Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 17:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Ary tsy maintsy hafoinao ny zaratany izay nomeko anao. Hampanompoiko ny fahavalonao any amin’ny tany tsy fantatrao ianao, satria narehitrao ny afom-pahatezerako izay hirehitra mandrakizay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Avy aminao ihany no mahatonga anao hamoy ny lova izay nomeko anao; hampanompoiko ny fahavalonao any amin’ny tany izay tsy fantatrao ianao; Eny, ny afo izay narehitrareo tamin’ny fahatezerako dia hirehitra mandrakizay.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Ary tsy maintsy hafoinao ny zaratany izay nomeko anao. Hampanompoiko ny fahavalonao any amin’ny tany tsy fantatrao ianao, satria narehitrao ny afom-pahatezerako izay hirehitra mandrakizay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 Havelanao ho faty foana sady vokatry ny hadisoanao izany, ny lovako nomeko anao; hampanompoiko ny fahavalonao any amin’ny tany tsy fantatrao ianao, satria narehitrareo ny afon’ny fahatezerako, ka mirehitra ho amin’ny mandrakizay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Ary avy amin’ny tenanao ihany no mahatonga ny hamoizanao ny lovanao izay nomeko anao; Ary hampanompoiko ny fahavalonao any amin’ny tany izay tsy fantatrao hianao; Fa narehitrareo ny afon’ny fahatezerako, Izay hirehitra mandrakizay.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Ary avy amin'ny tenanao ihany no mahatonga ny hamoizanao ny lovanao izay nomeko anao; Ary hampanompoiko ny fahavalonao any amin'ny tany izay tsy fantatrao ianao; Fa narehitrareo ny afon'ny fahatezerako, izay hirehitra mandrakizay.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Avy aminao ihany no mahatonga anao hamoy ny lova izay nomeko anao; hampanompoiko ny fahavalonao any amin’ny tany izay tsy fantatrao ianao; Eny, ny afo izay narehitrareo tamin’ny fahatezerako dia hirehitra mandrakizay.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 17:4
34 Rohy Ifampitohizana  

dia hongotako ianareo, ry Israelita, tsy ho amin’ny tany izay nomeko anareo; ary hariako lavitra Ahy ity tempoly izay natokako hanajana Ahy ity. Amin’izay ianareo Israelita dia ho tonga fandatsa sy fanaraby any amin’ny firenen-kafa rehetra.


ary nasain’ny mpanjaka hovonoina ho faty tao ihany. Toy izany no nitondrana ny vahoaka Jodeanina ho babo lavitry ny taniny.


Kanjo rehefa niadana izy, dia nanao ratsy teo anatrehanao indray; ary nafoinao izy ho eo an-tanan’ny fahavalony ka ireo no nanjakazaka taminy. Dia nitaraina taminao indray izy ka nohenoinao tany an-danitra; ary novonjenao imbetsaka izy satria be fiantra Ianao.


Ary rehefa homen’ny TOMPO fitsaharana ianao, ry Israely, ka afaka amin’ny fijaliana sy ny tebiteby ary ny fanompoana mafy izay nampanaovina anao,


Fa efa voaomana hatry ny ela ny fandoroana, ary ho an’ny mpanjaka ihany koa izany. Faritra boribory, malalaka sady lalina, no namoriana kitay betsaka handrehetana afo; ary dia ny fofonain’ny TOMPO, izay toy ny riakan-tsolifara miredareda, no hampirehitra izany toeram-pandoroana izany.


Izany indrindra no nampirehitra ny fahatezeran’ny TOMPO tamin’ny vahoakany. Naninji-tanana taminy sy namely azy Izy, Nampihovitrovitra ny tendrombohitra izany; ary toy ny fako tavela eny an-dàlambe no niampatramparan’ny fatin’olona. Saingy, na teo aza izany rehetra izany, dia tsy mbola afaka ny fahatezeran’ny TOMPO fa maninji-tanana mandrahona ihany Izy.


