Izany no nahatanterahan’ny teny nampilazain’ny TOMPO an’i Jeremià hoe: «Ity tany ity dia hilaozana mandritra ny fitopolo taona, mandra-pahatapitra ny fe-potoana tokony hitsaharany mba ho onitry ny andro fitsaharana rehetra izay tsy voatandrina.»
Nehemia 10:31 - DIEM PROTESTANTA Tsy homenay ho vadin’ny valovotaka ny zanakavavinay; ary tsy halainay ho vadin’ny zanakalahinay ny zanakavavin’ireo valovotaka. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 tsy hanome ny zanakay vavy ho vadin’ny tompon-tany, na haka ny zanany vavy ho vadin’ny zanakay lahy; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tsy homenay ho vadin’ny valovotaka ny zanakavavinay; ary tsy halainay ho vadin’ny zanakalahinay ny zanakavavin’ireo valovotaka. Baiboly Katolika Indrindra fa nanome toky izahay fa tsy hanome ny zanakay vavy ho vadin’ny vahoakan’ny tany, na haka ny zanany vavy ho vadin’ny zanakay lahy; Baiboly Protestanta Malagasy ary tsy hanome ny zanakai-vavy ho vadin’ny tompon-tany, na haka ny zanani-vavy ho vadin’ny zanakai-lahy; Malagasy Bible ary tsy hanome ny zananivavy ho vadin'ny tompon-tany, na haka ny zananivavy ho vadin'ny zanakai-lahy; La Bible en Malgache tsy hanome ny zanakay vavy ho vadin’ny tompon-tany, na haka ny zanany vavy ho vadin’ny zanakay lahy; |
Izany no nahatanterahan’ny teny nampilazain’ny TOMPO an’i Jeremià hoe: «Ity tany ity dia hilaozana mandritra ny fitopolo taona, mandra-pahatapitra ny fe-potoana tokony hitsaharany mba ho onitry ny andro fitsaharana rehetra izay tsy voatandrina.»
Tamin’izany fotoanandro izany, dia hitako fa nisy Jiosy efa nanambady vehivavy asdôdita sy hamônita ary môabita.
Koa mety ve raha ianareo no re fa manao izao haratsiana lehibe izao ka manota amin’Andriamanitsika, satria vehivavy hafa firenena no alainareo ho vadinareo?
Amin’ny andro voalohany sy ny andro fahafito dia manaova fivoriana masina ho anareo, ka aza manao raharaha mihitsy ianareo amin’izany afa tsy ny mamboatra izay hohanin’ny tsirairay ihany.
Fa ny andro fahafito dia sabata voatokana ho Ahy TOMPO Andriamanitrao; koa aza manao raharaha mihitsy amin’io andro io, na ianao na ny zanakao na ny mpanomponao na ny biby fiompinao na ny vahiny izay ao an-tanànanao.
Ary haka vady amin’ny zanany vavy ireo zanakalahinareo, ka ireo vehivavy ireo dia hitarika ny zanakalahinareo hanaraka ny fanompoam-pivavahana fanaony amin’ireo andriamaniny.
Tsia, fa ny fifadian-kanina tiako dia izao: ny mamaha ny olona voafatotra tsy an-drariny, ny manaisotra ny zioga mitambesatra aminy, ny manafaka ireo ampahorîna ka manapatapaka izay zioga rehetra mangeja azy.
«Izao no lalàna raikitra ho anareo: Ny andro fahafolo amin’ny volana fahafito, dia aoka ianareo hifady hanina sady tsy hanao raharaha akory, na ianareo Israelita tompontany na ireo vahiny valovotaka eo aminareo.
Amin’io andro io, dia hisy fanompoam-pivavahana hivorianareo, ka aza manao ny raharaha andavanandro ianareo: ho fepetra raikitra hatrany hatrany izany ho anareo, na aiza na aiza honenanareo.
«Andro enina no hanaovan-draharaha; fa ny fahafito dia sabata tena andro fitsaharana, ka hasiana fanompoam-pivavahana hivorianareo. Aza manao raharaha akory ianareo, fa sabata hanajana Ahy TOMPO izany, na aiza na aiza onenanareo.
Aza avela hisy olona hitsara anareo momba ny zava-pihinana sy ny zava-pisotro, na ny fombafomba fanao amin’ny fankalazana na amin’ny tsinambolana na amin’ny sabata.
satria fitsarana tsy misy indrafo no hataon’Andriamanitra amin’izay tsy namindra fo; ny famindrampo kosa afa-mirehareha tsy matahotra ny fitsarana.