ary ny TOMPO kosa nanome mpamonjy izay hanafaka ny Israelita amin’ny fifehezan’ny Sirianina. Dia nandry feizay toy ny teo aloha ny Israelita.
Nehemia 9:27 - DIEM PROTESTANTA Dia natolotrao izy ho eo an-tanan’ny fahavalony ka ireo no nampahory azy. Nefa, tamin’ny andro fahoriany, dia nitaraina taminao izy ka nohenoinao tany an-danitra; ary satria be fiantra Ianao dia nomenao mpamonjy hatrany izy hanafaka azy eo an-tanan’ny fahavalony. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Koa dia natolotrao ho eo an-tanan’ny fahavalony izay nampahory azy izy; kanefa tamin’ny andro fahoriany dia nitaraina Taminao izy ka nihaino azy tany an-danitra Ianao, ary araka ny haben’ny fiantranao dia nomenao mpamonjy izy ka namonjy azy tamin’ny tanan’ny fahavalony ireo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia natolotrao izy ho eo an-tanan’ny fahavalony ka ireo no nampahory azy. Nefa, tamin’ny andro fahoriany, dia nitaraina taminao izy ka nohenoinao tany an-danitra; ary satria be fiantra Ianao dia nomenao mpamonjy hatrany izy hanafaka azy eo an-tanan’ny fahavalony. Baiboly Katolika Tamin’izay dia nafoinao izy, ho eo an-tanin’ireo mpampahory izay nampahory azy. Tamin’ny andron’ny fahoriany anefa nitaraina taminao izy, dia nihaino azy Ianao any an-danitra, ary nentin’ny famindram-ponao lehibe dia nanome mpamonjy izay nanafaka azy teo an-tanan’ireo mpampahory. Baiboly Protestanta Malagasy Koa dia natolotrao ho eo an-tànan’ny fahavalony izy, ka nampahory azy ireny; nefa tamin’ny andro fahoriany dia nitaraina taminao izy, ka nihaino azy tany an-danitra Hianao, ary araka ny haben’ny fiantranao dia nomenao mpamonjy izy, ka namonjy azy tamin’ny tànan’ny fahavalony ireo. Malagasy Bible Koa dia natolotrao ho eo an-tànan'ny fahavalony izy, ka nampahory azy ireny; nefa tamin'ny andro fahoriany dia nitaraina taminao izy, ka nihaino azy tany an-danitra Hianao, ary araka ny haben'ny fiantranao dia nomenao mpamonjy izy, ka namonjy azy tamin'ny tanan'ny fahavalony ireo. La Bible en Malgache Koa dia natolotrao ho eo an-tanan’ny fahavalony izay nampahory azy izy; kanefa tamin’ny andro fahoriany dia nitaraina Taminao izy ka nihaino azy tany an-danitra Ianao, ary araka ny haben’ny fiantranao dia nomenao mpamonjy izy ka namonjy azy tamin’ny tanan’ny fahavalony ireo. |
ary ny TOMPO kosa nanome mpamonjy izay hanafaka ny Israelita amin’ny fifehezan’ny Sirianina. Dia nandry feizay toy ny teo aloha ny Israelita.
Tsy mbola nilaza ny hamono ny anaran’i Israely tsy ho eo ambanin’ny lanitra anefa ny TOMPO; koa dia tamin’ny alalan’i Jerôbohama zanakalahin’i Jôasy no namonjeny azy.
Izany no nandavan’ny TOMPO ny taranak’i Israely rehetra ka nampahoriny azy sy nanolorany azy ho eo an-tanan’ny mpandroba ary farany hanesorany azy ho lavitra ny fanatrehany.
Izaho TOMPO Andriamanitrareo no aoka hohajainareo, fa Izaho ihany no mahavonjy anareo amin’ny fahavalonareo rehetra.
Ny mpanjakan’ny Babilônianina no nentin’ny Tompo namely ny vahoakany sy namono nahafaty ny miaramilany tamin’ny sabatra hatrany an-tempoliny mihitsy aza, ka tsy nisy olona nangorahan’io mpanjaka io, na tovolahy na tovovavy na ny olon-dehibe na ny antitra; eny, natolotr’Andriamanitra teo an-tanan’i Nebokadnetsara avokoa ny zava-drehetra.
kanefa noho Ianao be famindrampo, dia tsy nafoinao tany an-taniefitra izy: Ny andry rahona, izay nitari-dalana azy raha antoandro, dia tsy niala teo akaikiny na ny andry afo nony alina mba hanazava ny lalan-kalehany,
sy nisarika antsika ho afaka amin’ny mpampahory –eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!
Dia hohandriniko ianareo ka ho resy eo anoloan’ny fahavalonareo; ireo mpankahala anareo no hanapaka anareo; ary handositra ianareo, na dia tsy misy mpanenjika aza.
rehefa afaka amin’ny fahababoana ireo, dia hiakatra ho ao an-tendrombohitra Tsiôna mba hifehy ny tendrombohitr’i Hesao. Amin’izay ny TOMPO mihitsy no ho mpanjaka.
Koa isaky ny manangana mpitsara ho azy ny TOMPO, dia nomba izany mpitsara izany ka nanafaka ny Israelita tamin’ny fahefàn’ny fahavalony nandritra ny andro rehetra niainan’ilay mpitsara. Fa onena azy ny TOMPO, rehefa nitaraina izy noho ny nafitsok’ireo mpampahory sy mpampijaly azy.