Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 27:23 - DIEM PROTESTANTA

23 Tsy nanisa ny hatramin’ny roapolo taona no ho midina i Davida, satria ny TOMPO efa nilaza hampitombo ny Israelita ho tahaka ny kintana eny amin’ny habakabaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

23 Tsy nanisa ny hatramin’ny roapolo taona no ho midina anefa i Davida satria efa nilaza NY TOMPO fa hampitombo ny Israely ho tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

23 Tsy nanisa ny hatramin’ny roapolo taona no ho midina i Davida, satria ny TOMPO efa nilaza hampitombo ny Israelita ho tahaka ny kintana eny amin’ny habakabaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

23 Tsy nisain’i Davida ny hatramin’ny roapolo taona no midina, satria efa nolazain’i Iaveh fa hampitombo an’i Israely ho tahaka ny kintana amin’ny lanitra Izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

23 Nefa tsy nanisa ny hatramin’ny roa-polo taona no ho midina Davida; fa Jehovah efa nilaza fa hampitombo ny Isiraely ho tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra Izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

23 Nefa tsy nanisa ny hatramin'ny roa-polo taona no ho midina Davida; fa Jehovah efa nilaza fa hampitombo ny Isiraely ho tahaka ny kintana eny amin'ny lanitra Izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

23 Tsy nanisa ny hatramin’ny roapolo taona no ho midina anefa i Davida satria efa nilaza NY TOMPO fa hampitombo ny Israely ho tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 27:23
7 Rohy Ifampitohizana  

Dia nentin’ny TOMPO nivoaka teny ivelan’ny tranolay izy ka nilazany hoe: –Jereo ange ny lanitra ary isao ny kintana, raha afaka manisa azy ianao! Dia mbola nampiany hoe: –Ho toy izany ny taranakao!


fa hitahy anao tokoa Aho ka hahamaro dia hahamaro ny taranakao ho tahaka ny kintana eny an-danitra na ny fasika eny amoron-dranomasina. Ary ny taranakao dia haka ny tanànan’ireo fahavalony.


Hataoko marobe tahaka ny kintana eny an-danitra ny taranakao ary homeko ireto faritany rehetra ireto. Amin’ny alalan’ireo taranakao no hitahiako ny firenena rehetra eto ambonin’ny tany,


Nirehi-pahatezerana tamin’ny Israelita indray ny TOMPO, ka nitaona an’i Davida hahatonga loza aminy sy nampanisa azy ny olona ao Israely sy ao Joda.


ka novoriny ny fiangonana manontolo tamin’ny andro voalohan’ny volana faharoa, dia nosoratany ny anaran’ny lehilahy israelita rehetra feno roapolo taona no ho miakatra araka ny fianakaviany sy ny fokony avy,


Olona efa naman’ny maty ihany i Abrahama, nefa dia avy amin’izany lehilahy anankiray izany no niavian’ny taranaka maro toy ny kintana eny amin’ny habakabaka sy toy ny fasika tsy tambo isaina eny amoron-dranomasina.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra