Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 21:8 - DIEM PROTESTANTA

8 Ary hoy ny TOMPO taminy: –Manaova bibilava varahina dia ahantony amin’ny hazo lava fa izay rehetra voakaikitra, ka mijery izany, dia ho velona sady afa-doza.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Manaova menarana varahina ka ahantòny amin’ny hazo lava, ary izay rehetra voakaikitra ka mijery izany dia ho velona.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Ary hoy ny TOMPO taminy: –Manaova bibilava varahina dia ahantony amin’ny hazo lava fa izay rehetra voakaikitra, ka mijery izany, dia ho velona sady afa-doza.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 ka hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Manaova ianao bibilava mahamay ka apetraho amin’ny tsato-kazo, fa ho velona aina izay rehetra voakaikitra ka mijery izany.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Ary hoy Jehovah taminy: Manaova menaran-afo, ka ahantòny amin’ny hazo lava, ary izay rehetra voakaikitra dia ho velona, raha mijery izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Ary hoy Jehovah taminy: Manaova menaran'afo, ka ahantòny amin'ny hazo lava, ary izay rehetra voakaikitra dia ho velona, raha mijery izany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Manaova menarana varahina ka ahantòny amin’ny hazo lava, ary izay rehetra voakaikitra ka mijery izany dia ho velona.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 21:8
7 Rohy Ifampitohizana  

Izy no nanafoana ny toeram-panasinana sy nanamontsana tsangambaton-tsampy sy nikapa ny tsatokazo fanajana an’i Aserà ary nanorotoro ny bibilava halimo izay nataon’i Mosesy; satria hatramin’io fotoana io no efa nandoroan’ny Israelita ditin-kazo manitra ho an’ilay bibilava nantsoina hoe Nehostana.


Miantra sy be indrafo ny TOMPO, tsy malaky tezitra ary be fitiavana;


Aza mifaly ambony ihany ianareo, ry Filistinina rehetra, na dia tapaka aza ny tsorakazo izay nikapohana anareo, satria hisy menarana hipoitra avy amin’ny fatin’ny bibilava ary hisy dragona manidina hipoitra avy amin’ny atodin’ny menarana.


Hafatra momba ny biby mivesatra entana any Negeba. Faritra mampahory sy mampitebiteby sady misy liona masiaka mierona ary koa menarana sy dragona manidina no indro vakivakîn’ny olona ka itondrany harena sy zava-tsoa eny an-damosin’ny boriky sy eny ambony trafon’ny rameva hankany amin’ny firenena tsy mahasoa azy akory.


Mitodiha atỳ amiko, dia ho voavonjy ianareo, ry olona amin’ny vazan-tany rehetra; satria Izaho no Andriamanitra fa tsy misy hafa.


Ary tahaka ny nanandratan’i Mosesy ny bibilava varahina tany an-taniefitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’olona


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra