Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nehemia 12:25 - DIEM PROTESTANTA

Ny mpiandry varavarana kosa dia ry i Matanià sy i Bakbokià, i Hôbadià sy i Mesolama, ary i Talmôna sy i Hakoba; andraikiny koa ny fiambenana ireo trano fitobian’entana teo akaikin’ny vavahadin’ny tempoly.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

I Matania, i Bakbokia, i Obadia, i Mesolama, i Talmona sy i Akoba no mpiandry varavarana ka nitandrina ny fiambenana teo amin’ny trano fitahirizan-drakitra.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ny mpiandry varavarana kosa dia ry i Matanià sy i Bakbokià, i Hôbadià sy i Mesolama, ary i Talmôna sy i Hakoba; andraikiny koa ny fiambenana ireo trano fitobian’entana teo akaikin’ny vavahadin’ny tempoly.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ny mpiandry varavarana, niambina teo amin’ny tokonam-bavahady kosa, dia i Mataniasa, i Bekbekiasa, i Abdiasa, i Mosolama, i Telmôna, ary i Akoba.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Matania, Bakbokia, Obadia, Mesolama, Talmona sy Akoba no mpiandry varavarana ka nitandrina ny fiambenana teo amin’ny trano firaketana.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Matania, Bakbokia, Obadia, Mesolama, Talmona sy Akoba no mpiandry varavarana ka nitandrina ny fiambenana amin'ny trano firaketana.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

I Matania, i Bakbokia, i Obadia, i Mesolama, i Talmona sy i Akoba no mpiandry varavarana ka nitandrina ny fiambenana teo amin’ny trano fitahirizan-drakitra.

Jereo ny toko



Nehemia 12:25
10 Rohy Ifampitohizana  

Dia niverina tany an-tanàna izy ka niantso ny mpiambina vavahady sady nilaza taminy hoe: –Tonga tany an-tobin’ny Sirianina izahay; fa tsy misy olona intsony ao sady tsy nandrenesana feon’olona akory. Tsy nisy afa-tsy soavaly sy boriky mifatotra ary lay nilaozana fotsiny.


Mbola azy koa no miambina ny Tranolay fihaonana sy ny Toeramasina; fa an’ny taranak’i Aharôna rahalahiny kosa ny manao ny fanompoana ao an-tranon’ny TOMPO.


Anjaran’ny antokon’ireo mpiandry vavahady sy anjaran’ny filohan’ireo vatan-dehilahy ireo ny manao fanompoana ao an-tranon’ny TOMPO, teo anilan’ireo levita rahalahiny.


Ny amin’ny vavahady atsimo, dia azon’i Hôbeda-Edôma, ary ny amin’ny trano fitahirizana entana, dia azon’ireo zanany.


ka tamin’ny vavahady atsinanana, nisy levita enina isan’andro; tamin’ny vavahady avaratra, nisy levita efatra isan’andro; tamin’ny vavahady atsimo, nisy levita efatra isan’andro; tamin’ny trano fitahirizana entana, nisy sokajy anankiroa samy levita roa avy;


Araka ny fandaharan’i Davida rainy, dia notendren’i Salômôna ny antokon’ny mpisorona ho amin’ny fanompoany avy ary ny levita ho amin’ny raharahany, dia ny hidera ny Tompo sy hanampy ny mpisorona amin’ny fanompoam-pivavahana fanao isan’andro; notendreny koa ny mpiandry varavarana, araka ny antokony amin’ny isam-bavahady. Izany rahateo no nandidian’i Davida olon’Andriamanitra azy.


Teo dia niantso ilay mpitily nanao hoe: «Teo amin’ny toeram-piambenako, tompoko, no nijanonako tontolo andro, ary teo amin’ny toeram-pitiliako no nijoroako nandritra ny alina.