Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 21:3 - DIEM PROTESTANTA

Nohenoin’ny TOMPO ny voadin’ny Israelita ka natolony azy ny Kanahanita. Dia nataon’ny Israelita levona izy ireo mbamin’ny tanànany; ary ny anaran’izany toerana izany dia natao hoe Hôrmà.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary NY TOMPO nihaino ny feon’ny Israely ka natolony azy ny Kananita. Dia nataon’ny Israely ho zavatra voaozona izy ireo sy ny tanànany; koa ny anaran’izany tany izany dia natao hoe Horma na Ozona.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nohenoin’ny TOMPO ny voadin’ny Israelita ka natolony azy ny Kanahanita. Dia nataon’ny Israelita levona izy ireo mbamin’ny tanànany; ary ny anaran’izany toerana izany dia natao hoe Hôrmà.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Nohenoin’i Iaveh ny feon’i Israely, ka natolony ny Kananeanina, dia natao anatema izy ireo, mbamin’ny tanànany. Ary ny anaran’izany fitoerana izany dia natao hoe Hormà.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Jehovah nihaino ny feon’ny Isiraely ka dia natolony azy ny Kananita: ary dia nataon’ny Isiraely levona izy sy ny tanànany; koa ny anaran’izany tany izany dia hatao hoe Horma.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Jehovah nihaino ny feon'ny Isiraely ka dia natolony azy ny Kananita: ary dia nataon'ny Isiraely levona izy sy ny tanànany; koa ny anaran'izany tany izany dia natao hoe Horma.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary NY TOMPO nihaino ny feon’ny Israely ka natolony azy ny Kananita. Dia nataon’ny Israely ho zavatra voaozona izy ireo sy ny tanànany; koa ny anaran’izany tany izany dia natao hoe Horma na Ozona.

Jereo ny toko



Nomery 21:3
11 Rohy Ifampitohizana  

TOMPO ô, renao ny fanirian’ny malahelo ka ampaherezinao tokoa ny fony.


Fa rehefa hanangana indray an’i Tsiôna IZY ka hiseho miharihary amim-boninahitra,


Tiako ny TOMPO noho Izy mihaino ny feoko fony aho mitalaho aminy.


Raha miantso vonjy amiko izy, dia hovaliako; raha azom-pahoriana izy, dia ho eo anilany Aho; hafahako izy sy homeko voninahitra.


Nidinan’ny Hamalekita sy ny Kanahanita izay nonina tamin’izany tendrombohitra izany izy ireo ka notafihiny ary nenjehiny hatrany Hôrmà.


Kanjo niainga hiady aminareo ny Amôrita izay nonina tamin’izany faritra havoana izany, dia nandresy anareo tao Sehîra ka tahaka ny andian-drenitantely ireo no nanenjika anareo hatrany Hôrmà.


Fa ny tanànan’ireto firenena ireto, tanàna izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo ho fanananareo, dia tsy havelanareo hisy miangana izay olona sy mananaina rehetra ao.


i Hôrmà, i Harada,


i Eltôlada, i Kenila, i Hôrmà,


Ary ny vatan-dehilahin’i Joda dia mbola nandeha nanafika niaraka tamin’ny taranak’i Simehôna rahalahin’i Joda ihany ka nandresy ny Kanahanita nonina tao Tsefata. Noravany tanteraka io tanàna io, ka nanomboka hatreo ny anaran’ny tanàna dia nataony hoe Hôrmà na Faharavana.


ireo loholon’i Hôrmà sy i Bôra-Hasàna ary i Hatàka,