Izany no hitenenako amin’Andriamanitra hoe: Aza manameloka ahy, fa ampahafantaro ahy kosa ny alahelonao amiko.
Nomery 11:11 - DIEM PROTESTANTA ka niteny tamin’ny TOMPO hoe: –Nahoana izaho mpanomponao no ampahorianao toy izao? ary nahoana no tsy anehoanao hatsarampo aho fa ampitondrainao enta-mavesatra amin’ny fitondrana ity firenena manontolo ity? Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ka hoy i Mosesy tamin’NY TOMPO: Nahoana no dia nasianao ratsy ny mpanomponao? Ary nahoana no tsy nahita fitia teo imasonao aho fa nampitondrainao enta-mavesatra, dia ity vahoaka ity? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ka niteny tamin’ny TOMPO hoe: –Nahoana izaho mpanomponao no ampahorianao toy izao? ary nahoana no tsy anehoanao hatsarampo aho fa ampitondrainao enta-mavesatra amin’ny fitondrana ity firenena manontolo ity? Baiboly Katolika Dia nalahelo i Môizy ka nilaza tamin’i Iaveh hoe: «Nahoana no dia nasianao izao ratsy izao ny mpanomponao, ary nahoana no dia tsy nahita fitia taminao aho, ka novesaranao ny fitondrana ity vahoaka ity? Baiboly Protestanta Malagasy Dia hoy Mosesy tamin’i Jehovah: Nahoana no dia nasianao ratsy ny mpanomponao? ary nahoana no tsy nahita fitia eo imasonao aho ka nampitondrainao enta-mavesatra, dia ity firenena rehetra ity? Malagasy Bible Dia hoy Mosesy tamin'i Jehovah: Nahoana no dia nasianao ratsy ny mpanomponao? ary nahoana no tsy nahita fitia eo imasonao aho, ka nampitondrainao enta-mavesatra, dia ity firenena rehetra ity? La Bible en Malgache ka hoy i Mosesy tamin’NY TOMPO: Nahoana no dia nasianao ratsy ny mpanomponao? Ary nahoana no tsy nahita fitia teo imasonao aho fa nampitondrainao enta-mavesatra, dia ity vahoaka ity? |
Izany no hitenenako amin’Andriamanitra hoe: Aza manameloka ahy, fa ampahafantaro ahy kosa ny alahelonao amiko.
Mpanomponao aho ka aza antsoina hotsaraina, fa tsy misy olombelona ho marina eo anatrehanao.
Dia niantso vonjy tamin’ny TOMPO i Mosesy nanao hoe: –Inona no hataoko amin’ity vahoaka ity? Fa mila hitora-bato ahy mihitsy izy!
Dia niverina tany amin’ny TOMPO i Mosesy ka niteny hoe –Tompo ô, nahoana no nampidi-doza an’ity vahoaka ity ianao? Ahoana àry no nanirahanao ahy atỳ?
Lozako, ry Neny nahitako masoandro! Tsy misy olona toherina sy ilàna ady hoatra ahy eto amin’ny tany manontolo. Tsy nampanjana-bola aho na nisambotra volan’olona, nefa ozonin’ny olon-drehetra.
Nahoana no mitohy ny fijaliako? Nahoana no tsy mety sitrana ny feriko sady tsy andairam-panafody? Ho tonga mamitaka ahy Ianao toy ny mason-dranotrambo ka tsy azo antoka hisy rano.
Izao no nolazainareo: ‹Zava-poana ny manompo an’Andriamanitra. Efa nitandrina izay nasainy notandremana izahay ary efa nisaona araka ny fomba fanao teo anatrehan’ny TOMPOn’izao rehetra izao, nefa tsy nisy soa azonay akory.
Ren’i Mosesy fa samy nitomany isam-pianakaviany teo am-baravaran’ny lainy avy ny vahoaka. Nirehitra aoka izany ny fahatezeran’ny TOMPO. Ary nalahelo mafy i Mosesy
Raha toy izany no hanaovanao ahy, dia vonoy mihitsy aho ho faty. Izany ahay no hanehoanao hatsarampo amiko; fa aza avela hahita ny fahoriako intsony aho.
Ankoatra izay tsy voalaza, dia mbola mitambesatra amiko isan’andro vaky ny fiahiana ny Fiangonana rehetra.
Kanefa hataoko ahoana no fitondra samirery ny olanareo sy ny fitakianareo ary ny adiadinareo?