Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nehemia 3:7 - DIEM PROTESTANTA

Nanarakaraka ireo, dia i Melatià ilay Gibehônita sy i Jadôna ilay Merônôtita, mbamin’ny mponin’i Gibehôna sy ny mponin’i Mitsepà no namboatra ny manda hatreo akaikin’ny trano fonenan’ny governora mpifehy ny faritra etỳ andafy andrefan’ny ony Eofrata.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Teo anilan’ireo dia nanamboatra koa i Melatia gibeonita sy i Jadona meronotita mbamin’ny mponina tany Gibeona sy Mizpa, hatramin’ny toerana misy ny sezafiandrianan’ny governora etỳ andafin’ny ony Eofrata.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nanarakaraka ireo, dia i Melatià ilay Gibehônita sy i Jadôna ilay Merônôtita, mbamin’ny mponin’i Gibehôna sy ny mponin’i Mitsepà no namboatra ny manda hatreo akaikin’ny trano fonenan’ny governora mpifehy ny faritra etỳ andafy andrefan’ny ony Eofrata.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

I Meltiasa Gabaônita, i Jadôna Merônatita, mbamin’ny mponina ao Gabaôna sy i Masfà no nanamboatra teo anilany, akaikin’ny fitsaran’ny governoran’ny any an-dafin’ny ony;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary manarakaraka ireo dia namboatra koa Melatia Gibeonita sy Jadona Meronotita mbamin’ny mponina tany Gibeona sy Mizpa, hatramin’ny seza fiandrianan’ny governora etỳ an-dafin’ny ony etỳ.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary manarakaraka ireo dia namboatra koa Melatia Gibeonita sy Jadona Meronotita mbamin'ny mponina tany Gibeona sy Mizpa, hatramin'ny seza fiandrianan'ny governora etỳ an-dafin'ny ony etỳ.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Teo anilan’ireo dia nanamboatra koa i Melatia gibeonita sy i Jadona meronotita mbamin’ny mponina tany Gibeona sy Mizpa, hatramin’ny toerana misy ny sezafiandrianan’ny governora etỳ andafin’ny ony Eofrata.

Jereo ny toko



Nehemia 3:7
7 Rohy Ifampitohizana  

Nampiantso ny Gibehônita ny mpanjaka mba hiresahany. Ny Gibehônita moa tsy mba isan’ny Israelita, fa sisa tsy maty tamin’ny Amôrita. Efa nianiana taminy manko ny Israelita fa tsy haninona azy; nefa i Saoly, noho ny fitiavany an’i Israely sy i Joda, dia nitady hamongotra azy.


I Ôbila, izay Jismahelita, no mpiandraikitra ny rameva. I Jehedeià, avy any Merônôta, no mpiandraikitra ny borikivavy.


Novorin’i Asà mpanjaka ny Jodeanina rehetra; ka ireo no nanaisotra ny vato sy ny hazo tao Ramà, izay vao nohamafisin’i Bahasà. Dia nampiasan’i Asà ireo fitaovana ireo hanamafisana an’i Geba sy i Mitsepà.


Izao kosa no kôpian’ilay taratasy nalefany ho an’ny amperôra Artakserksesa: «Voninahitra ho anay mpanomponao atỳ andafy andrefan’ny ony Eofrata... ny manoratra ity taratasy ity aminao, ry Andriamanjaka.


ary teo an-kilan’ireo, i Hezera, zanakalahin’i Jesoa sady komandin’i Mitsepà, dia namboatra laniny hafa amin’ny manda, tandrifin’ny fiakarana ho any amin’ny fitehirizam-piadiana eo amin’ny zoro.