Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 12:10 - DIEM PROTESTANTA

10 Rehefa nisandratra ho eo ambonin’ny Tranolay ny rahona, dia indro feno pentina fotsy toa oram-panala i Miriama fa boka. Nijery azy i Aharôna ka nahita fa boka ny anabaviny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Ary ny rahona dia niala tamin’ny tranolay; ary indro, tonga boka i Miriama ka fotsy tahaka ny orampanala. Ary nijery an’i Miriama i Arona ka indro fa lasa boka ny anabaviny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Rehefa nisandratra ho eo ambonin’ny Tranolay ny rahona, dia indro feno pentina fotsy toa oram-panala i Miriama fa boka. Nijery azy i Aharôna ka nahita fa boka ny anabaviny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 Ny rahona niala teo ambonin’ny trano lay. Ary indro Maria tonga boka, mova tsy ny oram-panala. Nitodika an’i Maria i Aarôna, dia indro fa boka izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Ary ny rahona niala tamin’ny trano-lay; ary, indro, boka Miriama ka fotsy tahaka ny oram-panala; ary Arona dia nijery an’i Miriama, ka indro fa boka izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Ary ny rahona niala tamin'ny trano-lay; ary, indro, boka Miriama ka fotsy tahaka ny oram-panala; ary Arona dia nijery an'i Miriama, ka indro fa boka izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Ary ny rahona dia niala tamin’ny tranolay; ary indro, tonga boka i Miriama ka fotsy tahaka ny orampanala. Ary nijery an’i Miriama i Arona ka indro fa lasa boka ny anabaviny.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 12:10
13 Rohy Ifampitohizana  

Namely ny mpanjaka tamin’ny aretina ny TOMPO; ka tonga boka mandra-pahafatiny izy ary voatery nitoka-monina tao amin’ny trano anankiray. Ka dia i Jôtama, zanany lahy sady efa mpifehy ny tao an-dapa no nitondra ny tany sy ny fanjakana.


satria ny aretin-koditr’i Nahamàna dia hiraikitra aminao sy ny taranakao hatrany hatrany. Rehefa niala teo anatrehan’i Elisà i Gehazỳ, dia indro fa niempaka fotsy toa oram-panala ny hodiny.


Nisy marary hoditra efa-dahy teo ivelan’ny tanàna, akaikin’ny vavahady, ka nifampiresaka hoe: –Inona no ijanonantsika hiandry fahafatesana eto?


Ary ankehitriny, atsofohy ao an-tratranao ny tananao. Dia natsofok’i Mosesy tao an-tratrany ny tanany; nefa rehefa notsoahany avy tao, dia indro boka ny tanany ka fotsy toy ny oram-panala.


Na dia misy mitaiza zanaka aza izy, dia hoesoriko aminy ireny, ka tsy hisy miangana. Eny, hahita loza koa izy amin’ny handaozako azy.


mba handidy ny Israelita hoe: –Aoka havoaka hiala ny toby avokoa izay rehetra marary hoditra, na voan’ny angatra, na maloto nikasi-paty!


Ary dia izao kosa no holazain’ny Mpanjaka amin’izay eo ankaviany: «Mialà amiko ianareo voaozona, mandehana any amin’ny afo maharitra mandrakizay izay voavoatra ho an’ny devoly sy ny anjeliny.


Tsarovy izay nataon’ny TOMPO Andriamanitrareo tamin’i Miriama teny an-dalana, fony ianareo niala tany Ejipta.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra