Mialà ianareo mpitondra ny fanaky ny TOMPO, mialà, mivoaha avy ao Babilôna. Aza mikasika izay maloto, fa aoka hadio ianareo no mivoaka tao!
Nomery 19:16 - DIEM PROTESTANTA Izay any an-tsaha, ka mandona olona matin-tsabatra na maty ho azy na koa mandona taolam-paty na fasana, dia haloto mandritra ny fito andro. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izay rehetra mikasika izay matin-tsabatra any an-tsaha, na fatin’olona na taolan’olona na fasana, dia haloto hafitoana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Izay any an-tsaha, ka mandona olona matin-tsabatra na maty ho azy na koa mandona taolam-paty na fasana, dia haloto mandritra ny fito andro. Baiboly Katolika Na iza na iza any an-tsaha, mikasika olona novonoin-tsabatra, na fatin’olona, na taolam-paty, na fasana, dia haloto hafitoana. Baiboly Protestanta Malagasy Ary izay rehetra mikasika izay matin-tsabatra any an-tsaha, na fatin’olona, na taolan’olona, na fasana, dia haloto hafitoana. Malagasy Bible Ary izay rehetra mikasika izay matin-tsabatra any an-tsaha, na fatin'olona, na taolan'olona, na fasana, dia haloto hafitoana. La Bible en Malgache Izay rehetra mikasika izay matin-tsabatra any an-tsaha, na fatin’olona na taolan’olona na fasana, dia haloto hafitoana. |
Mialà ianareo mpitondra ny fanaky ny TOMPO, mialà, mivoaha avy ao Babilôna. Aza mikasika izay maloto, fa aoka hadio ianareo no mivoaka tao!
Ary amin’ny toy izany dia hiandry fito andro aorian’ny fidiovany tena izy vao hahazo hiditra amin’ny raharahany.
Dia niteny tamin’i Mosesy ny TOMPO mba hamepetra ny mpisorona, zanakalahin’i Aharôna hoe: «Aoka ny mpisorona tsy handoto tena amin’ny fikasihana ny fatin’olona anisan’ny fianakaviany,
Ny fitoeran-javatra rehetra izay misokatra ka tsy misy sarony mifatotra aminy dia haloto.
Mitobia any ivelan’ny toby mandritra ny fito andro ianareo, dia ianareo izay nahafaty olona na nikasi-paty, ka samia midio amin’ny andro fahatelo sy fahafito, na ny tenanareo na ny zazavavy sambo-belonareo.
mba handidy ny Israelita hoe: –Aoka havoaka hiala ny toby avokoa izay rehetra marary hoditra, na voan’ny angatra, na maloto nikasi-paty!
Mandritra izany fotoana rehetra itokanany tena ho an’ny TOMPO izany koa, dia tsy mahazo manakaiky fatin’olona izy;
Tamin’izay andro izay anefa dia nisy olona sasany voaloton’ny fatin’olona ka tsy nahazo nankalaza ny Paska. Koa dia nankany amin’i Mosesy sy i Aharôna izy androtr’io ihany
Mampalahelo ianareo, ry mpahay lalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy! Fa tahaka ny fasana voalalotra fotsy ianareo ka madio eto ivelany nefa ao anatiny feno taolam-paty sy henika fahalòvana.
Mampalahelo ianareo, fa toy ny fasana tsy misy famantarana ka voahitsakitsaky ny olona tsy ampoiziny.