Dia nizotra nankany amin’ilay vavahadin’ny Loharano aho sy nihazo ilay farihin’ny mpanjaka; nefa tsy nisy intsony lalana azon’ilay biby nitaingenako naleha.
Nehemia 12:37 - DIEM PROTESTANTA Nony tonga teo amin’ny Vavahadin’ny Loharano ry zareo, dia niatrika ny ambaratongan’ny Tanànan’i Davida; teo amin’ny manda ihany no niakatra izany izy ka nanjary lasa ambonin’ny tranon’i Davida, ary tafapaka hatreny amin’ny Vavahadin-drano eo atsinanana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nizotra hatreo amin’ny vavahadin-doharano izy ka niakatra tamin’ny tohatra nihazo ny Tanànan’i Davida, teo amin’ny fiakarana amin’ny manda eo ambonin’ny tranon’i Davida ka hatreo amin’ny vavahadin-drano eo atsinanana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nony tonga teo amin’ny Vavahadin’ny Loharano ry zareo, dia niatrika ny ambaratongan’ny Tanànan’i Davida; teo amin’ny manda ihany no niakatra izany izy ka nanjary lasa ambonin’ny tranon’i Davida, ary tafapaka hatreny amin’ny Vavahadin-drano eo atsinanana. Baiboly Katolika Ny antoko-mpihira faharoa kosa, nandeha tamin’ny ilany iray, ka izaho sy ny antsasaky ny vahoaka no teo aorian’io, teny ambony manda. Avy eo amin’ny tilikambon’ny fatana fandoroana, dia nandroso hatreo amin’ny manda malalaka, Baiboly Protestanta Malagasy Ary hatreo amin’ny vavahadin-doharano dia nizotra izy ka niakatra tamin’ny ambaratongan’ny Tanànan’i Davida, tamin’ny fiakarana amin’ny mànda eo ambonin’ny tranon’i Davida ka hatramin’ny vavahadin-drano eo atsinanana. Malagasy Bible Ary hatreo amin'ny vavahadin-doharano dia nizotra izy ka niakatra tamin'ny ambaratongan'ny Tanànan'i Davida, tamin'ny fiakarana amin'ny manda eo ambonin'ny tranon'i Davida ka hatramin'ny vavahadin-drano eo atsinanana. La Bible en Malgache Nizotra hatreo amin’ny vavahadin-doharano izy ka niakatra tamin’ny tohatra nihazo ny Tanànan’i Davida, teo amin’ny fiakarana amin’ny manda eo ambonin’ny tranon’i Davida ka hatreo amin’ny vavahadin-drano eo atsinanana. |
Dia nizotra nankany amin’ilay vavahadin’ny Loharano aho sy nihazo ilay farihin’ny mpanjaka; nefa tsy nisy intsony lalana azon’ilay biby nitaingenako naleha.
sy ireo mpanampy ny levita nitoetra tao Hôfela no namboatra laniny tafapaka amin’ny tilikambo mandroso, izany hoe eo atsinanan’ny Vavahadin-drano.
Dia nivory toy ny olona iray ihany; teo amin’ny kianja anoloan’ny Vavahadin’ny Rano no nivoriany tamin’ny andro voalohan’io volana io. Nasain’ny vahoaka nalain’i Hezrà mpahay Lalàna ny bokin’ny Lalàn’i Mosesy, izay nandidian’ny TOMPO an’ireo Israelita. Dia nentin’i Hezrà mpisorona izany ho eo anatrehan’ny Fiangonana izay nahitana ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny zaza rehetra efa mahahaino.
Dia nandeha naka rantsan-kazo ny Israelita ka samy nanao tranotomboka ho azy teo an-tampon-tranony na teo an-tokotaniny na teo an-kianjan’ny tranon’Andriamanitra na teo an-kalalahana akaikin’ny Vavahadin’ny Rano, na teo an-kalalahana akaikin’ny Vavahadin’i Efraîma.
Nanomboka ny maraina ka mandra-pahatongan’ny mitataovovonana, dia teo amin’ny kianja anoloan’ny Vavahadin’ny Rano i Hezrà ka namaky ny boky; ary nampandry sofina hihaino izany avokoa ny olona.