Rehefa vitan’Andriamanitra ny resaka nifanaovany tamin’i Abrahama, dia nandao azy Izy.
Nomery 12:9 - DIEM PROTESTANTA Tezitra mafy tamin’izy mianadahy ny TOMPO ka lasa nandeha. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nirehitra tamin’izy mianadahy ny fahatezeran’NY TOMPO ary lasa Izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tezitra mafy tamin’izy mianadahy ny TOMPO ka lasa nandeha. Baiboly Katolika Ary nirehitra tamin’izy mianadahy ny fahatezeran’i Iaveh, ka lasa Izy. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nirehitra ny fahatezeran’i Jehovah tamin’izy mianadahy, ka niala Izy. Malagasy Bible Dia nirehitra ny fahatezeran'i Jehovah tamin'izy mianadahy, ka niala Izy. La Bible en Malgache Dia nirehitra tamin’izy mianadahy ny fahatezeran’NY TOMPO ary lasa Izy. |
Rehefa vitan’Andriamanitra ny resaka nifanaovany tamin’i Abrahama, dia nandao azy Izy.
Rehefa nahavita ny resaka nataony tamin’i Abrahama ny TOMPO, dia lasa; fa i Abrahama kosa niverina any amin’ny fonenany.
Handeha hody any amiko Aho, hoy ny TOMPO, mandra-piaikin’i Efraîma sy i Joda ho diso ka hitadiavany ny tavako. Rehefa azom-pahoriana mafy izy, dia hikatsaka Ahy fatratra.
Indray andro dia nanao fitarainana tamin’ny TOMPO ireo Israelita. Rehefa nahare izany ny TOMPO, dia tezitra mafy ary nandefa ny afony ka nandoro ny vahoaka sy nandevona ny sisin’ny toby.
Ren’i Mosesy fa samy nitomany isam-pianakaviany teo am-baravaran’ny lainy avy ny vahoaka. Nirehitra aoka izany ny fahatezeran’ny TOMPO. Ary nalahelo mafy i Mosesy