Nomery 2:25 - DIEM PROTESTANTA «Amin’ny lafiny avaratra kosa no hisy ireo tafika mivondrona ao anatin’ny tobin’i Dana, izay ahitana mifanila ny tafika danita sy aserita ary naftalita. Ny vatan-dehilahy voaisa ho afa-mitam-piadiana dia hotarihin’ny filoha anankiray avy amin’ny fokony araka izao: ho an’ny fokon’i Dana dia i Ahihezera zanakalahin’i Hamisaday miaraka amin’ny vatan-dehilahy 62 700; ho an’ny fokon’i Asera dia i Pagihiela zanakalahin’i Hôkràna miaraka amin’ny vatan-dehilahy 41 500; ho an’ny fokon’i Naftalỳ dia i Ahira zanakalahin’i Henàna miaraka amin’ny vatan-dehilahy 53 400. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny fanevan’ny tobin’i Dana, araka ny antokony, dia ho eo amin’ny lafiny avaratra. Ny lohan’ny taranak’i Dana dia i Ahiezera, zanak’i Amisaday. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Amin’ny lafiny avaratra kosa no hisy ireo tafika mivondrona ao anatin’ny tobin’i Dana, izay ahitana mifanila ny tafika danita sy aserita ary naftalita. Ny vatan-dehilahy voaisa ho afa-mitam-piadiana dia hotarihin’ny filoha anankiray avy amin’ny fokony araka izao: ho an’ny fokon’i Dana dia i Ahihezera zanakalahin’i Hamisaday miaraka amin’ny vatan-dehilahy 62 700; ho an’ny fokon’i Asera dia i Pagihiela zanakalahin’i Hôkràna miaraka amin’ny vatan-dehilahy 41 500; ho an’ny fokon’i Naftalỳ dia i Ahira zanakalahin’i Henàna miaraka amin’ny vatan-dehilahy 53 400. Baiboly Katolika Ny fanevan’ny tobin’i Dana no ho eo avaratra, mbamin’ny antokony. Ny filohan’ny taranak’i Dana dia i Ahiesera zanak’i Amisadaìa; Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny fanevan’ny tobin’i Dana, araka ny antokony, dia ho eo amin’ny lafiny avaratra; ary ny lohan’ny taranak’i Dana dia Ahiezera, zanak’i Amisaday; Malagasy Bible Ary ny fanevan'ny tobin'i Dana, araka ny antokony, dia ho eo amin'ny lafiny avaratra; ary ny lohan'ny taranak'i Dana dia Ahiezera, zanak'i Amisaday; La Bible en Malgache Ny fanevan’ny tobin’i Dana, araka ny antokony, dia ho eo amin’ny lafiny avaratra. Ny lohan’ny taranak’i Dana dia i Ahiezera, zanak’i Amisaday. |
Ny fanevan’i Dàna mbamin’ny antokon-tafiny no nanainga farany. Izy ireo no vodilaharana; ny tafiky ny taranak’i Dana dia notarihin’i Ahihezera, zanakalahin’i Hamisaday;
I Tsoriela zanakalahin’i Abihaîla no filoham-pianakaviamben’ny Merarita. Nitoby teo amin’ny lafy avaratry ny Fonena-masina izy ireo.