Nehemia 13:23 - DIEM PROTESTANTA23 Tamin’izany fotoanandro izany, dia hitako fa nisy Jiosy efa nanambady vehivavy asdôdita sy hamônita ary môabita. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201123 Tamin’izany andro izany dia hitako ny Jiosy izay efa nanambady vehivavy avy any Asdoda sy Amona ary Moaba; Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara23 Tamin’izany fotoanandro izany, dia hitako fa nisy Jiosy efa nanambady vehivavy asdôdita sy hamônita ary môabita. Jereo ny tokoBaiboly Katolika23 Tamin’izany andro izany koa aho, dia nahita Jody namponina teo aminy vehivavy Azôtianina, Amônita. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy23 Ary tamin’izany andro izany dia hitako ny Jiosy izay efa nanambady vehivavy avy any Asdoda sy Amona sy Moaba; Jereo ny tokoMalagasy Bible23 Ary tamin'izany andro izany dia hitako ny Jiosy izay efa nanambady vehivavy avy any Asdoda sy Amona sy Moaba; Jereo ny tokoLa Bible en Malgache23 Tamin’izany andro izany dia hitako ny Jiosy* izay efa nanambady vehivavy avy any Asdoda sy Amona ary Moaba; Jereo ny toko |
eny, ny olona sisa dia samy nikambana tsara tamin’ireo Israelita manan-kaja ireo; ka nianiana mafy izy rehetra hanaraka ny lalàna izay nampitain’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Mosesy mpanompony, ary hitandrina sy hanatanteraka ny didy sy fitsipika aman-dalàna rehetra izay nataon’ny TOMPO Andriamanitray.
Ny TOMPO Andriamanitrareo no hampiditra anareo any amin’ny tany izay hidiranareo mba halainareo ho fananana. Firenena maro, firenena fito izay lehibe sy mahery noho ianareo, no horoahin’ny TOMPO hiala eo anoloanareo: dia ny Hetita sy ny Girgasîta, ny Amôrita sy ny Kanahanîta, ny Perizîta sy ny Hivîta ary ny Jebosîta.