Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 2:31 - DIEM PROTESTANTA

31 «Ny vatan-dehilahy ao anatin’ny tobin’i Dana dia mitontaly 157 600. Ireo kosa no ho vodilaharana. «Dia samy handeha miaraka amin’ny fanevany avy ireo vondron-tafika efatra ireo.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

31 Ny tontalin’izay voaisa teo amin’ny tobin’i Dana dia eninjato sy fito arivo sy dimy alina sy iray hetsy. Ireo kosa no vodilalana, araka ny fanevany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

31 «Ny vatan-dehilahy ao anatin’ny tobin’i Dana dia mitontaly 157 600. Ireo kosa no ho vodilaharana. «Dia samy handeha miaraka amin’ny fanevany avy ireo vondron-tafika efatra ireo.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

31 Ka dia 157.600 no totalin’ny eo amin’ny tobin’i Dana, araka ny lehilahy voaisa. Ireo kosa no ho vodilalana manaraka ny fanevany avy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

31 Ny tontalin’izay nalamina teo amin’ny tobin’i Dana dia enin-jato amby fito arivo sy dimy alina sy iray hetsy. Dia ireo kosa no vodi-làlana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

31 Ny tontalin'izay nalamina teo amin'ny tobin'i Dana dia enin-jato amby fito arivo sy dimy alina sy iray hetsy. Dia ireo kosa no vodi-lalana.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 2:31
5 Rohy Ifampitohizana  

Ny fanevan’i Dàna mbamin’ny antokon-tafiny no nanainga farany. Izy ireo no vodilaharana; ny tafiky ny taranak’i Dana dia notarihin’i Ahihezera, zanakalahin’i Hamisaday;


Ny vatan-dehilahy ao anatin’ny tobin’i Reobena dia mitontaly 151 450. Ireo no mandeha faharoa.


Ny vatan-dehilahy ao anatin’ny tobin’i Efraîma dia mitontaly 108 100. Ireo no mandeha fahatelo.


Ny vatan-dehilahy ao anatin’ny tobin’i Joda dia mitontaly 186 400. Ireo no mpialoha lalana ny vahoaka israelita.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra