Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 21:9 - DIEM PROTESTANTA

Dia nanao bibilava varahina i Mosesy ka nahantony tamin’ny hazo lava. Ary nisy olona voakaikitry ny bibilava misy poizina ka mijery ilay bibilava varahina, dia velona.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nanao menarana varahina i Mosesy ka nanantona azy tamin’ny hazo lava; koa izay olona voakaikitry ny menarana ka nijery ilay menarana varahina dia velona.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia nanao bibilava varahina i Mosesy ka nahantony tamin’ny hazo lava. Ary nisy olona voakaikitry ny bibilava misy poizina ka mijery ilay bibilava varahina, dia velona.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Dia nanao bibilava varahina i Môizy, ka napetrany teo amin’ny tsato-kazo anankiray, ary raha nisy voakaikitry ny bibilava, dia nijery ny bibilava varahina izy dia velona.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nanao menarana varahina Mosesy ka nanantona azy tamin’ny hazo lava; ary izay olona voakaikitry ny menarana ka nijery ilay menarana varahina dia velona.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nanao menarana varahina Mosesy ka nanantona azy tamin'ny hazo lava; ary izay olona voakaikitry ny menarana ka nijery ilay menarana varahina dia velona.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nanao menarana varahina i Mosesy ka nanantona azy tamin’ny hazo lava; koa izay olona voakaikitry ny menarana ka nijery ilay menarana varahina dia velona.

Jereo ny toko



Nomery 21:9
13 Rohy Ifampitohizana  

Izy no nanafoana ny toeram-panasinana sy nanamontsana tsangambaton-tsampy sy nikapa ny tsatokazo fanajana an’i Aserà ary nanorotoro ny bibilava halimo izay nataon’i Mosesy; satria hatramin’io fotoana io no efa nandoroan’ny Israelita ditin-kazo manitra ho an’ilay bibilava nantsoina hoe Nehostana.


Mitodiha atỳ amiko, dia ho voavonjy ianareo, ry olona amin’ny vazan-tany rehetra; satria Izaho no Andriamanitra fa tsy misy hafa.


Fanahim-pangorahana sy fanahim-bavaka no hanentanako ny taranak’i Davida sy ny mponin’i Jerosalema. Ka hijery Ahy ireo noho ny amin’Ilay nolefoniny, ary hisaona azy toy ny fisaonana zanakalahy tokana sady hitomany azy toy ny fitomaniana lahimatoa.


Nony ampitso, dia nahita an’i Jesoa avy nanatona azy i Jôhany ka hoy izy: –Indro ny Zanakondrin’Andriamanitra, Ilay manala ny fahotan’izao tontolo izao!


Ary Izaho, rehefa voasandratra avy eo amin’ny tany, dia hitaona ny olona rehetra hanatona Ahy.


Eny, izao no sitrapon’ny Raiko: dia ny hahavelona aina mandrakizay ny olona rehetra mibanjina sy mino ny Zanaka; ary Izaho dia hanangana azy ho velona amin’ny andro farany.


Eny, asehon’ny Vaovao Mahafaly fa ny aneken’Andriamanitra ny olona ho marina dia ny finoana, hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany, araka ny voalazan’ny Soratra Masina hoe: «Ny olo-marina noho ny finoana dia ho velona.»


Satria izay tsy vitan’ny lalànan’i Mosesy, noho ny lalàna nolemen’ny maha olona mpanota, dia notontosain’Andriamanitra. Voahelok’Andriamanitra ny fahotana tao amin’ny maha olona mpanota fony Izy naniraka ny Zanany, Izay naka ny endriky ny maha olombelona mba hanaisotra ny fahotana.


Tsy mba nanota na oviana na oviana i Kristy, nefa ny otantsika dia nampitondrain’Andriamanitra Azy ho famonjena antsika, mba hahatonga antsika handray ny fahamarinana omen’Andriamanitra noho ny firaisana amin’i Kristy.


Aoka isika hifantoka tsara amin’i Jesoa, Izay loharanon’ny finoantsika hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany. Niaretan’i Jesoa ny namonoana Azy teo amin’ny hazofijaliana fa tsy nitandroany henatra, satria tsinjony sahady ny hafaliana natao ho azony; ka izao Izy efa mipetraka eo ankavanan’ny sezafiandrianan’Andriamanitra.


Izay manota dia avy amin’ny devoly, satria ny devoly dia mpanota hatrany am-boalohany. Ary ny anton’ny nisehoan’ilay Zanak’Andriamanitra, dia ny handrava ny asan’ny devoly.