Niseho tamin’i Abrama ny TOMPO ka niteny taminy hoe: «Homeko ny taranakao ity tany ity.» Dia nanorina alitara ho an’ny TOMPO i Abrama teo amin’io toerana izay nisehoan’ny TOMPO taminy io.
Nehemia 9:23 - DIEM PROTESTANTA Nohamaroinao ny taranaky ny razanay ho tahaka ny kintana eny amin’ny habakabaka; ary nentinao izy ho any amin’ny tany izay nolazainao tamin’ny razany fa hidirany hataony fananany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ny zanany dia nohamaroinao ho tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra sady noentinao ho amin’ny tany izay nolazainao tamin’ny razany fa hidirany holovana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nohamaroinao ny taranaky ny razanay ho tahaka ny kintana eny amin’ny habakabaka; ary nentinao izy ho any amin’ny tany izay nolazainao tamin’ny razany fa hidirany hataony fananany. Baiboly Katolika Nohamaroinao ho toy ny kintana eny an-danitra ny zanany ary nentinao izy ho any amin’ny tany, efa nolazainao tamin’ny razany, fa hidirany handray azy ho fananany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny zanany dia nohamaroinao ho tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra, sady nentinao ho amin’ny tany izay nolazainao tamin’ny razany fa hidirany holovana. Malagasy Bible Ary ny zanany dia nohamaroinao ho tahaka ny kintana eny amin'ny lanitra, sady nentinao ho amin'ny tany izay nolazainao tamin'ny razany fa hidirany holovana. La Bible en Malgache Ary ny zanany dia nohamaroinao ho tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra sady noentinao ho amin’ny tany izay nolazainao tamin’ny razany fa hidirany holovana. |
Niseho tamin’i Abrama ny TOMPO ka niteny taminy hoe: «Homeko ny taranakao ity tany ity.» Dia nanorina alitara ho an’ny TOMPO i Abrama teo amin’io toerana izay nisehoan’ny TOMPO taminy io.
Tamin’izay andro izay ny TOMPO dia nanao fanekempihavanana tamin’i Abrama, ka niteny hoe: –Omeko ny taranakao ity tany ity, manomboka eo amin’ny ranon-driakan’i Ejipta ka hatrany Eofrata ony lehibe
Dia nentin’ny TOMPO nivoaka teny ivelan’ny tranolay izy ka nilazany hoe: –Jereo ange ny lanitra ary isao ny kintana, raha afaka manisa azy ianao! Dia mbola nampiany hoe: –Ho toy izany ny taranakao!
Homeko anao sy ny taranakao mandimby anao ny tany Kanahàna manontolo, dia izao tany ivahinianao izao, ho fananany mandrakizay; ary ho Andriamanitr’izy ireo Aho.
fa hitahy anao tokoa Aho ka hahamaro dia hahamaro ny taranakao ho tahaka ny kintana eny an-danitra na ny fasika eny amoron-dranomasina. Ary ny taranakao dia haka ny tanànan’ireo fahavalony.
Mivahinia eto amin’ity tany ity fa homba anao Aho ary hitahy anao, satria ny taranakao no homeko ireo faritany rehetra ireo, fa hotanterahiko ny fampanantenana efa nianianako tamin’i Abrahama rainao.
Tsy nanisa ny hatramin’ny roapolo taona no ho midina i Davida, satria ny TOMPO efa nilaza hampitombo ny Israelita ho tahaka ny kintana eny amin’ny habakabaka.
Kanefa arakaraka ny namoretana azy no vao mainka nitomboany sy nahazoany vahana ka natahoran’ny Ejiptianina azy.
Taorian’izany dia niteraka betsaka ny Israelita ka nihamaro fatratra sady nihanahery tokoa ka nameno ny tany.
Iny ianareo efa maro toy ny kintana eny amin’ny habakabaka iny, dia olona vitsy no ho sisa tavela aminareo, satria ianareo tsy nanaiky ny TOMPO Andriamanitrareo.