Fa ny aminareo rehetra izay mandrehitra afo sy mirongo zana-tsipîka mandoro, dia izao: ny afo natsanganareo ihany sy ny zana-tsipîka narehitrareo no anjara omanin’ny TOMPO ho anareo. Ho faty amin’ny fahoriana mafy ianareo.


Ary raha sendra misy mivoaka ny tanàna, dia hahita ny fatin’ny olona izay nikomy tamiko; fa ny kankana mihinana azy tsy ho faty, ary ny afo mandoro azy tsy ho levona, ka hahatsiravina ny olona rehetra ireo.»


Ilaozako ny tranoko ary afoiko ny fananako. Atolotro ho eo an-tanan’ny fahavalony ilay notiaviko tamin’ny foko tokoa.


Hampanompoiko ny fahavalonao ianao any amin’ny tany tsy fantatrao; fa mipoitra ny afom-pahatezerako ka handoro anao no irehetany.


Noho izany dia horoahiko hiala amin’ity tany ity ianareo hankany amin’ny tany izay tsy fantatry ny tenanareo na ny razanareo. Any no hanompoanareo andriamani-kafa andro aman’alina, fa tsy hiantra anareo intsony Aho.› »


TOMPO ô, fantatrao avokoa ny teti-dratsy nokotrehiny hamonoana ahy ho faty. Ka aza avelanao ny helony ary aza kosehinao ny hadisoany. Aoka ho lavo eo anatrehanao izy, ary asio amin’ny androm-pahatezeranao.


Mpanompo ve i Israely ankehitriny? Moa nateraka ho andevo ve izy? Tsia, koa nahoana izy no ho rembin’ny firenen-kafa?


ianareo taranak’i Davida. Izao no lazain’ny TOMPO: Fanaovana fitsarana ara-drariny no tontosay isa-maraina. Afaho eny an-tanan’ny mpitsentsitra ireo olona volosany fandrao hitroatra ny fahatezerako ka ho afo mandoro tsy hay vonoina. Vokatry ny asa ratsy nataonareo izany.


Ao ny manontany hoe: «Moa vilany vaky tsy ilaina ve na fanaka tsy misy vidiny intsony ity lehilahy atao hoe Kônià ity? Nahoana no nakifika izy sy ny taranany ka noroahina ho any amin’ny tany tsy fantany akory?»


Koa raha misy manontany hoe: «Nahoana no namely anay tamin’izao loza rehetra izao ny TOMPO Andriamanitray?», dia izao no havalinao, ry Jeremià: «Toy ny nandaozanareo ny TOMPO ka nanompoanareo ny andriamani-kafa tao amin’ny taninareo no hanompoanareo ny firenen-kafa any amin’ny tany izay tsy anareo!»


Koa tsy hirotsaka an-tsehatra hamely ireny olona ireny ve Aho, ka hamaly faty ny firenena toy izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO?


Noho izany dia izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Indro ny fahatezerako amam-pahavinirako hatobako amin’ity tanàna ity amin’ny olona sy ny biby fiompy, ary amin’ny hazo eny an-tsaha sy amin’ny vokatry ny tany; ka ho toy ny afo tsy mety maty izany.


Avia ianareo rehetra mpandalo eto, diniho sy jereo raha mba misy fijaliana tahaka ny fijaliana mihatra amiko, dia ilay nampahorian’ny TOMPO ahy tamin’ny andro firehetan’ny fahatezerany.


Lasan’ny hafa ny tanindrazanay, lasan’ny vahiny ny tranonay.


Satria izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Halaina aminao ny marika maha mpanjaka anao, ary hoesorina ny satro-boninahitrao. Fa nivadika ny toe-javatra: ny olona ambany no hasandratra, ary ny olona ambony no haetry.


Asaiko tonga ireo hafa firenena lozabe mba haka ny tranon’ny mponina. Hatsahatro ny avonavon’ireo mahery ary hozimbazimbaina ny toeramasiny.


Hatolotry ny TOMPO horesen’ny fahavalo ianareo; ka raha lalana iray no handrosoanareo hiady aminy, dia lalana fito kosa no handosiranareo hiala eo anoloany. Ho zava-mahatsiravina ny nihatra taminareo ho an’ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra