy, fa nitodika nanatrika ny efitra fotsiny.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Rehefa hitan’i Balama fa sitraky NY TOMPO ny hitahy ny Israely dia tsy nandeha hanao sikidy tahaka ny teo aloha intsony izy fa nitodika nanatrika ny tany efitra fotsiny.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 24:1
13 Rohy Ifampitohizana  

Ny ampitso maraina, rehefa nifoha i Balahama, dia niteny tamin’ireo olo-manan-kaja nirahin’i Balàka hoe: –Miverena any amin’ny taninareo, fa tsy navelan’ny TOMPO hiaraka aminareo aho.


Dia lasa ireo loholona môabita sy midianita nitondra izay hanakaramana ilay mpanao fankatoavana. Rehefa tonga tany amin’i Balahama ireo, dia nilaza ny tenin’i Balàka.


Ary hoy i Balahama tamin’i Balàka: –Mijanòna eto akaikin’ny sorona dorana manontolo natolotrao, fa izaho hankerỳ hihaona amin’Andriamanitra.


Efa nekeko ny hitsodrano ity vahoaka ity; ary efa nitsodrano azy rahateo ny TOMPO ka tsy afaka hanova na inona na inona aho.


Tsy mba misy fanaovan-tsikidy eo amin’ny taranak’i Jakôba; tsy mba misy fankatovana eo amin’ny vahoaka israelita. Fa amin’izay fotoana sahaza no hampahafantarana azy ny zavatra ataon’Andriamanitra.


Dia nentin’i Balàka i Balahama ho eo an-tampon’i Pehôra izay manoloana ny taniefitra.


Dia hoy i Balahama tamin’i Balàka: –Mijanòna ihany eto akaikin’ny sorona dorana manontolo natolotrao, fa izaho kosa hihataka kely hijery raha ho avy hihaona amiko ny TOMPO na tsia; koa izay hasehony amiko dia hambarako anao. Ary lasa i Balahama nankany amin’ny tendrombohitra anankiray mangadihady.


Dia nataon’i Balàka izay nolazain’i Balahama ka nanatitra vantotr’ombilahy iray sy ondrilahy iray isan’alitara izy.


Ireo ihany, noho ny torohevitr’i Balahama, no nahatonga ny Israelita hanao fahadisoana lehibe tamin’ny TOMPO, tamin’ilay raharahan’i Pehôra, ka niavian’ny areti-mandringana teo amin’ny fiangonan’ny TOMPO.


Saingy izao no zavatra kely anomezako tsiny anao: misy eo aminao izay mifikitra amin’ny fampianaran’i Balahàma, ilay nanome fo an’i Balàka hanisy fandrika mitaona ny Israelita amin’ny fahotana; ary dia voatarika tokoa ireo Israelita hihinan-kena natao fanatitra tamin’ny sampy sy hijangajanga.


Raha misy olona mahatratra ny fahavalony, moa avelany handeha soa aman-tsara ve izy? Sanatria! Koa hamaly fitia anao anie ny Tompo noho izay nataonao tamiko androany.


Dia nidina nankany an-taniefitr’i Zifa i Saoly nitondra miaramila telo arivo voafantina tamin’i Israely mba hitady an’i Davida any.


Ary hoy i Saoly tamin’i Davida: –Hitahy anao anie ny Tompo, ry Davida zanako! Eny, hahomby avokoa ny zava-dehibe izay hataonao. Dia lasa nanohy ny diany i Davida, fa i Saoly kosa niverina nody.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra