Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Zakaria 12:10 - DIEM PROTESTANTA

10 Fanahim-pangorahana sy fanahim-bavaka no hanentanako ny taranak’i Davida sy ny mponin’i Jerosalema. Ka hijery Ahy ireo noho ny amin’Ilay nolefoniny, ary hisaona azy toy ny fisaonana zanakalahy tokana sady hitomany azy toy ny fitomaniana lahimatoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Ary haidiko amin’ny taranak’i Davida sy amin’ny mponina any Jerosalema ny fanahin’ny fahasoavana sy ny fifonana ka hijery Ahy izay nolefoniny izy. Ary hisaona Azy toy ny fisaonana zanakalahy tokana izy sady halahelo Azy toy ny fahalahelovan’ny olona ny lahimatoany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Fanahim-pangorahana sy fanahim-bavaka no hanentanako ny taranak’i Davida sy ny mponin’i Jerosalema. Ka hijery Ahy ireo noho ny amin’Ilay nolefoniny, ary hisaona azy toy ny fisaonana zanakalahy tokana sady hitomany azy toy ny fitomaniana lahimatoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 Ary haidiko amin’ny taranak’i Davida sy amin’ny mponina ao Jerosalema ny fanahin’ny fahasoavana amam-piofanana; ka hatodiny ny masony hijery ahy izay nolefoniny. Ary hanao fisaonana azy izy, toy ny fisaonana zanaka lahitokana; hitomany mafy azy izy ireo toy ny fitomany zanaka lahy matoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Ary haidiko amin’ny taranak’i Davida sy amin’ny mponina any Jerosalema ny fanahin’ny fahasoavana sy ny fifonana, ka hijery Ahy Izay nolefoniny izy, ary hisaona Azy toy ny fisaonana zanakalahy tokana izy sady halahelo Azy toy ny fahalahelovan’ny olona ny lahimatoany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Ary haidiko amin'ny taranak'i Davida sy amin'ny mponina any Jerosalema ny fanahin'ny fahasoavana sy ny fifonana, ka hijery Ahy Izay nolefoniny izy, ary hisaona Azy toy ny fisaonana zanakalahy tokana izy sady halahelo Azy toy ny fahalahelovan'ny olona ny lahimatoany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Ary haidiko amin’ny taranak’i Davida sy amin’ny mponina any Jerosalema ny fanahin’ny fahasoavana sy ny fifonana ka hijery Ahy izay nolefoniny izy. Ary hisaona Azy toy ny fisaonana zanakalahy tokana izy sady halahelo Azy toy ny fahalahelovan’ny olona ny lahimatoany.

Jereo ny toko dika mitovy




Zakaria 12:10
39 Rohy Ifampitohizana  

Ary tsy nahatsindry ny fihetseham-pony teo imason’ny olona rehetra nanodidina azy intsony i Jôsefa; dia nasainy nivoaka ny trano izy rehetra. Koa tsy nisy olon-kafa teo amin’i Jôsefa fony izy nampahafantatra ny tenany tamin’ireo rahalahiny.


Mafy loatra anefa ny tomanin’i Jôsefa ka ren’ny Ejiptianina maro, ary heno hatrany an-dapan’ny Farao.


Amorony fo madio aho, Andriamanitra ô, fanahy mahatoky no aoreno ato anatiko.


Miverena hihaino ny fananarako ianareo fa indro haidiko aminareo ny fanahiko ary hampahafantariko anareo ny teniko.


Izaho koa mba zanaka mamin-draiko ary malalan-dreniko toy ny lahitokany.


Indray andro any, dia hatosaka ny Fanahy avy amin’ny Tompo ao ambony; ka hanjary saha mahavokatra ny taniefitra ary ny saha mahavokatra hanana ny lanjan’ny ala.


Mitodiha atỳ amiko, dia ho voavonjy ianareo, ry olona amin’ny vazan-tany rehetra; satria Izaho no Andriamanitra fa tsy misy hafa.


Eny, niodina taminao izahay nefa anenenanay kosa izany. Nampahafantarinao anay ny fahadisoanay, ka mandondon-tratra izahay ankehitriny. Menatra sady mangaihay ny tenanay; manala baràka anay ny fahatanoranay ka hozakainay ny vokany.›


Tonga am-pitomaniana izy ka narahiko sady nampiononiko. Any amin’ny lemaka misy rano no hitarihako azy ary lala-mahitsy no hizorany ka tsy ho tafintohina izy. Ho Ray Aho amin’i Israely, ary ho lahimatoako i Efraîma.»


Amin’izany andro sy fotoana izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, dia hiara-tonga ny Israelita sy ny Jodeanina, ka sady mitomany izy no mandeha hitady Ahy TOMPO Andriamaniny.


Ry vahoakako, misikìna lamba fisaonana ka mihosena amin’ny vovoka; ataovy ny fombafomba rehetra fanao amin’ny fisaonana zanaka lahitokana, ka mitomania fatratra ianareo fa ho avy tampoka ny fahavalo mpandringana.


Ao ianareo no hisaintsaina ny fitondrantenanareo tamin’ny lasa sy ireo asa nampahaloto anareo. Haharikoriko anareo ny tenanareo noho ny ratsy rehetra efa nataonareo.


ary hapetrako ao anatinareo ny Fanahiko dia ho velona ianareo ka hamponeniko indray ao an-tanindrazanareo. Eny, amin’izay dia hoekenareo fa Izaho TOMPO no nampanantena sady nahatanteraka izany; teny hentitra avy amiko TOMPO izany›. »


Ny Fanahiko no hatosako amin’ny Israelita, ka tsy hiafenako tava intsony ireo; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.


havadiko ho fisaonana ny fetinareo ary ho fitomaniana ny hiram-pifalianareo; hosikinako lamba gony ianareo rehetra sady hosolako loha ka hataoko tahaka ny olona misaona zanaka lahitokana; ary ho tahaka ny androm-pahoriana mangidy no fiafaran’izany.»


Ary hotsapaiko io ampahatelony io ka hodioviko toy ny fandrendrika volamena sy volafotsy amin’ny afo. Koa hivavaka amiko izy, ary hamaly azy Aho. Dia hilaza aminy Aho hoe: ‹Ry vahoakako› ary izy hanao hoe: ‹Ny Tompo no Andriamanitray›. »


Dia nanao bibilava varahina i Mosesy ka nahantony tamin’ny hazo lava. Ary nisy olona voakaikitry ny bibilava misy poizina ka mijery ilay bibilava varahina, dia velona.


Amin’izay dia hiseho eny amin’ny habakabaka ny famantarana momba ny Zanak’olona; ka handon-tratra avokoa ny firenena rehetra eto an-tany ary hahita ny Zanak’olona tamy eo amin’ny rahon’ny habakabaka sady ombàn-kery sy voninahitra lehibe.


ary tsaroan’i Petera ny teny voalazan’i Jesoa hoe: «Alohan’ny maneno akoho, dia handà Ahy intelo ianao.» Dia lasa nankany ivelany i Petera ka nitomany fatratra.


Nony ampitso, dia nahita an’i Jesoa avy nanatona azy i Jôhany ka hoy izy: –Indro ny Zanakondrin’Andriamanitra, Ilay manala ny fahotan’izao tontolo izao!


Talanjona ireo mpino jiosy tafaraka tamin’i Petera, satria narotsaka tamin’ny hafa firenena koa ny Fanahy Masina fanomezan’Andriamanitra;


Vao nanomboka niteny aho, dia efa nilatsaka tamin’izy rehetra ny Fanahy Masina tahaka ny nilatsahany tamintsika tany am-boalohany koa.


«Izao no ho tonga amin’ny andro farany, hoy Andriamanitra: Handrotsahako ny Fanahiko ny olombelona rehetra; hilaza hafatra avy amiko ny zanakareo lahy aman-janakareo vavy, hisehoam-pahitana ny tanoranareo, ary hahazo tsindrimandry ny zokiolonareo.


Nasandratra ho eo ankavanan’Andriamanitra Izy ka nandray avy tamin’ny Ray ny Fanahy Masina Izay nampanantenaina ary narotsany taminay izany araka izao hitanareo sy renareo izao.


Raha nandre izany ny olona, dia voatsindrona tao am-pony ka nanontany an’i Petera sy ny apôstôly namany hoe: –Ry havana, inona no tokony hataonay?


Satria tsy fanahy maha mpanompo no voarainareo ka hahatonga anareo hatahotra indray; fa ny Fanahy Masina maha zanak’Andriamanitra no voarainareo, ka ahafahantsika miantso an’Andriamanitra hoe: «Raiko ô!»


Toy izany koa no anampian’ny Fanahy Masina antsika amin’ny halementsika. Satria izay vavaka, araka ny tokony hataontsika, dia tsy fantatsika akory; fa ny Fanahy Masina mihitsy no mivavaka ho antsika amin-tsento tsy hay ambara amin-teny.


Mivavaha hatrany ary mangataha ny fanampian’Andriamanitra amin’izany; eny, mivavaha mandrakariva araka izay anentanan’ny Fanahy Masina anareo. Miambena sy mazotoa hatrany mba hahatongavana amin’io tanjona io, ary dia mivavaha ho an’ny vahoakan’Andriamanitra rehetra.


Aoka isika hifantoka tsara amin’i Jesoa, Izay loharanon’ny finoantsika hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany. Niaretan’i Jesoa ny namonoana Azy teo amin’ny hazofijaliana fa tsy nitandroany henatra, satria tsinjony sahady ny hafaliana natao ho azony; ka izao Izy efa mipetraka eo ankavanan’ny sezafiandrianan’Andriamanitra.


Ianareo kosa, ry hava-malala, ataovy izay handrosoanareo amin’ny finoana masina indrindra efa anananareo, ka mivavaha ombàn’ny herin’ny Fanahy Masina;


Indro i Jesoa Kristy, tamy eo amin’ny rahona, ka hahita maso Azy ny olona rehetra, na dia ireo nandefona Azy aza, ary hitomany Azy ny firenena rehetra ambonin’ny tany. Eny, izany tokoa!


Hatramin’ny nitoeran’ny Vatamasin’ny TOMPO tany Kiriata-Jeharîma, dia andro maro no nifandimby, efa roapolo taona izao. Nalahelo te hiverina amin’ny TOMPO ny Israelita rehetra


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra