Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 22:17 - DIEM PROTESTANTA

17 fa hitahy anao tokoa Aho ka hahamaro dia hahamaro ny taranakao ho tahaka ny kintana eny an-danitra na ny fasika eny amoron-dranomasina. Ary ny taranakao dia haka ny tanànan’ireo fahavalony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 dia hitahy anao tokoa Aho ary hahamaro dia hahamaro ny taranakao ho tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra sy ho tahaka ny fasika eny amoron-dranomasina, ary hahazo ny vavahadin’ny fahavalony ny taranakao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 fa hitahy anao tokoa Aho ka hahamaro dia hahamaro ny taranakao ho tahaka ny kintana eny an-danitra na ny fasika eny amoron-dranomasina. Ary ny taranakao dia haka ny tanànan’ireo fahavalony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

17 dia hanisy soa anao Aho, hahamaro ny taranakao tahaka ny kintana eny an-danitra sy ny fasika eny amoron-dranomasina, ary ny taranakao hahazo ny vavahadin’ny fahavalony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 dia hitahy anao tokoa Aho ary hahamaro dia hahamaro ny taranakao, ho tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra sy ho tahaka ny fasika izay any amoron-dranomasina; ary ny taranakao hahazo ny vavahadin’ny fahavalony;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 dia hitahy anao tokoa Aho ary hahamaro dia hahamaro ny taranakao, ho tahaka ny kintana eny amin'ny lanitra sy ho tahaka ny fasika izay any amoron-dranomasina; ary ny taranakao hahazo ny vavahadin'ny fahavalony;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

17 dia hitahy anao tokoa Aho ary hahamaro dia hahamaro ny taranakao ho tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra sy ho tahaka ny fasika eny amoron-dranomasina, ary hahazo ny vavahadin’ny fahavalony ny taranakao.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 22:17
50 Rohy Ifampitohizana  

Hataoko firenena lehibe ianao; hitahy anao Aho ka hampahalaza ny anaranao. Hanjary fitahiana ho an’ny hafa ianao.


Hohamaroiko tahaka ny vovo-tany ny taranakao ka tsy ho hita isa, tahaka ny tsy ahazoan’ny olona manisa ny vovo-tany.


Dia nentin’ny TOMPO nivoaka teny ivelan’ny tranolay izy ka nilazany hoe: –Jereo ange ny lanitra ary isao ny kintana, raha afaka manisa azy ianao! Dia mbola nampiany hoe: –Ho toy izany ny taranakao!


Hataoko maro taranaka fatratra ianao ka hanjary firenena maro, sady hisy mpanjaka hipoitra avy aminao.


Nitsodrano an’i Rebekà ireo ka nanao taminy hoe: –Ho tonga renin’ny olona an’alinalina anie ianao, rahavana, ary ny taranakao anie hahazo ny tanànan’izay mankahala azy!


Taorian’ny nahafatesan’i Abrahama, dia notahîn’Andriamanitra i Itsehàka zanany, izay nonina tao akaikin’ny fantsakana Lahay-Rôy.


Nisehoan’ny TOMPO izy nony alina ka nilazany hoe: –Izaho no Andriamanitr’i Abrahama rainao. Aza matahotra fa miaraka aminao Aho, ary mitahy anao. Hampitomboiko ny taranakao noho ny fampanantenana efa nataoko tamin’i Abrahama mpanompoko.


Hataoko marobe tahaka ny kintana eny an-danitra ny taranakao ary homeko ireto faritany rehetra ireto. Amin’ny alalan’ireo taranakao no hitahiako ny firenena rehetra eto ambonin’ny tany,


Hitahy anao anie ilay Andriamanitra Tsitoha, ka hanome taranaka maro mba hahatonga anao ho razamben’ny firenena maro


Homeny anao sy ny taranakao anie ny tsodrano nataony tamin’i Abrahama mba hahazoanao ny tany fivahinianao, dia ny tany izay efa nomen’Andriamanitra an’i Abrahama.


Mba afaho amin’ny tanan’i Hesao rahalahiko aho, satria matahotra azy, fandrao tonga izy ka hamono ahy sy ny zaza amam-behivavy ho faty.


Ianao manko efa nampanantena ahy hoe: «Hanisy soa anao tokoa Aho, ka hahatonga ny taranakao ho marobe tsy hita isa tahaka ny fasika eny amoron-dranomasina.»


Izao àry no mba torohevitro: Vorio eto aminao ny miaramila israelita rehetra, hatrany Dana ka hatrany Beera-Seba ka ho toy ny fasika amoron-dranomasina ny hamaroany; ary ny tenanao mihitsy no hiantafika miaraka aminy.


Ary ny mponin’i Joda sy i Israely dia marobe tahaka ny fasika amoron-dranomasina. Nanan-kohanina sy hosotroina ireo ka niaina finaritra.


Ary i Salômôna mpanjaka nanao sambo tao Hetsiôny-Gebera akaikin’i Elôta eo amoron’ny Ranomasin’ny Volotara any amin’ny tany Edôma.


Tsy nanisa ny hatramin’ny roapolo taona no ho midina i Davida, satria ny TOMPO efa nilaza hampitombo ny Israelita ho tahaka ny kintana eny amin’ny habakabaka.


Koa ankehitriny, ry TOMPO Andriamanitra ô, aoka ho tanteraka ny fampanantenana nataonao tamin’i Davida raiko, satria Ianao no efa nampanjaka ahy tamina vahoaka marobe tahaka ny vovo-tany.


Nohamaroinao ny taranaky ny razanay ho tahaka ny kintana eny amin’ny habakabaka; ary nentinao izy ho any amin’ny tany izay nolazainao tamin’ny razany fa hidirany hataony fananany.


Tsarovy i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba mpanomponao izay nianiananao ka nilazanao hoe: «Hataoko marobe toy ny kintana eny amin’ny habakabaka ny taranakareo. Homeko azy ny tany rehetra izay nampanantenaiko, ka ho fananany raikitra izany.»


Ny taranaka haloaky ny kibonao ho marobe toy ny fasika eny amoron-dranomasina; tsy ho tapaka na ho foana eo anatrehako ny anarany.»


Nianiana tamin’ny razanay Ianao fa hanome azy ny tany izay misy anay ankehitriny, dia tany tondra-dronono sy tantely; ka nanome azy izany.


Tsia, fa ny taranak’i Davida mpanompoko sy ny an’ireo levita izay manao fanompoam-pivavahana ho Ahy dia ho maro tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra ka tsy ho hita isa. ary toy ny fasika eny amoron-dranomasina ka tsy ho hita fatra.»


Kanefa, indray andro any, ny isan’ny Israelita dia ho marobe tsy tambo isaina toy ny fasika amin’ny ranomasina. Ary eo amin’ny toerana izay nilazana taminy hoe: «Tsy vahoakako ianareo», no hanambaràna aminy kosa hoe: «Zanak’ilay Andriamanitra velona».


satria tsy mety sitrana ny ratran’i Samaria fa mitatra hatrany Joda aza, ka tonga hatreo am-bavahadin’i Jerosalema izay tanànan’ny mpiray firenena amiko.


Nampanantenain’Andriamanitra fa handova izao tontolo izao i Abrahama sy ny taranany. Tsy noho izy ireo nandala lalàna, fa noho izy ireo nino ka neken’Andriamanitra ho marina no nahazoany izany fampanantenana izany.


Ary i Isaià mpaminany dia miantsoantso ny amin’i Israely hoe: «Na dia mifanisa amin’ny fasika eny amoron-dranomasina aza ny Israelita, dia izay hany sisa tavela tamin’izy ireo ihany no hovonjena;


Kanefa hisaorana anie Andriamanitra, Izay manome antsika ny fandresena amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika!


Hankalazaina anie ilay Andriamanitra sady Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika! Fa nitahy antsika Andriamanitra tamin’ny fitahiana rehetra araka ny Fanahy Masina ka nataony miray amin’i Kristy isika sady tonga mponina any an-danitra.


Efa nahamaro anareo ny TOMPO Andriamanitrareo, ka indro ankehitriny efa maro toy ny kintana eny amin’ny habakabaka ianareo.


Ny TOMPO Andriamanitry ny razambenareo anie hampitombo anareo ho arivo toraka izao ka hitahy anareo, araka izay efa nampanantenainy anareo!


Olona fitopolo ny razambenareo no nidina tany Ejipta; ankehitriny kosa efa nataon’ny TOMPO Andriamanitrareo maro tahaka ny kintana eny ana habakabaka ianareo.


angony eo afovoan’ny kianja ny entana rehetra voababo, ka dory avokoa na ny tanàna sy ireo entana ireo mba hafoy ho an’ny TOMPO Andriamanitra; dia ho tanàna aolo lalandava izany tanàna izany ka tsy haorina intsony.


Aoka tsy hisy hataon’ny tananao fihi-mamba ny zavatra efa nafoy holevonina, mba hitsaharan’ny TOMPO amin’ny fahatezerany mirehitra; dia hamindrany fo tokoa ianareo ary hohamaroiny araka ny nampanantenainy ombàm-pianianana tamin’ny razambenareo,


Hosamborin’ireo ray aman-dreniny izy ka hoentiny amin’ny fitsarana eo anoloan’ny loholon’ny tanàna onenany;


Olona efa naman’ny maty ihany i Abrahama, nefa dia avy amin’izany lehilahy anankiray izany no niavian’ny taranaka maro toy ny kintana eny amin’ny habakabaka sy toy ny fasika tsy tambo isaina eny amoron-dranomasina.


ka nanao hoe: «Homba fitahiana anao tokoa Aho ary hahamaro dia hahamaro fara sy dimby anao.»


Dia nitsoka trompetra ny anjely fahafito, ka nisy feo mahery tany an-danitra nanao hoe: «Efa lasan’ny Tompontsika sy ilay Mesiany ny fanjakana amin’izao tontolo izao, ka ho fanjakana maharitra mandrakizay izany!»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra