Nomery 11:10 - DIEM PROTESTANTA Ren’i Mosesy fa samy nitomany isam-pianakaviany teo am-baravaran’ny lainy avy ny vahoaka. Nirehitra aoka izany ny fahatezeran’ny TOMPO. Ary nalahelo mafy i Mosesy Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary i Mosesy dia nandre ny olona tamin’ny isam-pianakaviany nitomany, samy teo amin’ny varavaran’ny tranolainy avy. Dia nirehitra fatratra ny fahatezeran’NY TOMPO, ary tsy sitrak’i Mosesy izany Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ren’i Mosesy fa samy nitomany isam-pianakaviany teo am-baravaran’ny lainy avy ny vahoaka. Nirehitra aoka izany ny fahatezeran’ny TOMPO. Ary nalahelo mafy i Mosesy Baiboly Katolika Ren’i Môizy ny vahoaka samy nitomany, isam-pianakaviany avy, eo am-baravaran-dainy. Nirehitra mafy ny fahatezeran’i Iaveh. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Mosesy nandre ny olona nitomany tamin’ny isam-pianakaviany, samy teo amin’ny varavaran’ny lainy avy; dia nirehitra fatratra ny fahatezeran’i Jehovah; ary tsy sitrak’i Mosesy koa izany. Malagasy Bible Ary Mosesy nandre ny olona nitomany tamin'ny isam-pianakaviany, samy teo amin'ny varavaran'ny lainy avy; dia nirehitra fatratra ny fahatezeran'i Jehovah; ary tsy sitrak'i Mosesy koa izany. La Bible en Malgache Ary i Mosesy dia nandre ny olona tamin’ny isam-pianakaviany nitomany, samy teo amin’ny varavaran’ny tranolainy avy. Dia nirehitra fatratra ny fahatezeran’NY TOMPO, ary tsy sitrak’i Mosesy izany |
Nandre izany ny TOMPO ka nisafoaka tamin’ireo taranak’i Jakôba; nirehitra toy ny afo ny hatezerany ka namely ny Israelita,
Izany indrindra no nampirehitra ny fahatezeran’ny TOMPO tamin’ny vahoakany. Naninji-tanana taminy sy namely azy Izy, Nampihovitrovitra ny tendrombohitra izany; ary toy ny fako tavela eny an-dàlambe no niampatramparan’ny fatin’olona. Saingy, na teo aza izany rehetra izany, dia tsy mbola afaka ny fahatezeran’ny TOMPO fa maninji-tanana mandrahona ihany Izy.
Ary tsy maintsy hafoinao ny zaratany izay nomeko anao. Hampanompoiko ny fahavalonao any amin’ny tany tsy fantatrao ianao, satria narehitrao ny afom-pahatezerako izay hirehitra mandrakizay.
Indray andro dia nanao fitarainana tamin’ny TOMPO ireo Israelita. Rehefa nahare izany ny TOMPO, dia tezitra mafy ary nandefa ny afony ka nandoro ny vahoaka sy nandevona ny sisin’ny toby.
ka niteny tamin’ny TOMPO hoe: –Nahoana izaho mpanomponao no ampahorianao toy izao? ary nahoana no tsy anehoanao hatsarampo aho fa ampitondrainao enta-mavesatra amin’ny fitondrana ity firenena manontolo ity?
I Mosesy kosa dia lehilahy malemy fanahy mihoatra noho ny olona hafa rehetra ambonin’ny tany.
Nanalavitra ny manodidina ny fonenan’i Kôra sy i Datàna ary i Abirama ny vahoaka. Dia nivoaka ny lainy i Datàna sy i Abirama ka nijoro teo am-baravarana niaraka tamin’ny vady aman-janany rehetra.
Koa nanomboka nanakiana an’Andriamanitra sy i Mosesy ny olona nanao hoe: –Nahoana no nentinareo niala tany Ejipta mba ho faty atỳ an-taniefitra izahay? Atỳ anefa tsy misy na mofo na rano, ary efa leon’itony mofomofo ratsy na hoe mana itony izahay.
Nahita izany i Jesoa ka tezitra ary nilaza tamin’ny mpianany hoe: –Avelao ny ankizy madinika hanatona Ahy, fa aza raràna, satria an’ny toa azy ireny ny Fanjakàn’Andriamanitra.
Dia tezitra i Jesoa nanopy maso manodidina nijery azy ireo, sady nalahelo tokoa noho ny hamafin’ny fony, ka niteny tamin-dralehilahy hoe: –Atsory ny tananao! Dia natsotran’ilay marary ny tanany ka sitrana.
Nirehitra ny afon’ny fahatezerako ka nandoro ny toeran’ny maty, hatrany amin’ny farany ambany sy nandevona ny tany mbamin’ny vokatra ao aminy ary nampirehitra ny fanambanin’ny tendrombohitra. HEAVEN-THE DWELLING PLACE OF GOD NY LANITRA-TOERAM-PONENAN’ANDRIAMANITRA THE WATER ABOVE THE VAULT NY RANO AMBONIN’NY HABAKABAKA VAULT OF HEAVEN NY HABAKABAKA ANDOHALAMBON’NY LANITRA EARTH NY TANY Pillars of the sky (2) Andry fanorenan’ny lanitra (2) Pillars of the earth (3) Andry fanorenan’ny tany (3) Sheol Toeran’ny maty The Abyss of waters (2) Ranolalimbe Early conception of the universe Fiheverana fahagola ny amin’ny firafitr’izao tontolo izao (Deôterônômy 32.22) [NEB 148]