Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 21:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Dia nankeo amin’i Mosesy ny vahoaka sisa ka nanao hoe: –Efa nanota izahay fa nanome tsiny ny TOMPO sy ny tenanao. Koa ifony re ny TOMPO mba hanala ireo bibilava ireo aminay. Dia nifona ho an’ny vahoaka i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Dia nankeo amin’i Mosesy ny olona ka niteny hoe: Efa nanota izahay fa niteny nanohitra NY TOMPO sy ianao. Ifony amin’NY TOMPO izahay mba hanesorany ny menarana hiala aminay. Dia nifona ho an’ny olona i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Dia nankeo amin’i Mosesy ny vahoaka sisa ka nanao hoe: –Efa nanota izahay fa nanome tsiny ny TOMPO sy ny tenanao. Koa ifony re ny TOMPO mba hanala ireo bibilava ireo aminay. Dia nifona ho an’ny vahoaka i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Nankeo amin’i Môizy ny vahoaka ka nanao hoe: «Efa nanota izahay fa niteny nanome tsiny an’i Iaveh sy ianao. Mivavaha amin’i Iaveh mba hoesoriny lavitra anay ireo bibilava ireo.» Dia nivavaka ho an’ny vahoaka i Môizy,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Dia nankeo amin’i Mosesy ny olona ka nanao hoe: Efa nanota izahay, fa efa niteny nanome tsiny an’i Jehovah sy hianao. Ifony amin’i Jehovah izahay mba hanesorany ny menarana aminay. Dia nifona ho an’ny olona Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Dia nankeo amin'i Mosesy ny olona ka nanao hoe: Efa nanota izahay, fa efa niteny nanome tsiny an'i Jehovah sy ianao. Ifony amin'i Jehovah izahay mba hanesorany ny menarana aminay. Dia nifona ho an'ny olona Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Dia nankeo amin’i Mosesy ny olona ka niteny hoe: Efa nanota izahay fa niteny nanohitra NY TOMPO sy ianao. Ifony amin’NY TOMPO izahay mba hanesorany ny menarana hiala aminay. Dia nifona ho an’ny olona i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 21:7
30 Rohy Ifampitohizana  

Nataon’ny TOMPO momba koa ny vehivavy rehetra tao an-tranon’i Abimelèka noho ilay raharahan’i Sarà vadin’i Abrahama. Dia nivavaka tamin’Andriamanitra i Abrahama; koa nositranin’Andriamanitra i Abimelèka sy ny vadiny ary ireo mpanompovaviny, ka afa-niteraka indray.


Koa ankehitriny avereno amin’ny vadiny ravehivavy. Mpaminany izy ka hivavaka ho anao, dia tsy ho faty ianao. Fa raha tsy averinao kosa izy, dia fantaro fa ho faty tokoa ianao sy izay rehetra anao.


Ary hoy ny mpanjaka tamin’ilay olon’Andriamanitra: –Mba ifony amin’ny TOMPO Andriamanitrao re aho ka mivavaha ho ahy mba ho azoko ketrahina indray ny tanako. Dia nifona tamin’ny TOMPO ilay olon’Andriamanitra, ka azon’ny mpanjaka noketrahina indray ny tanany, ary tafaverina toy ny teo aloha.


Nifona tamin’ny TOMPO anefa i Jôahaza, dia nihaino azy IZY satria hitany ny fampahorian’ny mpanjakan’i Siria an’i Israely;


Rehefa avy nivavaka ho an’ireo namany i Jôba, dia naverin’ny TOMPO hanan-karena indray ary nomeny indroan’izay rehetra nananany fahiny aza.


Koa ankehitriny makà ombilahy fito sy ondrilahy fito ianareo, dia mankanesa any amin’ny Jôba mpanompoko. Hatolotrareo ho sorona dorana manontolo noho ny fahotanareo ireo biby ireo; ary hifona ho anareo i Jôba mpanompoko. Fa ho sitrako ny vavak’i Jôba, ka tsy hamaly anareo araka ny hadalànareo Aho na dia tsy marina tahaka izay nolazain’i Jôba mpanompoko aza ny filàzanareo Ahy.


Dia nilaza Andriamanitra fa handringana azy; kanjo i Mosesy ilay voafidiny dia nanelanelana teo anatrehany ka nisakana ny hatezerany tsy hamongotra.


Fa raha naringana izy, dia nitady an’Andriamanitra, ary mba niverina nikatsaka Azy ihany;


Mba mamelà ny heloko amin’ity indray mandeha ity, ary mangataha amin’ny TOMPO Andriamanitrareo mba hanesorany amiko izao loza mahatsiravina izao.


Fa niangavy ny TOMPO Andriamaniny i Mosesy mba ho tony ka nanao hoe: –TOMPO ô, nahoana no hanampatra ny fahatezeranao amin’ny vahoakanao Ianao, rehefa avy nampiasa hery lehibe sy fahefana tsy hay tohaina mba hamoaka azy hiala tany Ejipta?


Nony ampitso dia hoy i Mosesy tamin’ny vahoaka israelita: –Nanao heloka bevava ianareo. Koa hiakatra ho any an-tendrombohitra any amin’ny TOMPO aho izao; angamba hahazo famelana ny helokareo aho.


Kanefa tamin’ity indray mandeha ity koa dia nanamafy fo ihany ny Farao ka tsy nandefa ny Israelita.


Dia nampiantso an’i Mosesy sy i Aharôna ny Farao ka nanao taminy hoe: –Mangataha amin’ny TOMPO mba hanesorany ny sahona amiko, dia halefako hanao sorona aminy ny Israelita.


Dia niala teo anatrehan’ny Farao i Mosesy sy i Aharôna. Ary nitaraina tamin’ny TOMPO i Mosesy momba ireo sahona izay efa namelezany ny Farao;


TOMPO ô, fony azom-pahoriana izahay, dia nitady Anao tokoa; ary niantso vonjy taminao izahay, rehefa voaterin’ny famaizanao.


Ary hoy ny TOMPO tamiko: –Na dia i Mosesy sy i Samoela aza no mitsangana manelanelana eto amiko, dia tsy handefitra amin’ity vahoaka ity Aho. Roahy hiala eto anatrehako izy mba handeha any!


I Tsedekià mpanjaka kosa dia naniraka an’i Jokaly, zanakalahin’i Selemià ary koa i Tsefanià mpisorona, zanakalahin’i Mahaseià ho any amin’i Jeremià mpaminany ihany hanao aminy hoe: –Miangavy anao aho mba hivavaka ho anay amin’ny TOMPO Andriamanitsika.


Handeha hody any amiko Aho, hoy ny TOMPO, mandra-piaikin’i Efraîma sy i Joda ho diso ka hitadiavany ny tavako. Rehefa azom-pahoriana mafy izy, dia hikatsaka Ahy fatratra.


Dia nitalaho sy nikiakiaka tamin’i Mosesy ny vahoaka; koa nifona tamin’ny TOMPO i Mosesy, dia maty ny afo.


sady nilaza hoe: –Nanota aho fa nanolotra olona tsy manan-tsiny hovonoina. Fa hoy ireo: –Ahoanay inona izany? Raharahanao ny anao!


Dia hoy i Simôna tamin’i Petera sy i Jôhany: –Ianareo mihitsy no mangataha ho ahy amin’ny Tompo, mba tsy hisy hihatra amiko akory izay voalazanareo.


Ry havana, ny irîn’ny foko sy angatahiko amin’Andriamanitra ho an’ny Jiosy dia ny hahazoany famonjena.


Tezitra mafy tamin’i Aharôna koa ny TOMPO ka saika handringana azy; saingy nifona ho an’i Aharôna koa aho tamin’izany andro izany.


Koa mieke heloka ianareo samy ianareo, ary mifampivavaha mba hahasitrana anareo; fa mahery fiasa tokoa ny fivavaky ny olo-marina.


Ka hoy ny navalin’i Saoly azy: –Efa nanota tokoa aho, satria nandika ny didin’ny TOMPO sy ny teninao. Natahotra ny miaramila manko aho, ka nanaraka ny teniny.


Fa hoy ihany i Saoly hoe: –Efa diso aho, kanefa aoka re mba homenao voninahitra eo anatrehan’ny loholon’ilay Israely vahoakako ihany aho; miverena miaraka amiko mba hahazoako eo anatrehan’ny TOMPO Andriamanitrao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra